Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Safotra: p. t.: Rendrika ao anaty...; tototra ao anaty...: Safotry ny rano ny tanimbolinay tamin'ny fahavaratra lasa teo. ? h.o.: Feno, rakotra, tototra, henika: Safotry ny hafaliana ny reniko nahita ahy tafaverina. / Safo-kenatra izy namakivaky ireo olona maro be teo an-tokotaniny. ? Tsy mahatsiaro tena na very saina noho ny fangirifiriana vokatr'aretina na noho ny fihetsehampo be loatra: Notenenin-drainy mafy izy dia safotra foana tao. * t.i.f.: Saforana, asafotra, voasafotra / manafotra, fanafotra, mpanafotra / anaforana, fanaforana / mahasafotra. - F.-p.: Safo-drano: fihoaran'ny rano ivelan'ny masondrano noho ny habetsahan'ny orana ka mahatonga azy hihanaka eran'ny manodidina. / Safo-drazana: lambamena arakotra faty mitandahatra ho solon-dambampamadihana ho azy ireo. / Safo-drorohany: ny jabora mandrakotra ny rorohan' omby. / Safononoka: feno hatreny amin'ny molony. / Safo-tany: aretina tsy dia manahoana loatra nefa mahavoa ny olon-drehetra. ¶ M. h.: Po-tany. Ahitsio
Safovava:: Teny milaza hafenoana raha mamatra vary, ohatra, ka mifarana amin' ny vava kapoaka ny vary (jer. avo loha, kapavava). - t.i.f. : Manasaha. Ahitsio
Safy: Safiny a.: Fanampiny, famenony (akanjo). - t.i.f. : Safina, asafy, voasaf y / manasaf y, fanasafy, mpanasafy 1 anasafena, fanasafena / misaf y, fisaf y, mpisaf y / mahasafy 1 safisafy. Ahitsio
Saha: a.: Tany malalaka tsy misy ala na tanàna fa saika fambolena fotsiny (mitovy amin' ny "ambanivohitra" izy amin'ity hevitra ity) : Mahafinaritra fa tsara rivotra ny mipetraka any an-tsaha. ? Tany voavoly somary lehibebe izay saika matetika voafaritra; tanimboly: Kisolosolo tsara ny saham-boalobokay. / Hatreto no ho miantsinanana no misy ny sahanay. * t.i.f. : Antsahabeny, kisahasaha. Ahitsio
Sahabo: p. mt.: Teny enti-milaza habe na isa, na refy, na halavirana, na lanjan-javatra, tsy tena marina fa eo ho eo fotsiny: Sahabo ho valo kilaometatra avy eto no misy ny tanànanay. ¶ M.h.: Tokony, tokotokony ho. Ahitsio
Sahady: p. mt.: Enti-milaza fotoana tsy da., fa haingana tsy tahaka ny nanampoizana azy: Vao volana septambra izao; nefa toa tonga sahady ity ny orana. * t.i.f. : Manahady. Ahitsio
Sahafa: a.: Hazo mitapelaka lehibe, matetika boribory, fanofana vary (misy koa vy na ravina natao hanofana vary ka notondroina mazava tsara hoe: sahafa vy, sahafa harona). - F.-p.: Sahafa volamena: teny ampiasain'ny mpanoratra matetika hilazany an' ohatra ny masoandro. Ahitsio
Sahala: p. t.: Enti-milaza fitoviana ara-bidy, lanja...: Mandehana amin'izao ianareo fa efa sahala izao ny anjaranareo. / Mitovy fa tsy sahala ireto satroka roc ireto, be vidy kokoa iroa volombatolalaka iroa. ? ppk.: Sahala amy...: tahaka ny, toy ny: Ny maka tsy miera dia sa-hala amin'ny mangalatra ihan y. - F.-p.: Tsy mahazo an-tsahala: resy. / Tsy manan-tsahala: tsy misy mitovy aminy, ambony dia ambony. ¶ M. h.: Sahalahala, mitovitovy, mifanahantsahana, mifanahatahaka, mifanendrahendra, mifandraidraika, mifandrindrarindra, mifanakaikikaiky, mifanentanentana, mifanendrihendry. Ahitsio
Sahana: a.: Fiandraiketana, fanatrehana asa na raharaha. ? Mitovy amin'ny sakana. * t.i.f. : Sahanina, voasahana / misahana, fisahana, mpisahana / isahanana, fisahanana / mahxsahana / sahantsahana / mifanahantsahana. Ahitsio
Sahanina: (sahana) mt. ih. (sahano): Atao, iandraiketana, vonjena miaraka: Sahaniny avokoa ny zavatra rehetra ka tsy misy vitany tsara. Ahitsio
Sahary: a.: Karazan-damba misy soratsorany ny sisiny. Ahitsio
Sahato: a.: Ozona na ompa mirivirivy. - t.i.f.: Sahatoina, asahato, voasahato / misahato, fisahato, mpisahato / isahatoana, fisahatoana / mahasahato / sahatohato. Ahitsio
Sahatoina: (sahato) mt. ih. (sahatoy): Ozonina. Ahitsio
Sahatra: a.: Karazandrazan'ody mahery famosaviana. Ahitsio
Sahatra: a.: Mitovy amin'ny Fampanonona. Ahitsio
Sahaza: a.: Tahona metaly, matsilotsilo ny lohany, izay manondro ny minitra (sahazabeny) ary ny ora (sahazakeliny) amin'ny famantaranandro: tafahodina tanteraka ny boribory amin'ny famantaranandro ny sahazabeny no mikisaka mahavita ny ampaharoa ambin'ny folony ny sahazakeliny. Ahitsio
Sahaza: p. t.: Antonina, ampy: Sahaza hividianana ireto zavatra rehetra ireto ve ny vola any aminaoF ? Mifanandrify, mifanentana: Nahita raharaha sahaza ny zanakao aho. ? Antonina, mety: Sahaza ho an'ny faralahy tsara lahy ity pataloa ity. - t.i.f.: Manahaza. Ahitsio
Sahazany: (fr. sergent) a.: Anarana nentina nilaza ny miaramila telo voninahitra tamin' ny andro malagasy fahiny. Ahitsio
Sahiaka: p. t.: Fisapisaka sady tsy lalina aty, talesaka mipelapelaka: Vil?a sahiaka. Ahitsio
Sahina: (sahy) mt. ih. (sahio): Ompana, tevatevaina. Ahitsio