Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsimperifery: a.: Zavamaniry masiatsiaka ny voany toy ny dipoavatra vahiny, izay atao koa hoe tsimahalatsaka. Ahitsio
Tsimpimpina: a,: Karazan'ahitra fanao ody folaka na mioritra. Ahitsio
Tsimpohafoha: a.: Dongon-tany kely ataon'ny kankana na ny bibikely hafa mivoaka avy any anaty tany. - t.i.f.: Tsimpohafohazina, atsimpohafoha, voatsimpohafoha 1 manatsimpohafoha, fanatsimpohafoha, mpanatsimpohafoha 1 anatsimpohafohazana, fanatsimpohafohazana I mitsimpohafoha, fitsimpohafoha, mpitsimpohafoha 1 itsimpohafohazana, fitsimpohafohazana 1 mahatsimpohafoha. Ahitsio
Tsimpohafoha: a.: Zavamaniry karazan'ny mihoronkorùna fa kely. Ahitsio
Tsimpohafohazina: (tsimpohafohazina) mt ih. (tsimpohafohazy): Enti-milaza ny tany ataon'ny bibikely mitsitokotoko eny am-bava lavany. 1 Enti-milaza ny volo atao mitsangantsangana. Ahitsio
Tsimpona: a,: Fakana zavatra tsy indray mandeha fa imbetsaka; fandraisana tsirairay hatrany; fantina; fifantenana zavatra, tsy fakana betsaka fa tokana hatrany. i t. t. f.: Tsimponina, atsimpona, voatsimpona 1 mitsimpona, fitsimpona, mpitsimpona 1 itsimponana, fitsimponana I mahatsimpona I tsimpontsimpona. Ahitsio
Tsimponina: (tsimpona) mt. ih. (tsimpony): Alains tsirairay: Notsimponiny ireo vakana niraraka tamin'ny tany. 1 Fantenana ka alaina tairairay: Tsimpony ny teny rehetra miafara amin'ny "tra" amin'io an-dalan-tsoratra io. Ahitsio
Tsin-: Tovona fanaovana fototeny faharoa manamafy ny hevitry ny fototeny voalohany: Tsingerina (herina), tsinjara (zara). Ahitsio
Tsinabo: (tsabo) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsabo, tsaboina, karakaraina mba ho sitrana: Betsaka izay olona notsinabony izay! Ahitsio
Tsinaika: (tsaika) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsaika, tsaikaina, tsaikafina, fantenana: Ny voa e fa notsinaika no ambolena matetika. Ahitsio
Tsinaikanaika: Mitovy hevitra ary mitovy fiovana endrika amin'ny Naikanaika. Ahitsio
Tsinainaina: ft.: Toetran'ny olona na biby nosesefan-kanina. i t. Mitsinainaina, fitsinainaina. Ahitsio
Tsinainy: a.: Hazo kely mampitohy ny hazofisaka anankiroa. Ahitsio
Tsinaka: sy Tsinatsinaka a.: Fibontsin'ny kibo (toy ny an' ny vehivavy bevohoka). - t.i.f.: Mitsinaka, fitsinaka. Ahitsio
Tsinako: (tsako) mt. ih, misy tsofoka in: Voatsako, tsakoina, totoina amin'ny nify. Ahitsio
Tsinana: p.t.: Enti-milaza ny volana vao miandoha, vao miverina miseho ho hita indray, rehefa avy maty: Tsinana afak'omaly ny volana ka efa hita kely anio. Ahitsio
Tsinanaina: p.t.: Teny enti-milaza ny tanimbary dibo-drano be loatra. Ahitsio
Tsinanginangy: a.: Hasahiana be loatra, fidaondaom-bava: Tsy zaka leferina intsony ny tsinanginangin'io vehivavy io. - t.i.f.: Mitsinanginangy, fitsinanginangy, mpitsinanginangy / itsinanginanginana, fitsinanginangiana 1 mahatsinanginangy. Ahitsio
Tsinanika: a.: Fibobohana be loatra, filerana be loatra. - t.i.f.: Mitsinanika, fitsinanika. Ahitsio
Tsinaonaona: Jer. Kinaonaona. Ahitsio