Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Solika: a.: Menaka avy amin'ny tongotr'omby. • Entina milaza ny fandihin'ny tandrimo na sangodina izay mijoro tsara tsy mihetsika eo ampandihizana. ? Kolikoly entimamitaka. - t.i.f.: Solehina, asolika, voasolika 1 misolika, fisolika, mpisolika 1 isolihana, fisolihana / mahasolika 1 solitsolika. Ahitsio
Solila: a.: Karazan'ahitra mani-pofona misy voniny mavokely na fotsy, maniry eny an-tany mando, nomen'ny ntaolo taloha ny vehivavy bevohoka mba hisorohana ny zava-tsarotra rehetra; izany no nahatonga ilay fitenenana hoe "Izaho tsy mitera-ka no hisotro solila?"; izaho tsy maninon-tsy maninona ve no handeha hisahirana? Ahitsio
Solila: a.: Ilay fisompiranan'ny rindrina somary mivoaka eo akaikin'ny varavarambe na ny varavarankely; fanatsahana na fanasolarana ny riranjavatra hanjary hisompirana. • p.t.: Misompirana, misobilatra: Fandraka soiila. - t.i.f.: Solilana, voasolila 1 manasolila, fanasolila, mpanasolila 1 anasolilana, fanasolilana 1 misolila, fisolila f isolilana, fisolilana 1 mahasolila. Ahitsio
Solila: a.: Karazan-dinta lehibe. Ahitsio
Solilana: (solila) mt. ih. (soli-lao): Atao manjary misompirana, solarana mba hanjary misolampy: Nahoana no nosolilanao ity hazo ityf Ahitsio
Solitany: (solika tany) a.: Ilo avy any anaty tany, izay manan-toetra manokana mety mirehitra ka ampiasaina anaovana jiro, fa indrindra akana lasantsy. (Ny solitany dia manana fofona azy manokana ary maivana kokoa noho ny rano ka mitsinkafona rafla miaraka aminy). Ahitsio
Solitika: p. t.: Lihitra; matimatin'ny... (jer. Litika, salitika). Ahitsio
Solo: a.: Zavatra na olona ampiasaina hanao asa nataon'ny hafa: Rakoto no solon'ny mpampianatra anay lasa. / Lay no natao solon'ny trano. • Olona voatendry hiteny na hanatrika amin'ny anaran'ny hafa (solontena no tena fampiasa amin'io hevitra io): Dia niteny ny solon.' ny lehiben'ny Gouernemarc ta. ? Onitra: Inty misy zauatra kely ho solon'ny bokinao veriko. - t.i.f.: Soloana, asolo, voasolo, sinolo, tafasolo 1 mano-]o, fanolo, mpanolo 1 anoloana, fanoloana 1 misolo, fi-solo, mpisolo I isoloana, fisoloana J mahasolo 1 solosolo. ¶ M.h.: Solontena, solombava, iraka, masoivoho, andrianjahonoany. Teny misy ifandraisany amin'ny Solo: solofo, fara, fara aman-dknby, taranaka, taranjana, tamingana, kolokolo, mpamelo-maso, fanovan' ny maty, vato namelan-kafatra, tarana-boanjo, fokom-boanemba, kolokolo dimbin' ny vary, solofo dimbin'ny ala, akalana silaky ny hazo, papango sasaky ny vorona, vorom-panova hena, fandrotrarana an-tanàna haolo, akanga sisa nanamborana, tapa-porohana sisa tsy may. Ahitsio
Solo: na Soalao (fr. solo) a.: Hiran'olon-tokana. Ahitsio
Soloana: (solo) mt. ih. (soloy): Ovana hafa: Soloy ity penina ity fa mandrangotra. Ahitsio
Solofo: a.: Dimbin-javamaniry mitsiry eo akaikin-dreniny; taroka zavamaniry mitsiry eo amin'ny faka na voditronga indray. ? h.o,: Ny taranaka mandimby: Ireo solofo amam-para. - F.-p.: Solofo dimbin'ny aia: ny ankizy sy ny tanora handimby ireo zokiolona. Ahitsio
Solohoho: a.: Lamba na hoditra afono ny rantsana na ny tanana mba hiaro tsy haratra rehefa maka vilona na mijinja vary. ¶ M.h.: Arorantsana, efi-tanana. Ahitsio
Solohorina: (solohotra) p.t.: Voan'ny solohotra: Zaza solohorina. Ahitsio
Solohoto: a.: Vovoka fotsifotsy ampiarahina amin'ny firaka haninginana ny vifotsy: Ny anareo angaha fitia mifaham-bola... Fa ny anay solohoto amim-piraka ka may miara-mirendrika. (Tselatra) Ahitsio
Solohotra: na Solohitra a.: Aretin'akanjo-nifin'ny ankizy. 1 t.if.: Solohorina. Ahitsio
Solokina: (soloky) mt. ih. (solokio): Fitahina amin'ny fanambakana: NosolokindRangahy iny aho. ? Alaina amim-pitaka: Nosolokiny lahy ny volako! Ahitsio
Soloky: a.: Lainga atao mba hametsena na hangalarana; fitaka; fanambakana: Sotoky no ampiasainy mba hahazoany ny tanimbariko. ? Fanaovana zavatra tsy tena izy fa hafa; hala-danja na hosoka: Nouany ny tarehi-marika tamin'ilay tara(asim-bola, nefa ny ampitso ihany dia tratra ny soloky nataony. - t.i.f.: Solokina, asoloky, voasoloky 1 manoloky, fanoloky, mpanoloky 1 anolokiana, fanolokiana I misoloky, fisoloky, mpisoloky I isolokiana, fisolokiana. Ahitsio
Solomaso: a.: Fitaovana misy fitaratra roa manampy ny maso mba hahita tsaratsara kokoa. Ahitsio
Solombavambahoaka: a.: Olona fidin'ny vahoaka hisolo azy na hitondra ny teniny ao amin'ny Antenimieram-pirenena. Ahitsio
Solombodiakoho: a.: Fanatitra omen'ny zanaka ny ray aman-dreny amin'ny fandroana na amin'ny tonon-taona. Ahitsio