Litera S

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Somampira: p.t.: Iangonan'ny ra ka mitera-mena: Somampira ny masony noho ny hatezerana. Ahitsio
Somangana: a.: Anaran-kazo izay ampiasaina amin'ny fanorana ny hodiny. Ahitsio
Somangy: a.: Hazo madinidinika mamody, fanao ody tomboka na fery ny vodiny. Ahitsio
Somaradimbana: p.t.: Tsy mitovy tantana fa avo sy iva, dembademba be ihany. - t.i.f : Misomaradimbana. Ahitsio
Somarambato: p.t.: (lamba) E-fa ho rovitra ka makarakara, ohatra ny maimay kely (jar. Marambato). Ahitsio
Somaranafo: p.t.: (lamba) Nolelafin'ny afo ka saika may, efa voakasiky ny afo nefa tsy tena may akory. Ahitsio
Somaranantsody: p, t.: Mahia hatsatra. ¶ M,h.: Maranantsody. Ahitsio
Somararetra: p.t.: Osaosa, tsy afaka hanao zavatra haingankaingana noho izy reradreraka. Ahitsio
Somariaka: p.t.: Faly, ravo, mirana: Somariaka er? ry Bozy fa tonga rainy. Ahitsio
Somarisary: p. t.: Maizimaizina, somambisamby. Ahitsio
Somaritaka: p.t.: Mifanjevo maimaika noho ny raharaha mifanosontsosona sy maro; miparitaka tampoka noho ny hatairana: Somaritaka daholo ny mpianatra fa hoe misy mpangala-jaza miafina endrika, hono. - t.i.f.: Misomaritaka. Ahitsio
Somarodoka: sy Somarototra p, t.: Maimaika manao raharaha, somadodoka, mikorobobo. - t.i.f.: Misomarodoka, misomarototra / fisomarodoka, fisomarototra. Ahitsio
Somary: p. mt.: Mody, tsy dia tena: Somary nisafosafo saoka izy tamin'izay. ? Manopy: Somary vony. • Saika... kely: Somary adala izay ny rainy. - F,-p,: Atsimo somary atsinanana: atsimo lasa miantsinanana kely. Ahitsio
Somatroka: p.t.: Vasobasoka, somary mavomavo. Ahitsio
Somatrotroka: p. t.: Misy votrovotro betsaka amin'ny hoditra, indrindra fa eny amin' ny endrika: Asa na nokekerin'ny biby ny tarehiny fa somatrotroka tampoka. 1 Mitatao rahona, na entina hilazana volon'andro izany, na hilazana ny toetran'ny andro aorian'ny fiavian'ny orana, nefa ny rahona mbola manamaizimaizina ny lanitra. - t.i.f•: Misomatrotroka, fisomatrotroka. Ahitsio
Somavosavo: p. t.: Manjavozavo ka tsy tazana tsara; (toetr' andro) manjombona ary tsy mihiratra loatra. ¶ M,h,: Somafosafo. Ahitsio
Somazoka: p.t.: Marisarisa; farofirofy. - t.i.f.: Somazotsazoka. Ahitsio
Somazotsazoka: p.t.: Mavozovozo, malazolazo. Ahitsio
Somba: Fihasimban'ny Simba. Ahitsio
Sombalahivilana: a.: Fisotroantoaka maro karazana indray miaraka. Ahitsio