Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ravahana: (ravaka) mt. pdr. (ravaho): Asiana ravaka, haingoina: Ravaho voninkazo ny otely. Ahitsio
Ravaka: a.: Zavatra entina mahatsara tarehy olona na zavatra; haingo, renty: Ny fahamaotinana no ravaky ny to• uouauy sarobidy indrindra. - t.i.f.: Aravaka, ravahana, voaravaka, tafaravaka / mandravaka, fandravaka, mpandravaka / andravahana, fandravahana / miravaka, f¢avaka, mpiravaka I iravahana, firavahana 1 maharavaka /ravadravaka. Ahitsio
Ravana: (raya) mt. ih. (rauao): Fongorina, levonina: Nora-mana ilay tamboho tetsy atsimo tetsy. ? Vahana, saxatsarahina: Norauany aloha ilay famantaranandro mao namboariny indray. ? Ale-fa; asaina miparitaka, mihahaka: Noravana tamin'ny efatra ny mpianatra. Ahitsio
Ravimanta: a.: Karazam-bakana kely. Ahitsio
Ravimbelo: a.: Anaram-bakana kely. Ahitsio
Ravimbody: a.: Ireo faritra roa be nofomamaritrany lamosina ambany, ny fitombenana. Ahitsio
Ravina: a.: Tendron'ny ankabeazan'ny zavamaniry, izay lavalava etiety mitsilotsilo marani-doha ny bikany ary ny atiny malamalama, fa ny vohony maraorao: Kely ravina ny rambiazina. ? h.i.: Takela-javatra: Ravin-taratasy. - t.i.f.: Ravinana / mandravina, fandravina, mpandravina 1 andravinana, fandravinana / ravindravina. - F.-p.: Rauinkazo: anarana iantsoana matetika koa ny ravina araka ny voalaza erp ambony. / Ravin-dam ba: lamba jerena amin'ny maha-fitambaran'ny kofehy — tenany sy fahany — mifampidipiditra: Aleo mividy ravindamba dia mampanjaitra izany ho akanjo, toy izay miuidy akanjo efa uita. / Ravintaratasy: ny felan'ny taratasy fanoratan, / Ravin-tsofina: ny faritra mitapelaka amin'ny sofina. J Tsy mandray ravin'auaratra na ravindeno: enti-milaza ny olona mpanankarena tsy mety hitakosina amin'ny raharaha ambanimbany. / Hataoko tsy mahita rayin'auaratra auy amiko: hataoko tsy mahita zava-tsoa avy amiko. / Heuidravina: hevitra tsy izy, fiheverana kitoatoa sy raikiraiky. / Roka ravin-tseva: teny entin'ny mpanao farahehy mamarana ny hehiny. / Maimbohondrauina: ny fotoana vao maxaina, alohan'ny vaky masoandro, izay efa misy hafanana kely mahamaina ny vohon'ny ravina vao nisy ranonando./Mitoritory ravina: midinidinika raharaha amimpifaliana. / Rauindraviny han y: tsy tena zavatra fa fisehoana marevaka sy maitso ivelany fotsiny ary manodoka. / Vololondrauina: ny ravina mitsimoka sy vao mipoitra amin'ny akondro. ? h.f.: enti-milaza ny endrika malandilandy sy malemilemy. * Ohab.: Mainka izany raha parasily, ravin-katsaka aza mikasoka: fiteny enti-maneso ireo be hambohambo foana amin'ny zavatra tsinontsinona. ¶ M.h.: Mainka izany raha ranomasina, ranompotaka aza manonja. J Ny isauasauana ny raviny hahitana ny fotony: enti-milazany famakafakana izay tsy maintsy hatao raha te hahafantatra zavatra iray. / Tsy mbola nalazo akory ny ravi-nihinanana: enti-milaza fa vao haingana no niara-nihinana sy niara-nifaly dia nisy fiovana sahady ny fihavanana sy ny flfankatiavana. / Atao rauinkazo nanintsana: hadinoina tanteraka. Ahitsio
Ravinala: a.: Karazan-kazo lehibe izay mivelatra lehibe tahaka ny fikopaka ny raviny. Misy ilana azy avokoa ny tenan' ny ravinala manontolo: ny hodiny (rapaka), ny tahondraviny (falafa), ny raviny (raty); ary raha tsatohana antsy eo am-pototry ny raviny, dia misy rano madio sady mamy azo sotroina miboiboika. Ahitsio
Ravinana: (ravinaq mt ih. (rauino): Asiana sarin-dravinkazo. Ahitsio
Ravindravina: a.: Ahitra alaina etsy sy eroa hanaovana fanafody. ¶ M.h.: Raokandro. Ahitsio
Ravintoto: a.: Ravi-mangahazo totoina, izay andrahoina miaraka amin'ny hena. Ahitsio
Ravintsara: a.: Karazan-kazo lehibe. (Agalophyllum aromaticum) Ahitsio
Raviravezana: (raviravy) mt. pdr. (raviravezo): Enti-milaza izay asiana zavatra mikirazorazo eo amboniny: Noraueramezana sabatra ny lohany ka tsy nahita tory izy na dia indray mipy maso aza ? Enti-milaza ny olona tiana hotaomina, amin'ny fampisehoana vola aminy. Ahitsio
Raviravy: a.: Rozaroza, fihantonan-javatra miramborambo; enti-milaza koa ny fanolikolena na fampanantenana zavatra entina hitaomana olona. - t.i.f.: Raviravezana, araviravy, tafaraviravy / mandraviravy, fandraviravy, mpandraviravy / andraviravezan, fandraviravezana; fandraviraviana / miraviravy, firaviravy, mpiraviravy / iraviravezana, firaviravezana; fixaviravian / maharaviravy. ¶ M.h.: Mihantona, mikiraviravy, mirazorazo, mikirazorazo, miramborambo, mikiramborambo, mirozaroza, mikirozaroza, mitarozaroza, mikirombaromba, mitarozaka, mikivilivily, misahondrahondra. Ahitsio
Ravitra: a. Fampitambarana ny ravindravina samihafa na voan-javatxamaro. i t.i.f.: Mandravitra, fandxavitra, mpandravitra / andravitana, fandravitana / miraviira, firavitra, mpixavitra / iravitana, firavitana / maharavitra / ravidravitra. Ahitsio
Ravo: sy Ravoravo p.t.: Entimilaza ny olona miseho ety ivelany ny hafaliany; miramirana. i tif: Ravoravoina, aravoravo, voaravoravo, tafaravoravo / mandravoravo, fandravoravo, mpandravoravo / andravoravoana, fandravoravoana 1 miravoravo, firavoravo, mpiravoravo / iravoravoana, firavoravoana / maharavoravo / haravoana / faharavoana. - F.-p.: Miravoravo manana: manana tsy amin'ahiahy. Ahitsio
Ravohina: (ravoka) mt. ih. (ravohy): Totoina ela, kapohina tsy an-kiato. Ahitsio
Ravoka: a.: Fitotoana vary betsaka. ? Ady maharitra amin'ny fifamélezana amin' ny hazo, ary tsy mifampitsitsy amin'izany. - t.i.f.: Ravohina, voaravoka / mandravoka, fandravoka, mpandravoka / andravohana, fandravohana / maharavoka / ravodravoka. Ahitsio
Ravona: a.: Fampitoviana tantana; fanovonana ny iva ary fisorohana ny avo ho marintampona; fizarana zavatra mba hitovy tsy hisy kely sy lehibe. - t.i.f.: Axavona, voaravona, tafaravona / mandravona, fandravona, mpandravona 1 andravonana, fandravonana / miravona, firavona / maharavona J ravondravona. Ahitsio
Ravontsira: Jer. Vontsira. Ravoravo p.t.: Jer. Ravo. Ahitsio