Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sasanangy: a.: Ampahatelon' ny ariary taloha, izany hoe lasiray sy kirobo sy lavoamena (1Fr 60). - F.-p.: Sasanangy samy ha-fa: enti-milaza karazan-javatra roa tsy mitovy ka tsy azo ampitahaina. Ahitsio
Sasarina: (sasatra) mt, ih. (sasaro): Atao izay hahasasatra: Aza sasarinao amin'ny hazakazaka ny zanako. Ahitsio
Sasasasa: a.: Feon'ny orana avy na ny rano mandeha haingana amin'ny fikorianany. - t.i.f.: Misasasasa, fisasasasa. Ahitsio
Sasatra: p. t.: Mahatsiaro ny te-na ho tsy manan-kery, noho ny asa mafy natao: Sasatry ny asa tany Rakoto ka vao tonga dia nidaboka. ? Sosotra: Sasa-miandry azy aho. Ter. Valaka. — 1 t.i.f.: Sasarina, voasasatra, sinasatra / manasatra, fanasatra, mpanasatra / anasarana, fanasarana 1 misasatra, fisasatra, mpisasatra / mahasasatra / sasatsasatra / hasasarana, fahasasarana. Ahitsio
Sasina: (sasy) mt. ih. (sasio): Asiana sasiny: Aza sasina ny resaka, raondriana. Ahitsio
Saso: a.: Safosafo malefaka, teny mamy fanojikojena, fitsapana ny hevitry ny sasany. - t.i.f.: Sasoina, asaso, voasaso, sinaso 1 misaso, fisaso, mpisaso 1 isasoana, fisasoana 1 mahasaso / sasosaso. Ahitsio
Sasoina: (saso) mt. ih. (sasoy): Angolena, kojikojena. Ahitsio
Sasy: a.: Jer. Raloba. Ahitsio
Sasy: a.: Fanaovana kely mialoha sahady izay atao, ho fanomanana sy fandantolantoana: Aza be sasiny rehefa hiteny, fa avy hatrany dia vantano. 6 Sasina, asasy, voasasy, sinasy 1 misasy, fisasy, mpisasy 1 isasiana, fisasiana. - F.-p. : Sasin-ten y: teny mialoha, ala saron-teny. J Sasinkira: feo-mozika mialoha ny tena hira. J Sasin-tehaka: tehaka sy feo tsy misy tonony, alohan'ny hanombohana ny hira na dihy. ¶ M.h.: Sasin-teny, teny mialoha, tari-dresaka, vaky saron-teny, sava lalana, sava ranonando, tsetsatsetsa tsy aritra, famahavahandresaka, ala saron-teny. Ahitsio
Sasy: a.: Rira fiandrasam-paty. ¶ M. h.: Bazeha, raloba. Ahitsio
Sata: a.: Fomba, fanao efa rai-}titra ela, fomban-drazana: Sata samy manana, ka aoka tsy hisy hifanaratsy. ? Didy na baiko: Tanin'andriana tian-konenana, ary satan'andriana tsy harahina? • Zo: Tamin'ny taona 1960 no niverenan'ny satan'i Madagasikara. - t.i.f.: Satasata, tafasatasata, mpisatasata 1 misatasata, fisatasata 1 isatasatana, fisatasatana j mahasatasata. Ahitsio
Satana: (fr. satan) a.: Ny demony. Ahitsio
Satasata: a.: Fiavonavonana, fianjonanjonana. Ahitsio
Satokoa: (Atm) a.: Fefy famandriham-biby tokana; raha vao tafiditra ao ny biby, dia milatsaka ny hidiny ary dia mihinana ny hanim-pandrika napetraka ao ilay biby (mangahazo no hanim-pandrika ho an'ny lambo). Ahitsio
Satrahana: a.: Fakan-kazo fisaka fanao ampinga na sahafa. • Ireo zavatra fisaka roa boribory izay manosika ny rivotra amin'ny tafoforan'ny mpanefy. Ahitsio
Satrana: a.: Feon-kira fohifohy atao ho toy ny andrana na sasin-kira raha mitendry lokanga na valiha: Satram-baiiha. - t.i.f.: Satranina, satranana, voasatrana 1 manatrana, fanatrana, mpanatrana ( anatrahana, fanatrahana 1 misatrana, fisatrana, mpisatrana / isatranana, fisatranana J mahasatrana 1 satrantsatrana. - F.-p.: Satram-bauiny: ny ilan'ny langorony izay pehina fotsiny amin'ny tanana an-kavia. J Satran-dahiny: ny ilan'ny langorony izay pehina amin'ny fivelezana. Ahitsio
Satrana: a.: Karazan-kazo izay fisaka misandrahaka ny raviny, anaovan'ny olona trano itoerana sy rariny ho tsihy na harona. Ahitsio
Satranina: na Satranana (satrana) mt, ih. (satrano): (zavamaneno) Andramana alohan' ny hanomboka. • Asiana satrana. Ahitsio
Satrasatra: a.: Fiainana misefosefo sahala amin'ny voan' ny sohihina; fiainana sempotra sy tery raha miaina, sady mananosarotra. - t.i.f.: Misatrasatra, fisatrasatra, mpisatrasatra / isatrasatrana, fisatrasatrana. Ahitsio
Satria: ppt. feh.: Enti-milaza antony nahatonga zavatra iray: Narary izy satria nihinam-boankazo manta. Ahitsio