Litera R

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Romoromo: a.: Ambiny mitaritarika, amin-javatra nodidiana na nohetezana ka tsy nifarana tsara: Farano daholo ireo romoromo amin'ity jiafotsy ity fa maharatsy bika azy. • h.o.: Fahasosotsosorana, tsy fifanarahana: Aleo sosoa ampian-tsetsetra, toy izay hena matauy ampiandromoromo (ohab). * fi, f.: Romoromoina, aromoromo / miromoromo, firomoromo, mpiromoromo / firomoromoana / maharomoromo. Ahitsio
Romoromoina: (romoromo) mt. ih. (romoromoy): Asiana romoromo amin'ny sisiny. Ahitsio
Romotana: (romotra) mt. ih. (romoty): Rambasana, rovitina amin'ny nify: Noromotan'ny alika ny pataloany. Ahitsio
Romotra: p.t.: Voan'ny haromotana, aretina izay mahatonga ho toa adala manaikitra am-pisafoahana izay sendra azy, gaigy: Alika romotra. • Misafoakan-katezerana: Vao mainka romotra izy nahita an-janany naniratsira azy. - t.i.f.: Romotana, voaromotra 1 mandromotra, fandromotra, mpandromotra 1 andromotana, fandromotana 1 romodromotra 1 miromodromotra, firomodromotra, mpiromodromotra / iromodromotana, firomodromotana / maharomodromotra / haromotana, faharomotana. Ahitsio
Romposana: (rompotra) mt. ih (romposy): Otazana eran-tanana. Ahitsio
Rompotra: a.: Fanorosana ankeriny amin'ny tanana ny ravin-javamaniry toy ny ravimboangahazo. • Anaram-bosotra iantsoana koa ny ravimboangahazo na ravintoto. - t.i.f.: Romposana, voarompotra 1 mandrompotra, fandrompotra, mpandrompotra / andromposana, fandromposana 1 mahaxompotra / rompodrompotra. Ahitsio
Rona: a.: Firaikana mankany aloha na aoriana, mitongilana miankavia na miankavanana. è t.i.f.: Arona, voarona, tafarona / mandrona, fandrona, mpandrona / andronana, fandronana / mirona, firona, mpirona 1 ironana, fironana / maharona 1 rondrona. Ahitsio
Ronahina: sy Aronaka (ronaka) mt. ih. (ronaho, aronahy): Tiana aoka izany. Ahitsio
Ronaka: p.t.: Resim-pitiavana tafahoatra ka malemy sy manaiky lembenana tsy afa-manohitra, renoka amin'ny fitiavana. - t.i.f. : Ronahina, aronaka, voaronaka / mandronaka, fandronaka, mpandronaka 1 andronahana, fandronahana / mironaka, fironaka, mpironaka / ironahana, fironahana / mahaxonaka 1 ronadronaka. Ahitsio
Rondra: a.: Zavamaniry manitra (Hydrostachys imbricata). Ahitsio
Rondra: ft.: Fahatezerana tafahoatra, tsy fahatsindrian-tsaina miteraka fahadalana; filazana na fanaovana fahadaladalana, teny na zavatra tsy voahevitra. - t.i.f.: Mandrondra, fandrondra, mpandrondra / androndrana, fandrondrana / maharondra. Ahitsio
Rondrarondra: a.: Toetran'ny zavatra mirazorazo, toy ny volon-doha lava, ny hazo be ravina sy maro rantsana milonjehitra... * t.i.f.: Arondrarondra / mirondrarondra, firondrarondra. Ahitsio
Rondrika: (Btl) p.t.: Karazantandrok'omby miolaka amin'ny andanin'ny sofina roa. Ahitsio
Rondro: a.: Zavamaneno kilalaon'ankizy tanala izay tsotra dia tsotra: tapa-kazo fisaka apetraka eo ambony lao-na ka velesina amin'ny fipehana hazo anankiroa. Ahitsio
Rondrona: a.: Jer. Teko. Ahitsio
Rondrorondro: a.: Fivindimbindina, fibinabinaky ny tarehy aman'endrika. * t.i.f.: Mirondrorondro. Ahitsio
Rongaronga: a.: Fitomboana haingana, faharorohana ao anatin'ny fotoana tsy ela. • t. t. f. : Arongaronga / mirongaronga, firongaronga, mpirongaronga. Ahitsio
Rongatra: ft.: Fivoahana indray miaraka, fitroarana hivoaka ny vala, fihoarana ny fefy. * t.i.f.: Arongatra, voarongatra, tafarongatra 1 mandrongatra, fandrongatra, mpandrongatra I androngatana, fandrongatana 1 mirongatra, firongatra, mpirongatra / irongatana, firongatana / maharongatra / rongadrongatra / misarongatra. Ahitsio
Rongirongy: a.: Kiry, di-doha, tohika, fanaovana am-botraika na an-ditra. * t.i.f. : Tafarongirongy / mirongirongy, firongirongy, mpirongirongy 1 irongirongiana, firongirongiana 1 maharongirongy. Ahitsio
Rongo: a.: Izay rehetra atao amin'ny sisin-damba, eo amin'ny lohany roa, toy ny kofehy, vakana, sns... * t.i.f.: Rongoana, arongo, voarongo, tafarongo / mandrongo, fandrongo, mpandrongo / androngoana, fandrongoana 1 mirongo, firongo, mpirongo / irongoana, firongoana / maharongo. Ahitsio