Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rampy: a.: Jar. Ramby. Ahitsio
Ramy: a.: Hazo lehibe fahita amin'ny faritra atsinanana sy andrefan'ny Nosy, fanaovana lakana — noho izy mety ho be velarana — sy izay faritra tsy hita maso amin'ny fanaka (toy ny vatasarihana); fa ny tena ahafantaran'ny maro ny ramy dia ny ditiny anaovana emboka manitra. (Canarium Madagascariense). Ahitsio
Ramy: a.: Ditin-kazo fanembohana sady fampiasa koa hanosorana ny fandidian-dokanga; ilazana koa ny hazo mahitsY. Ahitsio
Rana: a.: Omby vahiny tsy misy trafo. Ahitsio
Ranabavy: a.: Anarana anajan' ny lehilahy ny vehivavy iray tam-po aminy: Aoka re, ranabavy, aza misahirana mahandro vary ho ahy amin' izao elanelam-potoana izao ianao. ? h.i.: Ilazana koa ny vadin'ny zaodahy. Ahitsio
Ranadahy: a.: Anarana anajan' ny vehivavy ny lehilahy iray tain-po aminy: Miandry andranadahy eto aho fa ho avy hitsidika aty, hono, izy. ? h. i.: Iantsoana ny vadin'ny zaobavin'ny tena koa. Ahitsio
Ranakandriana: a.: Zavatra tsy hita vatana, ninoan'ny Ntaolo ho "mpamoaka ny fitahian' Andriamanitra, aloalon'ny tany sy ny lanitra", ka nanaovan'ny olona hataka sy vavaka ary hasim-bola, ka nanome, hono, raha hitany fa mahatsara ny olona mangataka ny zavatra angatahiny. Ahitsio
Ranandria: (Ski) a.: Teny fanajana iantsoana ny olona izay itenenana, toy ny "Andriamatoa, Ramatoa: Mba omeo rano aho, Ranandria. Ahitsio
Ranaotra: a.: Anarana ilazana na iantsoana ny zaodahy na ny zaobavin'ny tena, izany hoe ny iray tam-po amin'ny vady: Mitsako tsy re ka ken-da vao "dony aho, ranaotra" (Ohab. enti-milaza olona manao zavatra an-tsokosoko ka misy fahavoazana manjo vao miantso vonjy amin'ny hava-na na sakaiza). Ahitsio
Ranatra: (Ski) a.: Lefona roa samy kelikely, fitondramandeha. Ahitsio
Randramadinika: a.: Fombandrandram-bolo atao toy izao: atao madinika ny fizarana ny son-bolo vao arandrana, ary ny sori-bolo voarandrana tsy atambatra raha tsy vita daholo izy rehetra amin'ny ila loha; avy eo a-tao tahaka ny bangoankatoka ihany. Ahitsio
Randrana: a.: Fanamboarana-4' ny volo lava ho misy ampehezany telo avy, izay ampidipidirina ho toy ny kofehy, ka ireo indray dia ampifamatorina hanana endrika samihafa araka ny karazany tiana hatao: randra-madinika, randran-telo an'ila... na randranampanga, randravonkalana... - t.i.f : Randranina, arandrana, voarandrana / mandrandrana, fandrandrana, mpandrandrana / andrandranana, fandrandranana / mirandrana, firandrana, mpirandrana / irandranana, firandranana I maharandrana I randrandrandrana. - Randram-bao mahataitra: izay rehetra vao manaitra ny maso avokoa. / Manao randran-tarihina: manaraka ny efa fanao teo aloha ihany. / Mitomany randrana manendrika ny sasany: tsy mitsapa raha manendrika ny tena izay atao na tsia, fa ataon'ny hafa ka dia mba a-tao koa. Karazan-drandrana sy taovolo hita amin'ny foko sasantsasany: Antaimoro: Lafitriakondro, Ny telo an-kila, Tsitombotomboka, Vakimanasa — Betsileo: Bango, Ban-go anakova, Bango tsotra, Ahitsio
Randrana tsotra: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo mitokantokana ary avona ao an-katoka. Ahitsio
Randranampanga: a.: Karazandrandrana mifanahatahaka amin'ny ravin'ampanga ny fisehony rehefa vita. Ahitsio
Randranina: (randrana) mt. ih. (randran): (volo na tady) A-tao misy ampehezany telo na maro izay ampidipidirina ho toy ny kofehy ka ireo indray ampifamatonna. Ahitsio
Randranketsa: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo miendrika ketsa maniry izay madinika dia madinika sady matetika dia matetika. Ahitsio
Randrantsintongatonga: a.: Karazan-drandrana mandeha ambaratonga sahala amin'ny tohatohatra. Ahitsio
Randravonkalana: a.: Karazandrandrana vita vona tahaka ny halana. Ahitsio
Randriana: a.: Teny manaja fanao amin'ny lehilahy, toy ny hoe Andriamatoa, na Randriamatoa. Ahitsio
Randriatra: a.: Anaran-kazo (Philippia) Ahitsio