Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tondritana: (tondritra) mt. ih. (tondrito): Enti-milaza izay anatodihana zavatra iray, anolahana hadisoana. Ahitsio
Tondritra: na Tondrotra a.: Fivonkonan'ny lamosina rehefa mipetraka ka toa tafahoatra mivoaka any ivelany ny fipetrahana; fandrosoan'ny zavatra na fitataovany mankany ivelany. - t.i.f•: Tondritina na tondrotana, atondritra na atondrotra, voatondritra, tafatondritra j manondritra na manondrotra, fanondritra, mpanondritra j anondritana, fanondritana / mifanondritra / mitondritra, fitondritra I mahatondritra. Ahitsio
Tondro: a.: Fanondro: Ny rantsantanana manarakaraka ny ankibe no atao hoe Tondro. 1 Fanondroana: Mahasosotra ahy loatra izay tondro molotra nanaouany ahy izay. 1 t.i.f.: Tondroina, atondro, voatondro, tafatondro j manondro, fanondro, mpanondro / anondroana, fanondroana I mahatondro. • F.-p.: Resy tondro-maso: tsy manana olona mpanohana intsony fa ny ray sy ny reny efa maty na tsy tia. / Tondro miandra reny: zaza na 'zandry miantehitra lava amin-dray aman-dreniny na ny zokiny ka tsy manao ny anjara adidiny. / Tondro mi-la zara: zazavavy miseho ho mazoto mba hahazoany vady. / Tondro molotra: fanondroana olona amin'ny molotra, izay mazàna fihetsika enti-maneso na miam-Panga. / Mahalaia tondro: ilazana ny rano hafanaina rehefa manomboka hafana; matimaty; afa-dranom-p ana-la. Ahitsio
Tondroina: (tondro) mt. ih. (tondroy): Amhara amin'ny fanondro, na ilay olona na zavatra, na ny misy azy: Notondroina fotsiny Rakoto dia nangouitra nihararetra. / Tondroy azy ny auaratra. • Atoro, lazaina: Notondroin' ny fokonolona ho mpangalatra izy ka natolotra ny fanjakana. Ahitsio
Tondromanga: a.: Hazo amin' ny loharindrina mananty ny sokina. Ahitsio
Tondrontondrona: a.: Jer. Tondrantondrana. Ahitsio
Tonena: (tony) mt. ih. (toneo): Ampandrina, tsy avala hitebiteby: Toneo ny saina. Ahitsio
Tonendrina: p, t.: Adaladala, miraikiraiky. - t.i.f.: Mitonendrina, fitonendrina, mpitonendrina j tonendrinendrina. ¶ M.h.: Donendrina. Ahitsio
Tonera: a.: Feon-kira avo ataona feon-dehilahy. Ahitsio
Tonery: a.: Zavatra lanjaina amin'ny hazo sahala amin'ny tehina ka ny ilan'ny hazo ao an-damosina ihany no misy entama fa ny eo anoloana tsindrian'ny tanana fotsiny. ? F.-p.: An-tonery: fomba itondrana zavatra amin'ny hazo tahaka ny voalaza etsy ambony: Ny filanja an-tonery ihany no atao hoe filanja an-kila bao. Ahitsio
Tonga: Misia telo lahy hanampy ahy rahampitso. - F.-p.: Misia ange tsy tonga e: fameperana fatratra mba samy ho avy daholo. / Misy azy ny hatezerany, ny hafaliany: ho lehibe aoka izany ny hatezerany, ny hafaliany amin'izay hiseho. / Misimisia ny tahaka itony: teny entina milaza firariana nymba hiverimberenan'ny toejavatra anankiray mahafinaritra matetika. l Misy kely: enti-milaza olona adaladala. ¶ M. h.: Nahafahana, kaondrana, ondranondranana, tango-man, fondrana, baibo. Ahitsio
Tonga: mt. s.: Mby eo amin' ny to:rana iray naleha: Tonga tany Antsirabe tamin'ny sivy i dadatoa • Manjary: Tonga mpanankarena lahy ilay zazalahy kely faniraka fahiny! ? Mody: Tongaua no fo, tompoko, ny sakafo kely narosonay ho anao! ? mt. ih.: Nentina avy amin' ny toerana iray ho eo amin'ny toerana iray: Tongako daholo ny zavatra nohafaranareo. / Indro tongako eto anatrehanareo ireo olona nasainareo nalaiko. 6 tif: Tongavina / mahatonga / fahatongavana, ahatongavana. - F.-p.: Tonga, dia...: avy hatrany dia...: Tonga dia nambanany basY itay sakaiza. / Tonga elatra: àry eiatra. J Tonga fatra: nahafeno ny famarana tsars. / Tonga feo: ilazana ny akoholahy na ombalahy mby amin'ny taona anenoany na itrenany. / Tonga fetra: tratran' ny fetr'andro: Tonga fetra ny trosako any aminao. / Tonga fomba: àry fomba, tsy misy tsy ao ny zavatra rehetra ilaina maha-izy azy. / Tonga fofona: sakafo andrahoina manomboka handrara-pofona. 1 h. o. :Manomboka ho tezitra. / Tonga ha-ka: voky, letra. / Tonga hery: enti-milaza ny ranon-javatra, toy ny ranom-boaloboka hatao divay, izay navela hamorivory ka mby amin' ny fara hery mety hananany. / Tonga lafatra: lavorary tsara. / Tonga marika: vita ara-ka ny drafitra nanaovana azy. J Tonga nany: enti-milaza ny vovo feno hazandrano hatrany amin'ny vavany. ? h. o.: Olona mpanankarena, tremalahy. / Tonga taona: enti-milaza zazalahy na zazavavy efa ampy taona hanambady. / Tonga volana: zaza feno sivy volana tsara tam-bohoka no teraka. / Tsy tonga uolana: zaza teraka alohan'ny fotoana tokony hahaterahany. ¶ M.h.: Avy, tamy. —Tonga, mingadona, miantefa, tafahatra, tafapaka, tody, tafita, tohatra, mby. Ahitsio
Tongàlika: a: Rojo misy masombolafotsy toa mifampiamboho hatrany, ny iray mitodika miankavia, ny iray mitodika miankavanana. Ahitsio
Tongalika: ft. faharoa (ton-lohalika). - t.i.f.: Atongalika, tafatongalika / manatongalika, fanatongalika, mpanatongalika / anongalihana, fanongalihana / mitongalika, fitongalika, mpitongalika / itongalihana, fitongalihana f mahatongalika. Ahitsio
Tongarivo: a.: Anaram-boahangy misoratsoratra. Ahitsio
Tongavina: (tonga) mt. ih. (tongauy na tongavo): Entimilaza, rehefa miady varotra zavatra, ny vidiny izay tian' ny mpivarotra hotratrarina: Ariary valo no sahiko — Tongauy ariary folo re! Ahitsio
Tongerina: a.: Mitovy amin'ny Tsingerina. Ahitsio
Tongika: a.: Teny ilazana tohizan-doham-balala, na rehefa mety ho tohizan-javatra boribory ka mifanety. ? : amoretana, fampik".anana. 1 Fandrisihana hanao ratsy. - t.i.f.: Atongika, voatongika / manongika, manatongika, fanongika, mpanongika / mitongika, fitongika / mahatongika. Ahitsio
Tongilana: p.t: Tsy mipetraka marina tsara ka mirona amin' ny ilany iray. • h.o,: Voatarika amin'ny ratsy, miangatra. - t.i.f.: Tongilanina, atongilana, voatongilana, tafatongilana / manongilana, fanongilana, mpanongilana / anongilanana, fanongilanana J manatongilana / mitongilana, fitongilana, mpitongilana / mahatongilana. Ahitsio
Tongilanina: (tongilana) mt, ih.: Atao mitongilana. Ahitsio