Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Raha: ppt. feh.: Mitarika fehezan-kevitra izay milaza fepetra iankinan'ny fahatanterahan'ny fehezan-kevitra iray hafa: Raha mihira ianao dia homeko vola. Ahitsio
Raha efa: indraindray dia tsy maintsy sarahina ny teny roa nikambana ho "rahefa", raha toa ka manan-kevitra hoe "vita" ny "efa" ka ampiasaina ho solo-matoanteny: Raha efa izany dia nitsangana izy nikabary. Ahitsio
Raha tany: raha tahiny ka: toy ny raha tsotra ihany, saingy manantitrantitra kokoa ny fisian'ilay fepetra: Raha tany, raha tahiny ka mihira ianao, dia homeko vo-la. Ahitsio
Raha vao: Mitarika fehezankevitra milaza fotoana hentitra: Raha vao maneno ny lakolosy, dia tsy maintsy miditra ny mpianatra. Ahitsio
Rahaka: ft.: Rantsan-kazo. i t.if,: Mandrahaka, fandrahaka, mpandrahaka / rahadrahaka. Ahitsio
Rahalahy: a.: Lehilahy iray ray sy iray reny amin'ny lehilahy iray hafa: Manana rahalahy efatra Rakoto. — Ny lehilahy iray ray na iray reny fotsiny amin'ny lehilahy hafa koa dia atao hoe rahalahy, toy izany koa ny lehilahy vadin'ny olona mirahavavy amin'ny vadin'ny tena dia antsoina koa hoe rahalahy. - t.i.f.: Mirahalahy, firahalahy, mpirahalahy / firahalahiana. - F.-p.: Rahalahin-teny: 1) teny roa mitovy fanonona; 2) teny azo raisin amin'ny hevitra roa. Ahitsio
Rahampitso: p. nit,: Enti-milaza ny andro manaraka ny anio: Talata anio, alarobia rahampitso. / Handeha ho any Toamasina izy rahampitso. Ahitsio
Rahana: p.t.: Enti-milaza vary na voan-javatra mbola tsy tena masaka tsara ka nampangotrahina mba hahamafy ny hodiny ka hahazoana mitoto azy na hanakanana azy tsy ho vaky vazana na hitsimoka. - t.i.f.: Rahanina, arahana, voarahana / mandrahana, fandrahana, mpandrahana / andrahanana, fandrahanana / mirahana. * Ohab.: Maty indroa toa uary rahana: enti-milaza olona na zavatra tratran'ny fahavoazana in droa miantoana. Ahitsio
Rahanina: (rahana) mt ih. (rahano): Ampangotrahina. Ahitsio
Raharaha: a.: Asa andaniana ny andro: Mikarakara tokantrano no mazdna raharahan' ny uehivauy mandritra ny andro. • Anton'asa ivelomana: Manjaitra no raharahan-dRanaiuo. ? Asa, taozavatra, lahasa: Misy raharaha kely home/ta anao raha manam-potoana ianao. 1 Adidy: Aza miditra amin'izany ianao fa tsy raharahanao izany. - t.i.f.: Raharahaina, voaraharaha / mandraharaha, fandraharaha, mpandraharaha / andraharahana, fandraharahana / miraharaha, firaharaha, mpirahaxaha I iraharahana, firaharahana I maharaharaha. - F.-p.: Asa aman-draharaha: enti-milaza ny fitambaran' ny asa atao fivelomana sy ny adidy eo anatrehana avy. / Hahita raharaha amiko ianao: teny fandrahonana atao noho ny herim-pahefana na lonilony. I Manauin-draharaha: mandeha mamangy na mamotopototra raharaha izay heverina ho lehibe. /Mi-la raharaha: mitady fahasahiranana ho an'ny tena. / Misahana raharaha betsaka: miandraikitra asa maro loha isankarazany. / Raharaha manaraka ny arabe: raharaha betsaka sady manahirana. / Raharahan'i Mantasoa: fanompoana mafy aoka izany, ara-ka ilay ohabolana manao hoe: Raharahan'i Mantasoa: ny miera maty uenty, ny mangala-dia maty loso; ny mitoetra lany lamba amantsalaka. / Zokin-draharaha: ny tena ventin-draharaha voalohany, izay tsy maintsy atao mialoha. * Ohab.: ?za atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa: ilazana ny fanaovana an-tsirambina ny tena fototry ny aina. Ahitsio
Raharahaina: (roharaha) mt, ih. (raharahao): Karakaraina: Tsy noraharahainy ny fambolena nataony ka levona fotsiny, • Atao ho zavatra: Tonga teo aho fa tsy noraharahainy akory. Ahitsio
Rahateo: p. mt.: Mitovy hevitra amin'ny hoe "efa" sady fampiasa mifamaly aminy matetika: Efa tonga rahateo izy ka tsy ilaina hantsoina. Ahitsio
Rahatrizay: p, mt.: Indray andro any aoriana any: Aza mamoy fo fa mbola ho sambatra ianao rahatrizay. • ppt. feh.: Rehefa... any aoriana any: Hanome fiantrana ny mahantra aho rahatrizay miasa mandray karama, hoy 1-sambilo. Ahitsio
Rahavavy: a.: Vehivavy iray reny sy iray ray amin'ny vehivavy hafa: Tia ny rahauaviny Rasoa. — Ny vehivavy iray ray na iray reny fotsiny amin'ny vehivavy hafa koa dia atao hoe rahavavy, toy izany koa ny vehivavy manambady olona mirahalahy amin'ny vadin'ny tena dia antsoina koa hoe rahavavy. - t.i.f.: Mirahavavy, firahavavy, mpirahavavy / irahavaviana, firahavaviana. Ahitsio
Rahefa: na Rehefa ppt. feh.: Mitarika fehezan-kevitra milaza fotoana ka mazàna: a) zavatra mbola ho avy no lazainy: Rahefa tonga izy dia ento aty amiko; 2) na zavatra fanao matetika: Rahefa misaotra izy, tsy diso ny mitsikitsiky kely. Ahitsio
Rahefa avy: rehefa avy: Entimilaza ny zavatra natao talohan'ny zavatra hafa iray: Rehefa auy nisakafo izahay, dia nitsangantsangana teny amoron-dranomasina. Ahitsio
Rahona: a.: Fitambaran'entona avy amin'ny ranon'ny renirano, ony, farihy, ranomasina donafan'ny hainandro, ka mitangorona eny amin'ny habakabaka ary milatsaka ho orana raha sendra miova ho man gatsiaka ny toetr' an dro, • Teny atao amin-katezerana mba haniniana olona noho ny ratsy nataony, 1 t: Rahonana, arahona, voaxahona 1 mandrahona, fandrahona, mpandxahona / andxahonana, fandrahonana . I maharahona 1 rahondrahona / mirahondrahona. - F,-p.: Mifanoto rahona: enti-milaza asa na raharaha betsaka mifangaro, mifanontona, na olona mifandrombaka miteny indray miaraka. / Misamboarauoara ny rahona: enti-milaza ny rahona jerena toa misamboaravoara nefa samy manana ny fandehany. / Rahom-bava: fandrahonana amin'ny fitenenana. / Raho-mitatao: rahona mivangongo betsaka eny an-danitra ka manamaloka ny masoandro, fambara fa ho avy ny orana. / Semban-drahona: takon'ny rahona. ? h.o.: enti-milaza zavatra tsy tanteraka fa voasampon-javatra kely. / Sondrodrahona: ilazana ny tafontrano izay atao vonjy maika hiarovana ny rindrin-trano tsy ho simban' ny orana; tafontrano bozaka ary manify. / Takondrahona: saron'ny rahona. / Tandrifin-drahona: orana milatsaka tsy ampoizina ary tsy maharitra ela. / Tory rahona ny lanitra: feno rahona tanteraka ny manodidina, ka mety haharitra ny orana raha avy. Ahitsio
Rahonana: (rahona) mt. ih. (rahony): Teneninamafy, fa nisy ratsy nataony; levilevena: Nandrairay zauatr'olona Ikoto ka norahonan-drainy mafy. Ahitsio
Rahoviana: p. rat.: Entina manontany fotoana mbola ho avy: Rahouiana no ho tonga ny zokinao? • h.i.: Tay... na na oviana na oviana: Rahoviana Rakoto no mba hampisam bo-bo!a olono! Ahitsio
Raibe: a.: Rain'ny ray na rain' ny reny. Ahitsio