Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Siontsiona: a.: Fivezivezena ats} sy ar?. tt Fandehanana somary menamenatra fa tsy tanteraka ny nokasaina. - t.i.f.: Asiontsiona, tafasiontsiona 1 misiontsiona, fisiontsiona, mpisiontsiona / isiontsionana, fisiontsionana. Ahitsio
Siosio: a.: Resaka miely sy angambaina, tsahotsaho: Efa re siosio fa handeha ho any andafy ny zanakao. - t.i.f.: Maniosio. Ahitsio
Sira: na Siramanta na Siravato a.: Vongan-javatra fotsifotsy mety levona ao anaty rano, izay manana tsiro manokana masimasina ka atao amin'ny fulmina andrahoina, indrindra ny laoka, mba hanatsara ny tsirony: Tandremo sao be sira ny laoka. ¶ M.h.: Fanasina. ~ h.o.: Ny haingon-teny mandravaka ny teny amin' ny kabary, na resaka ifanaovana: Be sira loatra ny lahatenin'ilay Rangahy, f 1 t.i.f,: Siraina, voasira i manasira f masirasira / masira. Ahitsio
Siraina: (sira) mt. ih. (sirao): Asiana sira: Sirao dieny izao ny laoka fa sao hadino. Ahitsio
Siramamy: a.: Vovo-java-mamy amboarina avy amin'ny fary na ny beteravy ka ampiasaina mba hanome tsiro mamy, indrindra ny zava-pisotro toy ny kafe, dite, ravimboafotsy... Ahitsio
Sirana: a.: Teny ilazana ny faritra amin'ny tenan'ny biby anelanelan'ny lohany sy ny sorony. Ahitsio
Siranandony: a.: Ny hoditra miraviravy amin'ny tratran' ny omby. Ahitsio
Sirao: (fr. sirop) a.: Ranon-javatra mamy dia mamy. Ahitsio
Sirasira: a.: Teny firarian-tsoa ataon'ny reny amin'ny zanany raha manoaka; fiandoham-pitenenana ihany izy io fa ny fitenenana feno dia hoe: Sirasira sakarivo am-bauanao, izay azo adika hoe: Enga anie tsy ho diso sira na sakamalao ny vavanao! Ahitsio
Sirazy: (fr. cirage) a.: Fangaronjavatra miompana amin'ny savoka atao fanadiovana kiraro. Ahitsio
Siritra: a.: Fivalanandrano, amany. (Tsy fampiasa afa-tsy amin'ilay fitenenana hoe "tsy ho tay tsy ho siritra": tsy ho azo antenaina hahavita na inona na inona). Ahitsio
Sisa: a.: Ny kely tafajanona amin'ny be efa lany na efa afaka: Nomen'Ikoto ny saka ny sisany. / Handeha kely izahay aloha, hoy ireto mpiasa, fa rahampitso mamita ny sisa. 1 Ny ambiny: Iny misy vola roanjato; alao amin'iny ny karamanao nitaona vato, ary dia avereno aty amiko ny sisa. ~ Ny tavela tsy voalaza: Andriamanitra no nanao ny olona, ny zavamaniry sy ny sisa, - t.i.f.: Sisana, asisa, voasisa, sinisa / manisa, fanisa, mpanisa / anisana, fanisana / mahasisa. Ahitsio
Sisana: (sisa) mt. ih. (sisao): Enti-milaza zavatra asiana sisa: Tsy nosisany ny laoka ka voatery hividy indray isika. ~ Enti-milaza ny olona amelana sisa: Tongava fa hosisanay vary ianao rahariva. Ahitsio
Sisihana: na Sisifana (sisika) mt. pdr. (sisiho, sisifo): Ampidirana, anatsofohana zavatra, ka matetika somary ankery: Sisihana uy ny uatankazo mba hamakiana azy. / Isan'efa-taona dia sisihana andro iray ny taona ka amin' ny faran 'ny feurie no atao izany. 1 Ampidirana kely: Nosisihako teny kely ho an' i Dadatoa tao amin'ny taratasy nampitondraiko ho an-dRakoto. Ahitsio
Sisika: a.: Zavatra aiditra amin' ny hafa: Asiana sisika ny hazo eo am-panatsofana azy. 4 Fanatsofohana, na fampidlrana: Sisi-bola. 4 Fanaovana zavatra an-ditra na ivelan'ny asa aman-draharaha fanao andavanandro. 4 Zavatra na vola omena Inhibe hanolikolena azy: Tokony hofadina ny monôme sisika ny mpiasam-panjakana. ¶ M.h.: Tsolotra, gaka, kolikoly. - t.i.f.: Sisihana, na sisifana asisika, voasisika, sinisika, tafasisika I manisika, fanisika, mpanisika / anisihana, fanisihana / misisika, fisisika, mpisisika / isisihana, fisisihana 1 mahasisika 1 sisitsisika. Ahitsio
Sisilianina: (fr. sicilien) a.: Ny firenena monina any amin' ny tanin'i Sisily, faritany iray amin'ny tapak'i Italia atsimo: Mahatratra dimy tapitrisa mahery ny isan'ny Sisilianina. 4 p.t.: Momba an'i Sisily, an'i Sisily na avy any Sisily: Misionera sisilianina. Ahitsio
Sisina: na Sisiny a.: Morona: Mipetraka eo an-tsisin-dalana ny mahantra. 4 Ny faritra manodidina: Esory ny sisin' ity lamba ity.I t. i f : Sisinana, asisina, voasisina 1 manantsisina, fanantsisina, mpanantsisina. Ahitsio
Sisina: (sisy) mt. ih. (sisino): Kikisana: Nosisin'ny totozy ny saonjo tao an-dakozia. 4 Ahitsy, atao mahitsy mitovy tantana: Tsy nosisiny tsara ilay hazofisaka ka nivaona. Ahitsio
Sisinana: (sisina) mt. ih. (sisino): (lamba) Asiana sisiny: Sisino dantelina ity akanjomandrinao ity. Ahitsio
Sisivala: (Atm) a,: Tsihy lava-lava kely apetraka eo anjorofirarazana ka atao ho an'ny Razana indrindra sy ny olo-manan-kaja tiana handrianina; raha mivelatra eo an-tokonana anoloan'ny varavarana ny sisivala, dia milaza izany fa ao anaty trano ny Razana ka voarara ny miditra ao. Ahitsio