Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ritaka: ft.: Kibo be mirotarota; fahalehibiazan'ny kibo (toy ny an'ny bevohoka). i t.i.f• : Miritaka, firitaka. Ahitsio
Ritihina: (ritika) rnt. ih. (ria-ho): Hajaina. Ahitsio
Ritika: ft. (t.tr.): Haja, voninahitra. * t.i.f.: Ritihina, mandritika. Ahitsio
Ritina: (ritra) mt. ih. (rito): Alana ny rano ao aminy: Tokony horitina ity farihy ity fa tsy mahasalama. ? Andrahoina amin'ny fanaovana izay hahalasa fofona ny rano andrahoana azy: Tsara ny hena ritina. Ahitsio
Ritirity: a.: Fandeha miridiridy maika, * t.i.f.: Miritirity, firitirity, mpiritirity / iritiritiana, firitiritiana / maharitirity. Ahitsio
Ritra: p.t.: Enti-milaza rano lany tsy misy intsony, tankina, sy maina: Ritra ny loharano ka tsy mahita hantsakana ny olona. ? Enti-milaza zavatra handroina ka mass-ka rehefa lasan-ko fofona ny rano nahandroana azy: Efa ritra ny vary ao am-bilany ka antsoy ny olona fa hisakafo isika. ? h.o.: Ringana, maty daholo, ripaka: Ritra tamin' ilay tondra-drano iny ny vorona nompianay teto. ? Lany, ringana, majifa, mafafa: Ritra tamin'ny loka ny hareny. * t.i.f.: Ritina, voaritra / mandritra, fandritra, mpandx?txa / andritana, fandritana / maharitxa, ridritra. - F.-p.: Hena ritra: henanohandroina ho ritra ny fahandroana azy. / Lany ritra: tapitra maty, fongana. / Loharano tsy mety ritra: enti-milaza zavatra nipoiran-iavatra hafa izay tsy mety ho lany fa miboiboika misy hatrany. / Manentan-tsy ritra: ilazana ny olona maimaika sy taitaitra, ka zavatra mbola tsy tonga amin'ny ilana azy akory dia lazaina fa vita, toy ny vary, na laoka mbola tsy ritra dia entanina na bataina hiala eo am-patana. / Ny ony aza manam-paharitana: entimilaza ny zavatra heverina haharitra mandrakizay, nefa dia mety hisy farany ihany. / Ri-drano: ilazana ny lohataona mahatankina ny rano any am-pantsakana. Ahitsio
Ritsiritsy: a.: Mitovy amin'ny Tsiatsiaka. Ahitsio
Ritsohina: (ritsoka) mt. ih. (ritsohy): Bitsihina. ? Itenenana mibitsibitsika. Ahitsio
Ritsoka: a.: Teny na feo malefaka; bitsibitsika, resaka malemilemy ifanaovana (ny te-na endriny fahita amin'ity hevitra ity anefa dia ny hoe: Ritsodritsoka): Ritso-baliha. * Entina milaza koa ny famelezana amin'ny tsorakazo na karavasy. * t.i.f.: Ritsohina, voaritsoka, tafaritsoka / mandritsoka, fandritsoka, mpandritsoka / andritsohana, fandritsohana / miritsoka, firitsoka, mpiritsoka / iritsohana, firitsohana / maharitsoka / ritsodritsoka. Ahitsio
Riva: (Ski) a.: Tendrombohitra vato any anaty ranomasina. Ahitsio
Rivana: ft.: Fitrifanana sy fihenjanana ka tsy laitra tenenina; fihetsika feno fampitahorana sy fandrahonana. * t.i.f. : Rivanina / mandrivana, fandrivana, mpandrivana / andrivanana, fandrivanana / mampirivana / ampirivanana / rivandrivana. Ahitsio
Rivanina: (rivana) mt. ih. (riva-no): Rahonana mafy aminkatezerana. Ahitsio
Rivatra: (Btm) p. t.: Enti-milaza hazandrano lasa na afaka tamin'ny fintana fa tataka ny vavany. Ahitsio
Rivirivy: a.: Kapoka mafy sady betsaka, vonoana mahery vaika. * t.i.f.: Mandrivirivy, fandrivirivy / mirivirivy, fixivixïvy. Ahitsio
Rivo: ft.: Tsy halalina. * t.i.f:: Marivo, harivo / faharivo. Ahitsio
Rivodahy: a.: Karazan-damisY izay ahodina amin'ny tady kely. Ahitsio
Rivotra: a.: Aera mihetsika mivoivoy eny amin'ny habakabaka. * t.i.f, : Mandrivotra, fandrivotra. - F.-p.: Hevitra rivotra: hevitra poaka aty, tsy misy antony. l Lalan-drivotra: ny fidiran'ny rivotra avy eo amin' ny vava na orona mankany amin'ny havokavoka. /Maka rivotra: miala sasatra fotoana fohy amin'ny toerana tsy mpisy ny tena. / Fakan-drivotra: fotoana omena ny mpianatra eny anelanelan'ny fotoana ianarany mba hahafahany milalao na miala sasatra. / Miala rivotra: mihataka amin'ny rivotra iainana andavanandro — miala amin' ny trano fonenana misy mosavy nataon'olona. / Mifofofofo ny rivotra: mitsokamafy dia mafy ny rivotra. /Milaza rivotra: milaza zavatra tsy mety ho marina. / Mivalan-drivotra: teny mihajahaja kokoa ilazana ny hoe mangetotra (mamoaka rivotra amin'ny vava fivalanana). / Rivo-balala: rivotra maimaina izay mialoha ny fiavian'ny valala ary heverin'ny olona. ho mitondra aretina (sery). / Rivo-doza: rivotra mafy fitsoka ary mazàna arahin'orana ka mandevona sy manimba zavatra maro. / Rivo-drano: ny rivotra mitsoka eny amoron-drano izay mandrakariva somary mamirifiry. / Riuo-mahery: rivo-doza. / Tafio-drivotra: karazan-drivodoza. / Tsiotsio-drivotra: rivo-malefaka mamelombelona aina. / Vava rivotra na ankotsio-drivotra: toerana ivantanan'ny rivotra. Ahitsio
Rizalahy: s.o.: Entin'ny lehilahy mifampiantso. Ahitsio
Rizana: Jar, Rozana. Ahitsio
Rizareo: s.o.: Enti-manondro olona maro. Ahitsio