Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsimdelo: a.: Karazan-kazo fanaovan-trano (Calophyilum). Ahitsio
Tsimezaka: a.: Bozaka. Ahitsio
Tsimiasa: a.: Anaram-bositra o-mena ny mpiandry omby any an'efitra. 1 Anaran-tavoahangy lehibe. Ahitsio
Tsimihety: a.: Anaram-poko lehibe monina amin'ny faritra latsaka anivon'ny tanin' ny Antankarana, avaratra; ny Betsimisaraka, atsinanana; ny Sihanaka, atsimo; ary ny Sakalava, andrefana; mihamiitatra miankandrefana ny Tsimihety; tanàn-dehibe: Mandritsara, Bealanana. Ahitsio
Tsimihorirana: a.: Anarana nilazana fahiny ny vehivavy izay manao ho antom-pivelomana ny fivarotan-tena. Ahitsio
Tsimikatona: a.: Haban-tanana, firavaka fanao amin'ny hato-tanana izay tsy mihaona ny tendrony roa. ¶ M.h.: Fehin-tanana na haba, hidivava, hosina. Ahitsio
Tsimilanjavatsy: a.: Anarandamba zandiana misoratsoratra. Ahitsio
Tsimina: a.: Herana voarary sy voalahatra amin'ny vakfn-kazo solom-barivary atao tafontrano. - t.i.f.: Tsiminina, atsimina, voatsimina / manimina, fanimina, mpanimina / animinana, faniminana / mahatsimina. Ahitsio
Tsiminina: (tsimina) mt. ih. (tsimio): Rarina sy alahatra amin'ny varivariny atao tafontrano. Ahitsio
Tsimintsimina: p.t.: Falifaly, ravoravo, mitsikitsiky. - t.i.f.: Atsimintsimina, tafatsimintsimina 1 mitsimintsimina, fitsimintsimina, mpitsimintsimina 1 itsimintsiminana, fitsimintsiminana I mahatsimintsimina. Ahitsio
Tsimirango: a.: Omby lava tandroka. Ahitsio
Tsimiranja: (Tsm) a.: Hazo ahazoana fingotra. Ahitsio
Tsimody: a.: Anarana bibikely. Ahitsio
Tsimoka: a.: Laingon-javamaniry vao mitranga. 1 Fahavakiam-bazan-javamaniry vao mitsiry. - t.i.f.: Tafatsimoka 1 mitai-moka, fitsimoka / itsimohana, fitsimohana 1 mahatsimoka. Ahitsio
Tsimondrimondry: p.t.: Fohy rantsan•tanana, izay sady kely no tsy tonga volana. 1 a.: 1) Olona mitavozavoza, mikisinkisina. 2) Karazan-kazo madinika. Ahitsio
Tsimozimozy: Jer. Mozimozy. Ahitsio
Tsimpandrifandry: p. t.: Tsy mbola vita hentitra tsara. Ahitsio
Tsimparifary: a.: Karazan'ahitra toy ny ahidratsy izay miara-maniry amin'ny vary: "Na hikambana sy hiray ka hivady aza isika, / Tsy hataon'ny olona toy ny tsimparifary sy ny ketsa, / ka mifankatia vao sarahiny?" (Haintenin'ny Ntaolo: Mba ta hanan-jara Rambolo). Ahitsio
Tsimpasika: a.: Karazam-pasika. Ahitsio
Tsimpefe: na Tsipefe a.: Karazam-balala salasalany fa nofonofosana, mafimafy; ny volony saiky mena tanora, misy fotsy kely manaraka ny lavam-peny. Ahitsio