Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rizatra: sy Rizadrizatra a.: A-diady sy fifamaliana mitohitohy; teny an-katezerana tsisy farany sady feno hasosorana. * t.i.f.: Mandrizatra, fandrizatra, mpandrizatra; mandrizadrizatra, fandrizadrizatra, mpandrizadrizatra / andrizatana, fandrizatana / mir?zatra, mirizadrizatra. Ahitsio
Rizavavy: s.o.: Entin'ny samy vehivavy mifampiantso: Andeha hanao fampitaha rizauavy a. Ahitsio
Ro: a.: Ranon-kanina, indrindra ranon'anana masaka: Tsy mahalany vary mihitsy izy raha tsy misy rony. - F.-p.: Alain-dro: enti-milaza ny hena tsy ritina na endasina fa andrahoina mba hisy rony. / Misoko ohatra ny ron-gisa: fitenenana enti-milaza zavatra tsy ampoizina nefs misy asany. / Ro be maso: rony misy mena-ka misomidika ary matsiro be (hita mitsinkafona boribory mova tsy ny maso ny menaka). / Ro mafana: ilazana ireo vorona na akoho ataon'ny olona fanomezana ho an'ny olona hajaina sy nahavita soa azy. / Ro mangazafy: ro marihitra matsiro, fomba fahandroana vorona ka atao ketsaketsa rano fa tsy ritina. / Ro masaka: ro tsisy sira (natao fanomezana ho an'ny olona manamanjo taloha). / Ro masiaka: Ro be sira sy masiatsiaka natao mba hampahazoto homana. / Ro matsatso: rony tsy misy sira ary tsy mba misy menaka misomidika. / Ro mazava: ron-kena misy - anana. / Rom-patsa: ilazana ny vola enti-mamangy ny vehivavy tera-bao. / Ron-doha: fieritreretana mafy, fisahiranana, fiahiahiana: Lany rondoha taminao ny ray amandreninao. / Ro sompatra: ro be menaka izaitsizy, izay toa matsiro aoka izany nefa mety handoro ny vava na hankarary kibo. / Tsy rony tsy ventiny: enti-milaza hatezeran'olona iray izay tsy misy antony tokony ho nahatonga azy akory. / Vary misy ro ka haronina: enti-milaza olona manaonao foana, tsy mahalala fomba toy ny ankizy izay mangaron-tanana ny vary misy rony. * Ohab.: Ilay nahandro vato; raha ny rony dia masaka: enti-milaza olona efa nanao sy niezaka hatramin'ny ela, ne-fa tsy nahita vokany tamin' izany. / Mifady ventiny fa misotro ny rony: enti-milaza ny olona manao ny atao hoe fady fotsy, izany hoe tsy mifady tanteraka, na manao alasafaY ka mifady anarany fotsiny. / Misy rony, miaramisotro; misy ventiny miaramihinana: fitenenana mampiseho fiaraha-miisalahy amin'izay misy, na soa izany na ratsy. / Ron'i Mandiauato; ny sisa tsy lany anasantongotra: ohabolana ilazana tsy fahaizan-javatra ka mahatonga ny zavatra hariariana foana, toy ireo olona voalaza eto izaY nanisy rano be loatra ny laoka ka nanjary tsy nisy tsirony ary tsy lany ilay laoka. Ahitsio
Roa: a.: Isa manarakaraka ny iray: Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina. ? p, i.: Iray miampy iray: Omby roa. (Fiteny matetika koa ny hoe anankiroa). * t.i.f.: Miros / indroa / indroasina, indroazina, indraosina 1 manindroa, fanindroa, mpanindroa / anindroasana, anindraozana, fanindraozana, fanindroasana, fanindraosana,fanindxoazana / tsiroaroa I roroa, mandroroa, fandroroa 1 m?roroa / mpiroroa. ? F.-p.: Antsy na sabatra roa lela na miroa lela: enti-milaza zavatra manana vokany na mety hisy asany roa mifanohitra. / Avo roa toko: entimilaza zavatra iray tonga te-Io. l Fola-droa: enti-milaza ny fitafiana lamba, izay akarina eo an-tsoroka havanana sy eo an-tsoroka havia ny lamba efa nasampina. / Manao tantanan-droa lela: entimilaza olona mahay mihatsaravelatsihy izay miseho ho mifankahazo amin'olona roa tsy mifanaraka. / Ny ela maharay roa: nj• fotoana maharitra mahatonga fifankazarana na fahazarana tsy arahimpieritreretana (tsy tokony hafangaro amin'ny hoe: "ny ela mahareroy": mampifankazatrâ fatiatra ny ela niarahana ka mahatonga tsy hifanaja fa mifanao "re roy"). / Roa sosona: roa mikambana, na mitambatra. / Roa vo-Io: enti-milaza ny olona efa lehibebe ka fotsy sasaka ny volony. ? h. i.: Enti-milaza zavatra mizara roa: "tsy tiako, hoy Andrianampoinimerina, Imerina raha manao akanga roa volo". / Tsy manan-droa hamolahana: (ray aman-dreny) tsy manan-janaka afa-tsy tokana, izay voatery hotsimbintsimbinina, fa raha nanan-droa manko izy, mety ho niseho ho henjankenjana. / Tsy mitondra roa: ratsy fitondra, tsy mitsitsy fa mamoapoaka. / Voa roa ohatra ny dakam-boriky: fahavoazana indroa miantoana. / Votso-droa: samy tsy misy azo ireo zavatra roa efa noheverina nan_antenaina. * Ohab.: Maty roa ohatra ny vary rahana der. Rahana). / Tsara ny roa noho ny iray fa raha lavo misy mpanarina: enti-milaza ny firaisana, fifanampiana, fifanohanana, izay mahasoa. / Vary roa tanty (indroan'ny fatambary); ny iray ialemana, ny iray isakafoana: ilazana ny zavatra efa voakendry amin'izay iheverana azy avy. Ahitsio
Roahana: ft.: Fisalasalana, hambahamba. * t.i.f.: Miroahana, firoahana, mpiroahana. Ahitsio
Roahina: (roaka) mt. ih. (roahy): Ambenana ka arahina avy ato aoriana: Efa lasa noroahin'Ikoto any an-tsaha ny omby. ? Atosika handeha hihataka: Roahy any io alika io. ? Terena hiala, esorina: Noroahin'ny mpampianatra Ibalita fa sady tsy mahay no maditra. ? Atao sesitany: Noroahin'ny fanjakana izy fa nahavita heloka bava-va. Ahitsio
Roaka: a.: Fampandehanana ny biby, vorona andrasana ho eo alohan'ny tena. ? T:'axnpialana handeha. ? Fanosehana handeha hihataka: Nataony roaka alika aho, sana-tria. * t.i.f.: Roahina, voaroaka / mandroaka, fandroaka, mpandroaka / androahana, fandroahana / miroaka, firoaka, mpiroaka / iroahana, firoahana I maharoaka / roadroaka. Ahitsio
Roambinifolo: a.: Anarana ilazana ireo mpanjaka nolovan' Andrianampoinimerina ka voateniny matetika rehefa mahatsiaro ny razany izy: Rafandrana, Rafohy, Rangita, Andriamanelo, Ralambo, Andrianjaka, Andriantsitakatrandriana, Andriantsimitoviaminandriandehibe, Andriamasinavalona lehibe sy Andriamasinavalona zanany, An driantsimi t ov iam in andriana ary Andriambelomasina. (T.A.I. tak. 253) Ahitsio
Roanahana: Mitovy amin'nY Roahana. - t.i.f.: Aroandroana / miroandroana, firoandroana, mpiroandroana / iroandroanana, firoandroanana. Ahitsio
Roatina: (roatra) mt. ih. (roaty): Esorina ny roatrany: Roaty ny vary rankizy a. Ahitsio
Roatra: a.: Vorivory fotsy miforona eo ambonin'ny rano; tapoapoaka mitambolina mivoaka avy amin'ny rano midona mafy amin-javatra ka miverina mifanena, na avy amin'ny rano misy savony, na avy amin'ny vary andrahoina. * t.i.f.: Roatina, aroatra / mandroatra, fandroatra, mpandroatra / androatana, fandroatana / miroatra, firoatra, mpiroatra I iroatana, firoatana / maharoatra / roadroatra. Ahitsio
Roatry: a. :Karazan' omby vahiny nampidirina. Ahitsio
Roavoamena: a.: Voamena roa (0,40Fr). Ahitsio
Roazodafy: a.: Marolafy izay iraizotra tsiroaroa ny lafy aminy. Ahitsio
Roba: a.: Fangoronana an-keriny; fangalarana sy fanimbana. * t.i.f.: Robaina, voaroba / mandroba, fandroba, mpandroba 1 androbana, fandrobana / miroba, firoba, mpiroba / irobana, firobana / maharoba / robaroba. Ahitsio
Robahana: (robaka) mt. ih. (robaho): Loahana hatrany ambadika; gorobahana; tanterahina. Ahitsio
Robaina: (roba) mt. ih. (robay): Alaina ny azo entina ary ravana ny tsy azo: Norobain' ny mpirotaka ny tanàna. ? Entina, paohina, faohina: Norobain 'ny jiolahy ny zauatra rehetra tao an-trano. • Afitsaka, baboina, hosena: Norobain'ny fanjakana ny fananany rehetra. Ahitsio
Robaka: p. t.: Loaka hatrany am-badika, tanteraka, gorobaka. - t.i.f. : Robahana, voarobaka / mandrobaka, fandrobaka, mpandrobaka / androbahana, fandrobahana / mirobaka / maharobaka/ robadrobaka. Ahitsio
Robia: (fr. rubis) a.: Vatosoa. Ahitsio
Robirobina: (robiroby) mt. ih. (robirob?o): Falifalina. Ahitsio