Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sabora: Mitovy amin'ny Jabora. Ahitsio
Sabotraka: a.: Ahitra maniry any anaty rano, fanao rary tsihy na harona na satroka. Ahitsio
Sabotrehina: (sabotrika) mt. ih. (sabotreho): Mbombana tsara, kobonkobonina fatratra, rotsirotsina. Ahitsio
Sabotrika: ft.: Asa ataon'ny reny mambomba na mandrotsirotsy na manolokolo ny zanany. - t.i.f.: Sabotrehina / manasabotrika, fanasabotrika, mpanasabotrika / anasabotrehana, fanasabotrehana 1 misabotrika, fisabotrika, mpisabotrika / isabotrehana, fisabotrehana 1 mahasabotrika 1 sabotribotrika. Ahitsio
Sabotsy: na Asabotsy (izaymarimarina kokoa) a.: Andro fahenina amin'ny herinandro, manaraka ny zomà ary mialoha ny alahady; andin fahatelo kosa izy teo amin' ny ntaolo malagasy. Ahitsio
Sada: p. t.: Enti-milaza loko roa volo ka ny iray fotsy: Sa-da mainty: fotsy sy mainty; soda mena: fotsy sy mena. * Ohab.: Vangauanga mana-na endrika, sadasada manantsoratra: enti-milaza olona tsy dia marin-toetra loatra (lazaina hoe sada roa volo, nefa manan-tsoratra betsaka lavitra). Ahitsio
Sadaika: na Sadaikatra p. t.: Misalasala sy mihazohazo eo am-panaovan-javatra na eo am-pitenenana, sanganehana: Sadaikatra aho ity fa handroso, maty raibe, hihemotra maty renibe. • TsY mahita izay hatao, misalasala noho ny henatra na tahotra: Sadaikatra aho hiteny eo imason'ireo olona betsaka ireo. - t.i.f.: Mahasadaikatra. Ahitsio
Sadaka: Sadakadaka p. t.: Jar. Dakadaka. Ahitsio
Sadakely: a.: Angaka madinika. Ahitsio
Sadalefitra: (angl. side left) a.: Baiko-miararnila enti-milaza manendro havia. Ahitsio
Sadaraitra: (angl. side right) a.: Baiko-miaramila enti-milaza manendro havanana. Ahitsio
Sadia: na Sadika a.: Salaka; lamba nahodidina ny valahana dia natao toy ny salaka. i t.i.f• : Sadikaina, asadika, voasadika, tafasadika 1 manasadika, fanasadika, mpanasadika / anasadikana, fanasadikana 1 misadika, fisadika, mpisadika / isadikana, fisadikana 1 mahasadika / sadikadika. Ahitsio
Sadiadiaka: a.: Lamba natao tamin'ny rofia vaventiventy. Ahitsio
Sadikaina: (sadika) mt. ih. (sadikao): Hodidinina (lamba) ny valahana. Ahitsio
Sadoda: na Sadodo (BU) a.: Ombikely botrefona. Ahitsio
Sady: Sady... No ppt.: Ary koa: Tsara sady mafy ity hazo ity. / Sady tsara no mafy ity hazo ity. • Fanampin' izany, tsy izany ihany fa...: Mahafinaritra ahy ny uolon' io hazo io, sady mora ny uid in y. Ahitsio
Safaray: a.: Laharan-tsikidy fahadimy ambin'ny foin ka ny heviny dia "lalana". Ahitsio
Safarina: (safary) mt. ih. (safario): Asiana safary, asana olakola-teny mba hanalavana taris na hanarinariana dia: Aza safarinao amin'ny ohabolana sy hain-teny ny resaka, Randrenja a (Kilalaon' afo — R.R.-R). Ahitsio
Safary: a.: Teny misafelipelika handroboana ny sasany; olakola-teny mba hanalavana ta-ria: Aza be safary eo ianao fa izay heuitrao ambara. - t.i.f.: Safarina, asafary, voasafary 1 misafary, fisafary, mpisafaxy 1 isafariana, fisafariana / mahasafary / safarifary. - F.-p.: Tia ihany ka be safary: miolakolaka ohatra ny mody tsy tia, kanefa tia fatratra. ¶ M. h.: Saroro. Ahitsio
Safatsiroa: p. t.: (isa fa tsy roa): Tsy manam-paharoa, tsy misy toa azy, ka enti-milaza hatsarana na haratsiana mihoatra noho ny hafa: Safatsiroa ny hakingan'ilay olona nandeha teo ambony tacts,. Ahitsio