Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sarivy:(fr. servir) a.: Fanampiana ny pretra amin'ny fanaovana lamesa. - t.i.f.: Misarivy, fisarivy, mpisarivy / mahasarivy. Ahitsio
Sarobabay: a.: (taloha) Teny fanaon'izay notinendry hanondro ny olona hampisotroina tangena — (ankehitriny) teny ampiasaina ho toy ny fialan-tsiny fa hilaza zavatra mety hahavoa olona vitsivitsy amin'ny betsaka izay eo. Ahitsio
Sarobidy: p.t.: Ambony vidy, tsy fahita matetika: Metaly sarobidy ny uolamena. • h. o.: Lehibe, mamy indrindra: Sarobidy amiko ny fifankatiauantsika. Ahitsio
Sarona: a.: Zavatra atao eo ambony zavatra iray hafa mba hanakonana tsy ho hita an' izay ao anatiny: Aiza ny saron'ity tavy ity? 1 Zavatra toy ny lamba atao handrakofana ny loba, ny tava: Sarondoha. / Nanao saron-tava ilay mpangalatra ka tsy aisy nahafontatra azy. 1 p. t.: Tra-tehaka na voahodidina tsy afamikofoka handositra: Sarona tao anaty lohasaha ny fahaualo. - t.i.f.: Saronana, asarona, voasarona / manarona, fanarona, mpanarona / anaronana, fanaronana / misarona, fisarona, mpisarona I isaronana, fisaronana / mahasarona / sarontsarona. - F.-p.: Saronan-karona: harona roa mifanarona natao solom-bata na fitahirizana ny kanonkanona. Ahitsio
Saronana: (sarona) mt. ih. (sarony): Asiana sarona na rakotra: Sarony ny vary sao mangatsiaka. 1 Asiana lamba na zavatra hafa mba hanakonana azy: Mbola saronana aloha ny mpanao fampitaha vao aseho ho hitan'ny be sy ny maro. 1 h,o.: a) Tsy avela hiseho, afenina: Aza saronana ny tsara ataon'ny olona. b) Hodidinina: Nosaronan'ny miaramila ny fahaualo ha tratra. Ahitsio
Saronankarona: a.: Harona roa mifanarona atao fitoerandamba na akanjo mivalona. Ahitsio
Sarongatra: a.: Fihetsika tsy azo tonena fa mitroatra amim-pahatairana. ? Hatezerana mangotrakotraka. - t.i.f.: Tafasarongatra / misarongatra, fisarongatra, mpisarongatra / isarongatana, fisarongatana / mahasarongatra. Ahitsio
Saroro: a.: Teny mandrendrika, atao mba hahazoana marnerivery dia ka hisiam-potoana hanamasahana ny tetika hamelezana: Mitandrema ianao fa olona be saroro Rangahy in y. - t.i.f.: Saroroina, asaroro, voasaroro / misaroro, fisaroro, mplsaroro / isaroroana, fisaroroana / mahasaroro / saroroIOro. Ahitsio
Sarorobe: a.: Famitahana amimpahakingana. Ahitsio
Saroroina: (saroro) mt. ih. (saroroy): Fitahina amin-kafetsena: Sono no in Ikotofetsy sy Imahakà daholo izay sendra azy, Ahitsio
Sarotiny: (sarotra) p. t.: Sarotra falifaliana fa toa mahita hokianina lalandava: Tsy tiako maizina io mpampianatra io fa sarotiny izaitsizy rehefa manadina. • Mora mahatsiaro, mora an dairana: Sarotinkatsiaka ity zaza ity. / Sarotin'alahelo. Ahitsio
Sarotra: p.t.: Tsy mora ny fanaovana azy, manahirana: Asa sarotra. / Sarotra ny mampiditra io farafara lehibe io amin'ity varavarankely ity. * Sarotiny, mahihitra, tia tena: Sarotra izy raha hanome. * Ilazana olona tia hanina loatra, ka tsy mizara na ahazoana potiny kely akory: Nafenin'ity Rangahy sarotra tao anaty satrony, hono, ny voanjo mahamay mba tsy ho hitan-janany. ? Mampidi-doza: Sarotra ny maniny ny mpitondra. ? Lafo vidy: Sarotra ny vary izao. ¶ M.h.: Lafo, hangana, hentona. - t.i.f.: Hasarotina 1 manasarotra, fanasarotra, mpanasarotra J anasarotana, fanasarotana 1 mankasarotra J ankasarotina J sarotsarotra 1 hasarotana, fahasarotana 1 hasarotra, fahasarotra J ankasarotana 1 sarotiny. - F.-p,: Maka sarotra; mana-no sarotra: sahirana er?. J Saro-belomina: ilazana ny feon-javamaneno efa nikorontana sy niova feo. / Sarobidy: zava-dafo sy be vidy, lafo tsy ahitana betsaka, ambony vidy. / Saro-diasana: manahirana ny mandimby azy satria nahay ny asany loatra izy ka sao tsy mahatoraka azy izay misolo azy. J Saro-drano: tanimbary avo toerana ka tsy tratran'ny rano raha tsy efa faramparany ; tanana lavi-pantsakana. J Sarojavatra: toerana tsy misy izay ilaina loatra, olona tia tena mihidihidy amin'izay ananany. / Saro-kanina: tanàna na toerana tsy misy sakafo loatra ka saro-tadiavina ny hanina ilaina. / Saro-katsiaka: andairan-katsiaka, toerana mamirifiry. /Saro-kenatra: olona menatra vetivety, mora tsy mahajery olona raha vao misy zavatra mikasika azy. / Saro-kitikitika na sarokibokibo: mora mihomehy na mitsamboatra raha voakasika na voatohina ny ao ambany heliny. J Saro-manta: olona toy ny tsy henina raha mbola manta ny sakafo, nefa tsy mahomby nony masaka./ Saro-miala: entina milaza zavatra mafy orina tsy azo alana, na toe-javatra manahirana misy ny tena. J Saromihafy, saro-miory: efa niadana ka tonga sahirana nony tojo ny tsy fahampiana. / Saro-nara: sarotin-katsiaka. J Saro-noana: mora reraka, tsy mahari-noana. / Saro-pady: zavatra tsy azo kasihina, tsy azo anaovana kitoatoa. J Saro-pandry: mitsipatsipaka sy mitsivalambalam-pandry rehefa matory fa tsy ohatra ny olona rehetra. J Saro-piaro: sarotiny izaitsizy amin'ny zavatra ananany, izay tandremany sy arovany fatratra, tsy zarazarainy amin'ny hafa. J Saro-po: mora tezitra, mora sendaotra. J Saro-posaina: raha tenenina dia iny mitranga. J Saro-tahotra: kanosa sy mora mihorohoro vetivety monja. J Saro-tiana: tsy mahalala ny fitiavana azy fa hamaivaniny izay atao aminy rehetra. J Saro-toerana: olona na zavatra eo amin'ny toerana mitsingilahila mety hahitan-doza sy fahavoazana. J Sarotra an-kanina: (jer. hanina). / Sarotra alina: enti-milaza ireo aretina sasany, izay amin'ny alina vao tena mihamafy, nefa ny antoandro tsy dia maninona loatra. J Sarotra avadika: tsy tsara hasian-dratsy noho ny hatsaram-panahiny na ny valifaty mety hitranga. J Sarotra entina: enti-milaza ireo olona sarotiny amin'ny fikarakarana atao aminy, fa manome tsiny foana izy amin'izay atao aminy. / Sarotra ny taona: lafo ny vidim-piainana amin'io taona io. J Sarotra omena: tsy faly amin'izay atolotra azy, fa mimenomenona hatrany. Ahitsio
Sarotro: a: Aro orana vita amin'ny tsihy roa izay samy avitrana eo amin'ny lavany iray sy sakany iray ka ny sakany mivitrana no manarona ny loha; ny sarotro dia ampiasain'ny mpiandry omby indrind a ataony kapaotin' orana. Ahitsio
Sarotsarotiny: kizitina sy sarotra ifampiraharahana. / Sarotim-parasy: tsy mahita tory raha vao misy parasy. / Sarotin'ny miaina: enti-milaza olona sarotra ifampiraharahana, sarotra iaraha-monina. / Sarotin'ny tory: matory feizay. / Sarotin-tsemboka: mora tsemboka. / Saro tin- tse trok a : tsy mahazaka setroka. / Sarotin' alahelo: feno fihetseham-po ka raha vao mahita na mandre fahoriana dia izy no feno avy hatrany. * Ohab.: Sarotin'alahelo ka no tia tsiry fosana: enti-milaza olona sarotin-javatra iray, nefa dia fatra-panao io zavatra io indrindra; "tsy tia ady ka no misahato olona", "sarotin-doiloy, ka no mihinampatsa manta!" ¶ M.h.: Sarotsarotiny, kitoina, kitokitoina, ketoketoina, mihalontralona, sarotra iarahana, sarotra entina, be laonina, be angeso, be pitsony, be antsipiriany, zanakalo, mararin-javatra, mitsongo teny maharary, tia vezovezo, tia gedrogedro, saro-tiana toa landy mohaka, malailay fonosana toa fary. Ahitsio
Sary: a.: Fakan-tahaka zavatra anankiray amin'ny soritsoritra misy loko na tsia, izay sahala mifandraika amin'ilay zavatra: Misy sarin'ny trano fianaranay ato amin'ity boky ity. - t.i.f.: Misary. • F.-p.: Maka sary: fanaovana sary na soratsoratra mifandraika amin'ny zavatra iray; na mampiasa ny fakantsary. / Sarim-bauy: lehilahy manao ny fombafomban'ny vehivavy, na eo amin'nY fitafiana amam-pihetsika na eo amin'ny fiteny amam-Panao. j Sarin-dahy: vehivavy manao ny fombafomban'ny lehilahy, na eo amin'ny fitafiana amam-pihetsika na eo amin'nY fiteny amam-Panao. $ar / Sari-monina: ilazana ireo vahiny efa mitoetra maharitra eo amin'ny vohitra iray. / Sarin-dokotra: ilazana ny zanaky ny dokotra sy ny ganagana; anambarana koa ny zanaky ny olona roa samy hafa firenena (safiotra). / Sarin-domano: fanaovana fihetsika toy ny milomano; ilazana koa ny hafetsena sy olakolaka entina mitana amin' ny famotorana. / Sari-ngita: volo namboarina sy naolana ho toy ny ngita. / Sarintany: ny sarin'ny tany natao amin' ny tsipika manaradrefy. Ahitsio
Sary: ft.: Asa ataon'izay misa-fo na mitsapa zavatra na toetran'olona amin'ny fanaovana an-tsafelika. - t.i.f.: Sarina, voasary / misary, fisary, mpisary / isariana, fisariana I mahasarY 1 sarisary. Ahitsio
Sasa: a.: Fanesorana ny loto, fanadiovana amin'ny rano. i t.i.f.: Sasana, asasa, voasasa, sinasa 1 manasa, fanasa, mpanasa 1 anasana, fanasana 1 misasa, fisasa, mpisasa 1 isasana, fisasana 1 mahasasa 1 sasasasa. ¶ M.h.: Ozana, saingy io tsy fampiasa firy afa-tsy amin' ny tanana, tongotra, tava, vilany sy vilia. Ahitsio
Sasahina: (sasaka) mt, ih. (sasaho): Zaraina roa mitovy: Sasaho ity vary ity hanomezantsika an-dry Ikoto atsy avaratra fa tsy nahazo vary, hono, izy. Ahitsio
Sasaka: a.: Ny ilany ihany amin'ny zavatra anankiray nozaraina roa mitovy: Vary sasaka ny rano entina mihazakazaka (ny fampiasa matetika anefa dia ny hoe: antsasaka, antsasany). - t.i.f.: Sasahina, voasasaka, sinasaka 1 manasaka, fanasaka, mpanasaka 1 misasaka, fisasaka, mpisasaka 1 isasahana, fisasahana 1 mahasasaka / sasatsasaka. - F.-p.: Sasa-pahadimy: halavan-drefy mitovy amin'ny refy roa sy sasany (ny fahadimy dia dimy refy, ka ny antsasak'io roa sy sasany). / Avo sasaka: habetsahana na hamaroana mitovy amin'ny ilay efa eo. * Ohab.: Avo sasaka ohatra ny akoho tokana anaka. / Maty sasaka, very sasaka: maty na very ny antsasany. / Sasak'aiina: amin'ny roa ambin'ny folo alina. Ahitsio
Sasana: (sasa) mt. a. (sasao): Diovina amin'ny rano: Sasao ny tongotrao rehefa avy milalao. Ahitsio