Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsilemita: a.: Anaran-kafa ilazana ny "amboakelin-drano". Ahitsio
Tsileondoza: a.: Karazam-bakana niambozonan'ny olona fahiny na nataony tamin'ny tanany na ny tongony mba hiaro azy amin'ny loza. Ahitsio
Tsililalila: a.: Doladola, tolatola eny am-pandehanana na eo am-pipetrahana. - t.i.f,: Mitsililalila, fitsililalila. Ahitsio
Tsilo: a. Fanazavana. - t.i.f.: Tsilovina, atsilo, voatsilo / mitsilo, fitsilo, mpitsi-10 / itsilovana, fitsilovana / mahatsilo / fanilo / matsilo. Ahitsio
Tsilo: a.: Zavamaniry misy toy ny fanjaitra maso maranitra manindrona eny amin'ny vatany: Mamy tokoa ny voantsilo rehefa masaka tsara. • Ireo zava-maranitra manindrona amin'ilay zavamaniry mihitsy: Alao kely, fa misy tsilo tafiditra ato amin'ny hohoko ato. - t.i.f.: Tsiloina, atsilo, voatsilo / manilo, fanilo, mpanilo ) aniloana, faniloana I tsilotsilo, manilotsilo / mitsilotsilo. Ahitsio
Tsiloina: (tsilo) mt. ih. (tsiloy): Asiana tsilo: Tsiloy ity lalankely ity mba tsy handehanan'ny mpangalatra. • Apetaka amin'ny tsilo: Notsiloiny tamin'ny rindrina ilay sary. • p, t.: Misy tsilony: Biby tsiloina ny sokina. Ahitsio
Tsiloliloly: a.: Fivalanana mitsiranorano maditidity ohatra ny rehoka. - t.i.f.: Mitsiloliloly, fitsilollloly, Ahitsio
Tsilopilopy: a.: Fipipiza-maso; fip endramp en dran -kazavana der. Lopilopy). - t.i.f.: Mitsilopilopy. Ahitsio
Tsilotidotika: p. t.: Maloto.i t.i,f•: Mitsilotidotika, fitsilotidotika. Ahitsio
Tsilovina: (tsilo) mt. ih. (tsilouy): Hazavaina, omena hazavana: Tsilouy ireo ankizy ireo fa ratsy ny lalana. Ahitsio
Tsimahalatsaka: a.: Anarana hafa ilazana ny tsimperifery. Ahitsio
Tsimahatafitena: a.: Anarana ilazana ny tsindrahaka raha mbola kely. Ahitsio
Tsimaho: a.: Anarana karazangidro iray. Ahitsio
Tsimaitompangady: a.: Karazan-javamaniry azo akana loko angana (Indigo fera thymoides). Ahitsio
Tsimamindrahehitra: a.: Bibikely fahita ambany tsihy. 1 Anarana ilazan'ny olona koa ny mamba noho izy tsy afaka mamindra ny nifiny amin' ny remby hafa rehefa manaikitra remby iray. Ahitsio
Tsimandingana: a.: Anarana ilazana ny zipotapa-behivavy tery kely ny ambany. Ahitsio
Tsimandoa: na Tsimandao a,: Iraka mpitondra ny taratasim-panjakana tany ivelany fahizay. Ahitsio
Tsimandravina: a.: Zavamaniry tsy an-dravina toy ny vahinkary. Ahitsio
Tsimaroavaratra: a.: Lamba lasoa mainty. Ahitsio
Tsimatahoposa: (Ski) a.: Bara-rata ladinina mifanizina atao rindrin-trano. Ahitsio