Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sosona: a.: Zavatra atao ao anatin'ny zavatra hafa iray hanatevina azy: Asiuy sosona ny kapaotiko fa mangatsiaka ny andro. ? Laharana faharoa amin'ny zavatra iray: Vavahady roa sosona. - t.i.f.: Sosonana, asosona, voasosona, sinosona / manosona, fanosona, mpanosona / anosonana, fanosonana / mifanosona / misosona, fisosona, mpisosona / isosonana, fisosonana / mahasosona / sosontsosona. * F.-p.: Soso-nify: enti-milaza olona misy sosona ny nifiny, izany hoe misy hafa manampy toa milahatra amin'ilay nifiny ao anatiny. Ahitsio
Sosonana: (sosona) mt, ih. (sosony): Asiana sosony: Sosony ny lamba firakotrao. Ahitsio
Sosorina: (sosotra) mt. ih. (sosory): Atao tonga sosotra: Nososoriny aho nefa izaho tsy naninona azy akory. Ahitsio
Sosososo: a.: Fidirana tsy miahotrahotra na misalasala; fandroso sahisahy tsy am-pihambahambana; famindra na fandeha misasasasa manatona. - t.i.f. : Asosososo, voasosososo, tafasosososo / misosososo, fisosososo, mpisosososo / isosososoana, fisosososoana / mahasosososo. Ahitsio
Sosotra: p. t.: Tsy faly, na tafintohina, ka hita eny amin' ny endrika izany tsy fahafaliana izany: Sosotra tamiko i dada fa tsy nahatonga hafatra aho. i Sosorina, asosotra / manasosotra, fanasosotra, mpanasosotra / anasosorana, fanasosorana / mahasosotra / sosotsosotra. ¶ M. h. : Malonilony, letra, lotika, sendaotra, tezitra, kirikirina, mandongilongy, madikidiky, marikoriko, Mahasosotra, mahalonilony, mahakamo, mahaletra, mahasendaotra, mampandongilongy, mahatezitra, mahadikidiky, maharikoriko, vodisetroka. Ahitsio
Sosy: p. t.: Sompatra, mitady izay hanimbana ny sasany: Ravao iny koa sosy mahasoso tra. - t.i.f. : Misosy. Ahitsio
Sotasota: a.: Ady, fanditra, fifandirana, fanjihitra, fifanjihirana: Miki sotasota foana io uehivavy io. * t.i.f. : Misotasota, fisotasota, mpisotasota / isotasotana, fisotasotana. ¶ M. h.: Mila sotasota, mila ady, mita vaniny, mila tonony, mila kisa, mila antsongony, mila antsontsany, mi-la voatsiary. Ahitsio
Sotisoty: a.: Loto mitsaporetika amin'ny fitafiana na endrika. * t.i.f.: Misotisoty, fisotisoty, mpisotisoty / isotisotiana, fisotisotiana. Ahitsio
Sotitihana: (sotitika) mt.ih. (sotitiho): Lotoina: Aza sotitihana toy izao ity akanjonao uaouao! Ahitsio
Sotitika: a.: Loto na menamenaka eny amin'ny tarehy na amin'ny fitafiana na eran'ny trano. * t.i.f.: Sotitihana, asotitika, voasotitika / manasotitika, fanasotitika, mpanasotitika / anasotitihana, fanasotitihana / misotitika, fisotitika, mpisotitika / isotitihana, fisotitihana / mahasotitika / sotitiditika. Ahitsio
Sotrasotra: a.: Fomba fihinana mambosibosika. - t.i.f.: Misotrasotra, fisotrasotra, mpisotrasotra / isotrasotrana, fisotrasotrana. Ahitsio
Sotrisotry: a.: Anjonanjona, haitraitra, kiry, tohika. - t.i.f. : Misotrisotry, fisotrisotry, mpisotrisotry / isotrisotriana, fisotrisotriana. Ahitsio
Sotro: a.: Fitaovana misy keoka ny atiny ary mivohitra ny ivelany itondrana ny vary na ny rano any am-bava: Misy sotro vy, misy sotro hazo. Ahitsio
Sotro: a.: Fitelemana rano na ranon-javatra; goka; fitrohana rano amin'ny vava ka atelina: Ataovy toy ny sotro ranon'akoho: ny kely azo iandrandrana (ohab. enti-milaza ny tokony hankasitrahana an'Andriamanitra amin' izay soa omeny, na dia kely aza). - t.i.f.: Sotroina, voasotro, sinotro / misotro, fisotro, mpisotro / isotroana, fisotroana / mahasotro / sotrosotro. - F.-p.: Sotro asisika: kiry tsy azo fefena tsy hanao izay tiany. Ahitsio
Sotrobe: a.: Sotro lehibe fandoarana ny sakafo avy ao am-bilany. * Ohab.: Manao sotrobe lava ~ tango: mahay atsy, mahay aroa: manao izay hifankahazoana resaka amin'olona na antokon'olona roa mifanohitra na tsy mitovy hevitra, mihatsaravelatsihy. Ahitsio
Sotroina: (sotro) mt. ih. (sotroy): (rano) Entina ao am-bava na trohina amin'ny va-va dia atelina: Sotroy ny fanafod y. Ahitsio
Sotrorovitra: a.: Jer. Forosety. Ahitsio
Sotry: (t. tr. ) a. : Loza, antambo. Ahitsio
Sotry: a.: Teny tsy fampiasa raha tsy miaraka amin'ny Vono, ka ny vono sotry dia nilazana fàhiny ny fampisotroana tangena ny akoho mba hahafantarana na meloka na tsia ilay tompony. Ahitsio
Sôva: (Tsm) a.: Karazan-tononkalo tsimihety mitsikera toe-javatra iray na mitantara toe-javatra iray (oh. sôva momba ny nahazoan'ny Vazaha ny tany) amin'ny teny mirindra matetika miady ri-ma. Ahitsio