Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tovanana: (touana) mt. ih. (tovano): Asiana tovana, am-Piana avy ao ambany na avy eo aoriana: Notouanana ilay kofehy uao ampy namatorana ny rata. Ahitsio
Tovevy: a.: Fitongilanana. - t.i.f.: Atovevy, tafatovevy / manatovevy, fanatovevy / anatovevena, fanatovevena 1 mitovevy, fitovevy / mahatovevy. Ahitsio
Tovina: (to) mt. ih. (tovy): Tanterahina: Tous, ny tenindray aman-dreninao, anaka. Ahitsio
Tovo: p.t.: Tanora mbola tsy manambady, izay hita indrindra miaraka amin'ny teny hoe lahy na eau y: (touolahy, tovouauy, jar. ireo teny ireo). - t.i.f: Mitovo, fitovo, mpitovo / itovoana, fitovoana / mahatovo. - F.-p.: Tovom-bositra: omby vositra mbola tanora. / Tovon'antitra: ilazana ny olona miditra eo amin'ny fahalehibeazana ara-taona, nefa mbola mavitribitrika, / Tovon-dahiny: enti-milaza ny tovolahy miandoha ho olon-dehibe. / Touon-jaza: ny zaza mitehina eo amin' ny hatanorana. f Tovon'olona: zatovo lahy na vavy. f Tokan-touo: hazo mitsoroaka lava tsy misy sampantsampana hafa. ,t Ohab.: Mpitovo mananatra ny manana: enti-milaza ny tanora tia manorotoro hevitra, ka izy tsy mbola nitondra tokantrano indray no mba mananatranatra ny efa manambady. Ahitsio
Tovo: a.: Fakana rano ao ampantsakana ho ao anaty siny; famindrana rano tsikelikely ho amin'ny toerana ha-fa. - t.i.f.: Tovozina, atovo, voatovo, tinovo / manovo, fanovo, mpanovo / anovozana, fanovozana / mahatovo. Ahitsio
Tovolahy: a.: Lehilahy tsy mbola manambady no tena heviny ara- pif or onan 'ny teny; nefa ny hevitra ahazoana azy andavanandro dia lehilahy mbola tanora fotsiny, na efa manambady na tsia. Ahitsio
Tovona: a.: Enti-milaza fanampin-javatra eo ambony na eo anoloana; fanampin-javatra mba hahavo azy. + Kian-teny kely fanao eo alohan'ny fototeny: Ny touona "man" dia matetika midika hoe manao. - t.i.f.: Tovonana, atovona, voatovona / manovona, fanovona, mpanovona / anovonana, fanovonana / mitovona, fitovona / mahatovona / tovontovona. ¶ M.h. na misy hevitra ifandraisany: Tovona, tovana, tozana, fanampy, tamby, sanda. Ahitsio
Tovonana: (tovona) mt. ih, (touony): Ampiana avy eo ambony: Tovony ny tranonao fa ira loatra. Ahitsio
Tovotra: p. t.: Mitovy halava amin'ny...: Tovotra olona ny halavany, / Tovotra ny ahy ny tehinao. - t.i.f.: Mahatovotra. Ahitsio
Tovotsandry: a.: Halavan-drefy miala amin'ny ankibe ka miafara amin'ny vavahehka: Ny halauan'ny touotsandry dia mitovy amin'ny telon-jehy. Ahitsio
Tovovavy: a.: Vehivavy tsy mbola manambady, nefs ny heviny andavanandro dia vehivavy mbola tanora fotsiny, na mbola tsy manambady na efa manambady: Amin'izay ny tououavy rehetra mitady zaza dia efa miuory manodidina ny sahafa miandry baiko mba hifarombaka izay ho azony. (Ala volon-jaza) Ahitsio
Tovozina: (touo) mt. ih. (tovozy): (rano) Alaina tsikelikely ka afindra avy ao am-pantsakana ho ao anaty siny: Tovozy amin'ny zinga ny rano. Ahitsio
Tovy: ft.: Fifanahaka, fifandraika. - t.i.f.: Mitovy, fitovy / itoviana, fitoviana 1 mampitovy f ampitovina f ampitoviana, fampitoviana. Ahitsio
Toy: ppk.: Teny enti-milaza: a) Fifanahafana, fifandraikana: Toy ny rainy navela teo ity zaza ity. ¶ M,h.: Tahaka ny; b) Fitoviana ara-panoharana: Mivadibadika toy ny lela may. / Mikiakiaka toy ny adala. • Mody: Manao toy ny mitomany, (Marihina fa raha milaza fifanahafana na fifandraikana ny "toy ny", ny "toa" kosa milaza fitoviam-bldy, lanja, jer. Toa). Ahitsio
Tozana: a: Mitovy amin'ny hoe "Tovana". Ahitsio
Tozo: a.: Faharetana amin'ny asa na dia eo aza ny hasasarana, aretina, sampontsampona isan-karazany. - t.i.f.: Tozoina, voatozo, tinozo, tafatozo J mitozo, fitozo, mpitozo / itozoana, fitozoana / mahatozo / tozotozo. Ahitsio
Tozoina: (tozo) mt. ih. (tozoy): Tohizina miadana tsy mety kivy: Tozoy ny asanao na dia sarotra aza. Ahitsio
Tozozotra: a.: Fandehanana mizotra betsaka mffanao aloha sy aoriana, mitovy amin' ny "Tanjozotra". Ahitsio
Traba: p. t.: Mamo, doroka. Ahitsio
Trabahana: na Trabarana (trabaka) mt. (trabaho, trabaro): Trobahana, tsfndronina higorobaka. Ahitsio