Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rodorodoina: (rodorodo) mt. ih. (rodorodoy): Asaina mandeha haingana, korodorodosina, aporiatra. ? Atao haingana. Ahitsio
Rodrano: a.: Zavamaniry fihinarn-boa. Ahitsio
Rofatra: a.: Haraoraon-javatra, harokoroko. ? h.o.: Raharaha misavoritaka. - t.i.f.: Mirofatra, firofatra, mpirofatra / irofotana, firofotana. Ahitsio
Rofia: a.: Zavamaniry karazana palmie izay anaovana kofehy ny hoza-draviny ka tenomina ho jiafotsy. Ahitsio
Rofo: Rofoloha a.: Holatry ny hatina efa sitrana. Ahitsio
Rofotra: a.: Fisehoan'aretina mibontsimbontsina, toy ny kitrotro, bonibony..., betsaka. , 4 t.i.f.: Mirofotra, firofotra. Ahitsio
Rofy: a.: Aretina, fahadisadisana: Ho tsy tian-drofy anie ity zaza ity! • Zava-mampijaly, fahoriana: Ety an-tany be rofy. - t.i.f.: Marof y, farofy, marofirofy. - F.-p.: Aza marofy: firariana mba tsy harary. / Afadrofy, tsy tian-drofy: teny a-tao amin'ny zaza raha mievina mba tsy hahavoan'ny aretina azy. / Salama tsy marofy: tena salama, salama tsara. / Aza marofy taiza: firariana atao amin'ny vehivavy vao tera-bao mba ho salama tsara ny zanany. Ahitsio
Rohae: (Ski) a.: Enti-milaza ny tany mainty miparasadrasaka toy ny lavenona, na toy ny main'ny afo tany aloha ela. Ahitsio
Rohana: a.: Aretina manaintaina sy mampangotsokotsoka any amin'ny famavanin'ny taolana. - t.i.f.: Rohanina. - F.-p.: Roha-nendra, rohankatina, rohan-tety: fanaintainana na fivontosana avy amin'ny aretina samihafa, toy ny nendra, hatina... / Miala rohana: mihetsiketsika mba hanala sasatra ny hozatra. Ahitsio
Rohanina: (rohana) p. t.: Mararin'ny rohana. Ahitsio
Rohizana: (rohy) mt. ih. (rohizo): Fatorana amin'ny mahazaka: Rohizo io lakana io fa sao lasan'ny rano. ? (omby) Samborina amin'ny fanipazana tady eny amin'ny tandrony na eny amin'ny tongony: Norohizan-dRakoto ny ombiny. ? h.o.: Tana-na, hazonina: Tandremo ny teny atao fa sao rohizan'ny olona amin'ny uauanao ianao. Ahitsio
Rohona: a.: Kotroka mamoaka feo midaondaona any lavitra any; fipoahan-javatra miraondraona sy mampihovitrovitra na dia akaiky aza. - t.i.f.: Tafarohona / mandrohona, fandrohona, mpandrohana / androhonana, fandrohonana / mirohona, firohona, mpirohona, / maharohona / rohondrohona. Ahitsio
Rohontany: a.: Fomban-tany na fomba irohonan'ny be sy ny maro ka mahatarika izay miara-mitoetra aminy hanaraka izany. (Oh. olona zatra ny madio any an-tanàn-dehibè, nefa nony tonga monina any an-tsaha lasa tsy mahavatena manaraka ny rohon-tany). Ahitsio
Rohotra: na Rohitra a.: Fiaraha-mandeha ataon'ny olona maro be ; fizorana miara-be. - t.i.f.: Mirohotra, firohotra, mpirohotra / irohotana, firohotana / maharohotra / rohodrohotra. Ahitsio
Rohy: a.: Famatorana amin' ny tady, fanagiazana amin' ny kofehy: Ataouy rohy foza izay mpangalatra tratra. * Fatotra: Ratsy rohy an-gamba ilay omby matou afanan dos i tra. * t.i.f.: Rohizana, arohy, voarohy, tafarohy / mandrohy, fandrohy, mpandrohy / androhizana; fandrohizana / mirohy, fixohy / irohizana, firohizana / maharoy / rohirohy. Ahitsio
Rôhy: (Tsm) a.: Zanak'omby sarahina amin-dreniny mandritra ny alina mba hahazoana mitery ny reniny ny ampitso. Ahitsio
Roibe: a.: Karazana roy misy voninkazo mitapelaka, ary ny hodiny anaovan'ny ankizy antsamOtady. Ahitsio
Roibelahy: a.: Karazana roibe kelikelY. Ahitsio
Roibevavy: a.; Karazana roibe lehibe. Ahitsio
Roifantaka: a.: Karazana roy mafy hazo. Ahitsio