Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsindrimandry: a.: Fampidiran'Andriamanitra na ny Razana hevitra avy Aminy ao an-tsain'olona vonona handray azy avy araka izay fahaizany handray izany. Ahitsio
Tsindrimpeo: a.: Fanindriana ny feo manokana eo am-panononana teny iray: lavitra. Misy efatra ny fiantsoana ny tsindrimpeo: renitsindrimpeo (tsindrimpeon'ilay reny teny farany: ankizy kely ma-ro); zanatsindrimpeo: ireo tsindrimpeo hafa; tsindrimpeo fototra (tsindrimpeompototeny: levona); tsindrimpeo am-panovanana na nikisaka: levonina. Ahitsio
Tsindroana: ft.: Fakana zavatra tsisy filaharana fa mbetika atsy mbetika aroa, tsiroaroa. - t.i.f.: Tsindroanina, voatsindroana 1 tsindroandroana 1 manatsindroandroana, fanatsindroandroana, mpanatsindroandroana 1 anatsindroandroanana, fanatsindmandroanana 1 mitsindroana, fitsindroana, mpitsindroana 1 itafndroandroanana, fitsindroandroanana f mahatsindroandroana. Ahitsio
Tsindroanina: (tsindroana) mt. ih. (tsindroany): Alaina tsy misy filaharana, fidina alaina atsy alaina aroa: Tsy nalainy befahatany treo zavatra ireo fa notsindroaniny tetsy sy teroa. Ahitsio
Tsindrodrotra: a.: Karazan'ahitra fanaovana satroka (Sporo bolus indicus). Ahitsio
Tsindrohina: (tsindroka) mt. ih. (tsindrohy): Tsaingohin' ny vorona amin'ny vavany: Notsindrohin'ny vorona ireo voan-katsaka raraka teo antokStany. • Raisina amin' ny tanana (hanina latsaka amin'ny tany): Aza tsindrohina ireo vatomamy ireo fa efa feno vouoka. Ahitsio
Tsindroka: a.: Voan-javatra eny amin'ny tany tsaingohin'ny vorona amin'ny vavany; hanina latsaka amin'ny tany raisina amin'ny tanana. - t.i.f :Tsindrohina, atsindroka, voatsindroka j mitsindroka, fitsindroka, mpitsindroka 1 itsindrohana, fitsindrohana 1 mahatsindroka 1 mitsindrotsindroka I tsindrotsindroka. Ahitsio
Tsindrona: a.: Fandoahana na famelezana amin'ny lohanjavatra maranitra: Ny tsindron'ny paingotra. • Fitsaboana amin'ny fampidirana ranom-panafody amin'ny te-na amin'ny alalan'ny fanjaitra misy loaka: Ny tsindrona no nahasitrana azy. - t.i.f.: Tsindronina, atsindrona, voatsindrona 1 manindrona, fanindrona, mpanindrona 1 anindronana, fanindronana 1 mitsindrona, fitsindrona, mpitsindrona 1 itsindronana, fitsindronana I mahatsindrona 1 tsindrontsindrona. Ahitsio
Tsindronina: (tsindrona) mt ih. (tsindrony): Loahana na asiana amin'ny lohan-javatra maranitra: Notsindronin'1-koto tamin'ny fitrebika ny omby ka nitroatra. 1 Trobahana amin'ny fanjaitra loaka fidiran'ny fanafody: Notsindronin'ny Dokotera ny zandrinay nanavy omaly. Ahitsio
Tsindry: a.: Zavatra apetraka eo ambonin ny zavatra hafa: Tsindry akanjo. 1 Fanaingenana zavatra eo ambonin' ny zavatra hafa: Natao vato tsindry hahazana. 1 Fanampiana zavatra amboniny: Tsindrim-barotra. - t.i.f.: Tsindriana, atsindry, voatsindry, tsinindry, tafatsindry I manindry, fanindry, mpanindry 1 anindriana, fanindriana I mifanindry 1 mampifanindry 1 mampanindry 1 mitsindry, fitsindry / itsindriana, fitsindriana 1 mahatsindry. 1 tsindritsindry. ? F.-p.: Tsindry fe: fahiny, teny nilazana ny mpanompovavy nalain'ny tompony ho vady. / Tsindry hahazana: vato anindriana ny zoro efatry ny tsihy misy vary na zavatra hafa mihahy. / Tsindry hazo lena: (taloha) fanombotombohana, (ankehitriny) fanararaotan-kery sy fahefana handrombahana ankeriny ny fananan'ny madinika. / Tsindry ladina: fomba fampaniriana hazo izay folahana atao anaty tany ny tahony nefa tsy sarahana amin-dreniny, ary dia maniry faka ao. I Tsindry lahy: fampifangaroana vary samy hafa karazana. / Tsindry lany: enti-milaza zavatra iverenan-dava tsy misy farany. / Tsindry mandry: fahitàna an'eritreritra (noheverin'ny Ntaolo fa nanindry na niteny tamin'ny velona ny fanahin'ny olona efa maty). / Tsindrin-tsakafo: kaninkanina aorian'ny sakafo, toy ny voankazo izany, ans... I Tsindry varotra na tsindrim-barotra: zavatra atao fanampim-barotra mba hamalifaliana sy hanomezana fahafaham-po ny mpividy. / Tsindry hisatra: ilazana ilay fitaovana itsahana ho fampandehanana mora, na fampiatoana tanteraka ny fiara Ahitsio
Tsinentsina: (tsentsina) mt. ih. misy tsofoka in: Voatsentsina, tsentsenana. Ahitsio
Tsingadina: a.: Fianjerana, fahapotrahana, ka mikodia eny amin'ny tany mihitsy, - t.i.f.: Atsingadina, voatsingadina, tafatsingadina 1 manatsingadina, fanatsingadina, mpanatsingadina 1 anatsingadinana, fanatsingadinana 1 mitsingadina, fitsingadina, mpitsingadina I itsingadinana, fitsingadinanalmahatsingadina 1 tsingadingadina. Ahitsio
Tsingala: a.: Bibikely mivelona any anaty rano, mety hanaraka ny rano sotroina ka mahafaty raha voatelin'ny olona na biby. - t.i.f.: Tsingalahala, mitsingalahala 1 itsingalahalana, fitsingalahalana. * Ohab.: Aza manao tsingala mahalala ombin-tena: A-za miangatra ka ny sasany tiatiana sy asian-tsoa kokoa fa aoka samy hasiana soa daholo tsy misy avakavaka. Ahitsio
Tsingalahala: a.: Fihetsiketsika, fitrifantrifana. Ahitsio
Tsinganga: a.: Toetran'ny zavatra miainga na miakatra mitsangana ny ilany iray fa iva kosa ny ilany iray. - t.i.f.: Tsingangaina, atsinganga, voatsinganga, tafatsinganga / maninganga, manatsinganga, fanatsinganga, mpanatsinganga / anatsingangàna, fanatsingangàna 1 mitsinganga, fitsinganga 1 itsingangàna, fitsingangàna f mahatsinganga 1 tsinganganganga. Ahitsio
Tsingangaina: (tsinganga) mt. ih. (tsingangao): Aingaina ny ilany iray. Ahitsio
Tsingaohina: (tsingaoka) p.t.: Voan'ny tsingaoka. Ahitsio
Tsingaoka: a.: Hatina madinika mamorofotra amin'ny hoditra. - t.i.f.: Tsingaohina. Ahitsio
Tsingarangadona: a.: Karazambalala vaventiventy volonkary matroka, fahita eny amin'ny tany be vato misy kotofohfn'ahitra na dombato, ka avy amin'izany no nahatonga ny anarany. Ahitsio
Tsingarivary: (Tsm) a.: Anaranjavamaniry sahala amin'ny vary; tsimparifary. Ahitsio