Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsiomeroa: a.: Karazan'akondro vaventy be sady lava ny voany ka nahatonga ny anarany (tsy omena roa indray homana). Ahitsio
Tsiontsiona: Mitovy amin'ny Siontsiona. Ahitsio
Tsiontsiona: a.: Karazan'ahitra (jer. Antsointsoina). Ahitsio
Tsiota: (fit,-p.) p.i.: Enina. Ahitsio
Tsiotsiory: a.: Karazan-trano mora vita nefa mateza (avy amin'izany no nahatonga ny anaran y: fitsitsiana natao ho an'ny olona ory ilay trano). Ahitsio
Tsipahina: (tsipaka) mt. ih. (tsipaho): Dakana: Notsipahiny ny rahalahiny. ? Atosika amin'ny tongotra: Tsipahiny foana ny lamba firakofana rehefa matory izy. t• Tsy raisina, tsy ekena, lavina: Notsipahiko ny heviny ka tezitra izy. ? Ariana: Notsipahiny tsy ho zanany intsony Randria fa maditra loatra. - t.i.f. :Mitsipaikona, fitsipaikona / tsipaikompaikona. Ahitsio
Tsipaka: a.: Fandakana; fanoherana amin'ny tongotra; fanoherana, fandavana. - t.i.f.: Tsipahina, voatsipaka, tsinipaka 1 manipaka, fanipaka, mpanipaka 1 anipahana, fanipahana I mitsipaka, fitsipaka, mpitsipaka J itsipahana, fitsipahana 1 mahatsipaka 1 tsipatsipaka. - F,-p.: Tsipaky ny hehy: miolanolan'ny hehy; toran' ny hehy. * Ohab.: Ny ana-dray amandreny toy ny tsipak'ombalahy: raha mahauoa mahafaty, raha tsy mahavoa mahafanina: enti-milaza ny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny tenin-dray aman-dreny. Ahitsio
Tsipalapala: na Tsipalapalaka: Mitovy amin'ny Palapala. Ahitsio
Tsipaloka: a.: Jer. Tsipalotra. Ahitsio
Tsipalotra: a.: Hita mandalo vetivety, hita sendrasendra, tsy nampoizina; tsikaritra: Tsipaiotro teny an-tsena i Dadanao aninaraina. - t.i.f.: Atsipalotra, voatsipalotra 1 manatsipalotra, fanatsipalotra 1 mitsipalotra, fitsipalotra 1 mahatsipalotra. ¶ M. h.: Tsipaloka. Ahitsio
Tsipampamaka: (Tsm) a.: Tranom-borona makarakara fiompiana voronkely. Ahitsio
Tsipanga: a.: Mitovy amin'ny Sompanga. Ahitsio
Tsipaopaoka: p. t.: Maikamaika foana, tsy mahandry tsara ny teny lazaina na hafatra fa vao mandre laniny kely dia lasa. Ahitsio
Tsipapaka: a.: Kilalaon'ankizy. Ahitsio
Tsiparaparaka: a.: Mitovy amin'ny Tsininganingana. Ahitsio
Tsipazana: (tsipy) mt. pdr. (tsipazo): Omena zavatra izay atoraka: Notsipazako fotsimbary ny akoho kely ka nifandrombaka izaitsizy. Ahitsio
Tsipelaka: a.: Hazavana miserana ohatra ny helatra na tselatra. - t.i.f.: Mitsipelaka, fitsipelaka. Ahitsio
Tsipelana: a.: Voninkazo maniry ho azy eny amoron-drano sy amin'ny tany mandomando, izay mifandraidraika ainin'ny lisy vazaha ny felany: fotsy misy sorany volomparasy kely mitsoriaka eo afovoany ary iray monja isan-tahony fa ankavitsiana no mba misy roa. Zavamaniry nanaitra loatra ny Ntaolo ny tsipelana ka nampidiriny amin'ny hain-teny, toy ny hoe: "Midona ny orana any Ankaratra / Vaky tsipelana ny eny Anjafy / Tomanitomany Razanaboromanga" Ahitsio
Tsipelatra: a.: Mitovy amin'ny Tsipelaka. Ahitsio
Tsipelehina: (tsipelika) mt. ih. (tsipeleho): Hetsiketsehina, asavilivily, pelipelehina. Ahitsio