Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Trabaka: a.: Fandentehana zava-maranitra lalina ao anaty nofo na zavatra malemy ha-fa; fanindronana higorobaka. - t.i.f.: Trabahana, trabarana, atrabaka, voatrabaka, tafatrabaka / manatrabaka, fanatrabaka, mpanatrabaka / anatrabahana, fanatrabahana, fanatrabarana / mitrabaka, fitrabaka / itrabahana / mahatrabaka / trabatrabaka. Ahitsio
Trabarana: mt. ih.: Jar. Trabahana. Ahitsio
Traboka: ft. niavian'ny hoe: Matraboka: Matsatso, tsy misy tsirony: Rano matraboka. Ahitsio
Trabotrabo: a. :Havokavok'omby. ¶ M.h.: Trabotrabony, trabotrabon-kena, havokavo-kena. Ahitsio
Trafana: sy Trafantrafana a.: Fihetsika mahery setra misy hatezerana; fitroatroarana; trifana. i t. f.: Trafantrafanina, atrafantrafana, voatrafana, tafatrafana / manatrafana, fanatrafana, mpanatrafana / anatrafantrafanana, fanatrafantrafanana / mitraf ana, fitrafana, mpitrafana / itrafantrafanana, fitrafantrafanana / m ah atraf ana. Ahitsio
Trafantrafanina: (trafana) mt. ih. (trafantrafano): Atao izay hahatezitra. Ahitsio
Trafo: a.: 1) Ilay mivohitra eo an-doha soroky ny karazambiby sasantsasany, toy ny omby, rameva, ans... 2) Fivontosana sampona eo an-damosina ka mahavokoka. 1 h,o.: Zava-tsy misaraka amin'ny tena. - F.-p,: Trafon-kena: hena matrafotrafoka sy matavy eo an-doha soroky ny omby. / Trafon'omby: ilay mivohitra eo an-tsoroky ny omby. * Ohab.: Trafon-kena be rano ka hanina amin'ny laxany: enti-milaza ny zavatra tsara nefa tsy ny tokony ho izy no nandrahoana na nanaovana azy — ilazana ny olo-mahay nefa tsy dia manao ahoana akory ny zavabitany. / Trafon-kena ornemahery: am-bava homana, am-po mieritra: enti-milaza ny zava-tsoa avy amin'ny mahery, ka tokony hodinihina ny antony nanomezany azy; enti-manambara koa fa ny olona mahery (lehibe) no omena zava-tsoa, dia mba ho fanairana ny hambom-pony hahavita zavatra araka ny fahamboniany. Ahitsio
Traho: Trahotraho ft.: Handrohandro efa ho latsaka (orana, ranomaso...). Ahitsio
Traika: p.t.: Betsaka, vokatra, feno. Ahitsio
Traika: a.: Fidonana na fipohana amin-javatra ao ambany ka mihilangilana. - t.i.f.: Atraika, voatraika / mitraika, fitraika / itraikana, fitraikana, itraihana, fitraihana / miantraika, flantraika, mpiantraika / iantraikàna, fiantraikàna I mahatraika / traitraika / miantraitraika. Ahitsio
Traingo: a.: Fikapana amin'ny antsy ny tongo-biby hatreo amin'ny lohalika no ho midi-na. 1 t. f.: Traingoina, voatraingo, trinaingo / manatraingo, mitraingo, fitraingo ( itraingoana, fitraingoana / mahatraingo. Ahitsio
Traingoina: (traingo) mt. ih. (traingoy): Tapahina ny tongony. Ahitsio
Traingovazana: a.: Hozatra amin'ny leferana mampihetsfka ny voditongotra. Ahitsio
Traingy: Mitovy amin'ny Raingiraingy (jer. io teny io). Ahitsio
Traka: (Btl) a.: Anana: Mividy traka. Ahitsio
Traka: a.: Fanarenana ny loha hiatrana tsara. - t.i.f.: Atraka, voatraka, tafatraka / manatraka, fanatraka, mpanatraka / anatrakana, fanatrakana; fanatrahana / mitraka, fitraka, mpitraka / itrahana, fitrahana, fitràkana / mahatraka / tratraka J mitratraka. Ahitsio
Trakitraky: Mitrakitraky p.t.: Mievotrevotra avo, mitringitringy noho ny hahiazana: Trakitraky ny taolan-tratran' io marary io. Ahitsio
Traktera: (fr. tracteur) a.: Masinina natao hitarihana fiasana fambolena na fiotazana. Ahitsio
Traky: p.t.: Lava na mandroso noho ny namany (nify): Traky nify ity zaza ity. Ahitsio
Trama: p. t.: Ngeza, lehibe, indrindra eo amin'ny harena. Tremalahy: olona manankarem-be. ¶ M.h.: Tremalahy, mpanjatobe, komohina, mpanarivo, mpanalina, mpanefohefo, mpanontany ny ory, metroka, matevina, 'retro-ka, tovinjaka, feno tsoka, manam-be hovangoana, mianjady amin'ny fananany, milomano amin'ny harena, miravoravo manana, mihary zaka, mpangoron-karena, saingona, be fofon'aina. Ahitsio