Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Siantsiana: ft.: Fiviliana amin' izay tokony ho izy; fahadisoam-pandeha noho ny haitraitra (jer. Siasia). - t.i.f.: Misiantsiana, fisiantsiana, mpisiantsiana 1 fisiantsianana J mahasiantsiana. Ahitsio
Sidikina: Sidikinina (angl. God soue the king) a,: Hiram-pirenena. Ahitsio
Sidina: ft.: Fiakarana amin'ny avo, fisondrotana ambony eny amin'ny habakabaka, fiaingaingana ambony. - t.i.f.: Sidinina, asidina, voasidina, tafasidina / manidina, fanidina, mpanidina / anidinana, fanidinana J misidina, fisidina, mpisidina 1 isidinana, fisidinana / mahasidina / sidintsidina. - F.-p.: Manindao sidina: tsy mahavoa, mivaona any amin' ny tsy izy, manadino hafatra. Ahitsio
Sidindahy: a.: Tovolahy matanjaka be aina. Ahitsio
Sidinina: (sidina) mt, pdr. (sidino): Torahana: Nosidininy saki ilay alika. Ahitsio
Sidintsidina: a.: Karazam-borona mainty ny lamosiny, fotsy ny takibany ary ny volombodiny somary dimbana; mahatratra 16.18 sm ny halavany; ny sidihtsidina dia mivelona amin'ny bibikely ramriasanY amin'ny vavany eny atn-panidfnana. Ahitsio
Sidiny: a.: Tanora: Sidin-dahy. Ahitsio
Sidiona: a.: Karazan-damba. Ahitsio
Sidiondiona: a.: Asa ataon'ny olona mivoivoy ats? sy ar? mba handositra adidy, handositra asa. - t.i.f.: Asidiondiona, tafasidiondiona / manasidiondiona, fanasidiondiona, mpanasidiondiona 1 anasidiondionana, fanasidiondionanal misidiondiona, fisidiondiona, mpisidiondiona 1 isidiondionana, fisidiondionana 1 mahasidiondiona. Ahitsio
Sidira: (fr. cidre) a.: Zavapisotro atao amin'ny ranon'ny paoma avela hiketriketrika. Ahitsio
Sifaka: a.: Karazan-gidro fotsy fa mainty loha. Ahitsio
Sifile: (fr, sifflet) a.: Fitaovana metaly tsofina ka mamoaka feo mafy mikarantsana; kirirloka, tsotsiika. Ahitsio
Siforina: (sifotra) mt ih. (sifory): Angalarina amim-pahakingana. Ahitsio
Sifotra: a.: Biby misy akorany boribory ny vatany ary misy tandrony roa lava ny lohany: Misy karazany maro ny sifotra, fa ao ny sifomainty, ny sifotr'ala, ny sifotr'amboa. - F.-p.: Sifotr'omby: fandraisana ny tandrok'omby amim-pahakingana ka misavily ary mikainkona eny mova tsy ny akoran-tsifotra. / Misifotr'omby: misangy omby, izay raisina ny tandrony ka isavilianana. Ahitsio
Sifotra: a.: Halatralatra madinika atao amim-pahakingana, famitahana tsy mendrika. - t.i.f.: Siforina, voasifotra I misifotra, fisifotra, mpisifotra/ isiforana, fisiforanal mahasifotra I sifotsifotra. Ahitsio
Sigara: (fr. cigare) a.: Ravimparaky voatorotoro mihorona ao anaty taratasy manify ka atao fifoka: Nahaiany si-gara telo pake isan'andro a-ho taloha. Ahitsio
Sihanaka: (Ski) a,: Kamory lalina tsy misy ahitra. Ahitsio
Sihanaka: a.: Foko kelikely manodidina ny farihin'Alaotra, izany hoe amin'ny tany voafaritry ny renirano Benrarivo ambony sy Tampoketsa atsimo (avaratra), ny renirano Mahajamba ambony (andrefana), ary ireo havoana bezanozano sy ny ala (atsinanana). Renivohiny: Ambatondrazaka. Ahitsio
Sikajy: a.: Anaram-bola izay lasiroa sy ilavoamena no sandany (0Fr 60): Sikajy telo (1Fr 80), sikajy dimy (3Fr 00). Ahitsio
Sikidy: a.: Fahaizana mampahalala ny ho avy na manazava ny antony nisian-javatra iray amin'ny alalan'ny fandaharana voan-tsaramaso na voan-kily, izay sarotra dia sarotra ho an'ny tsy niofana amin'izany. (Misy karazany roa ny sikidy, dia ny sikidy joria ary ny sikidy alanana: amin'ny sikidy joria, dia roa karazana ny fipetraky ny voan-javatra, na jama na taraiky, ka apetraka amin'ny laharana roa mifanao ambony sy ambany ny voa ao anaty kitranotrano valo valo avy; ny sikidy alanana kosa, izay sarotra noho ny joria, dia misy kitranotrano 36, izay manao toa sarina efamira telo, fa jama sy taraiky ihany koa no fipetraky ny voa; rehefa voalahany amin' ireo kitranotrano ny voa, ka eo no mahasarotra azy, dia vakin'ny mpisikidy eo ny valin'ny fanontaniana natao taminy). Ahitsio