Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsipelika: a.: Hetsiketsika, savilivily, pelipelika. - t.i.f.: Tsipelehina, atsipelika, voatsipelika, tafatsipelika 1 manatsipelika J mitsipelika. Ahitsio
Tsipelina: (angl. spelling) a.: Fanononana miavaka ny tarehintsoratra tsirairay avy ao amin'ny teny iray: Ataovy tsipelina ny teny hoe "neny„ Ahitsio
Tsipeloka: a.: Famelezana ankolaka, teny an-tsafelika. 1 t,i.f: Atsipeloka, voatsipeloka 1 manatsipeloka, fanatsipeloka, mpanatsipeloka J anatsipelohana, fanatsipelohana J mitsipeloka, fitsipeloka 1 itsipelohana, fitsipelohana 1 mahatsipeloka. Ahitsio
Tsipetrika: a: Volotsangana mitovy habe amin'ny valiha: 1 metatra sy sasany ka hatramin'ny 6 metatra ary velesina amin'ny tsorakazo kely anankiroa: olona maromaro no indray mively ka samy manana ny fipailrany avy ary dia tahaka ny tehak'olona zato any ho any ny feony. Misy fomba telo fampiasana azy: apetraka amin'ny tany, ka mipetraka amin'ny tany ny mpively azy — asiana tsatoka roa hiantonany ka mitsangana ny mpively azy — tazonin'olon-droa (iray avy isaky ny tendrony) ka mahazo mamindra na manao fihetsehana ny mpively azy. Saika fampiasa hatraiza ha-'traiza izy ity fa ny anarany no samy hafa: Tsikaretika (Antsiranana). Karatsaka (Soalala), Kimbolo (Antsohihy), Peripetika (Betsimisaraka). Ahitsio
Tsipihina: (tsipika) mt ih. (taipiho): Asiana tsipika: Tsipiho kely ity ravin-taratasy ity mba hanoratako ho an'i Dada. • Vonoina arnin'ny tsipika: Tsipiho ny anaran' io mpianatra io fa efa tsy mianatra intsony izy. Ahitsio
Tsipika: a.: Soritra mahitsy: Ny tsipipanohizana dia taipika kely manakamban-teny. - t.i.f.: Tsipihina, voatsipika 1 mitsipika, fitsipika, mpitsipika 1 itsipihana, fitsipihana 1 mahatsipika 1 tsipitsipika. Ahitsio
Tsipika: a.: Tontam-boalavo. ~ Karazam-piadiana na fihazana vita amin'ny hazo navonkina sy tady henjana mampitohy ny tendron'ilay hazo ambony sy ambany: apaka amin'ny tady ny zana-tsipfka (tahon-javatra misy lohany maranitra) dia sintonina mafy hiverina ary rehefa avy eo, alefa tsy tanna intsony ka atosik'ilay tady henjana ilay izy ary lasa miriotra mankeny amin'ny toerana na zavatra kendrena halehany. Ahitsio
Tsipika: p.t.: Fano hipoka, tsepoka, jibika. Ahitsio
Tsipika: a.: Fifindrana mandingana na mitsambikina. - t.i.f.: Tafatsipika 1 mitsipika, fitsipika, mpitsipika 1 itsipihana, fitsipihana 1 mahatsipika 1 tsipitsipika. Ahitsio
Tsipikely: a. (ny manao): Teny nentina nilazana fahiny ny olona nampisotroina tangena ka efa nahafaka ny hoditr'akoho telo nefa mandoa indray avy eo sady fanina mandrafngiraingy; nataon' ny mpampinona ho "resy" ihany ny manao tsipikely, raha hitany, ka darofany fanoto matetika ho faty, raha tsy tratra voatakontakon' ny havany angaha. Ahitsio
Tsipilaka: p.t.: Jefijefy, la, pilaka. i t. if.: Mitsipilaka. Ahitsio
Tsipilavaka: na Antsipilavaka a.: Vato fisapisaka boribory atsipin'ny ankizy mba hiditra amin'ny lavaka na amin' ny faritra iray ka izay mahatafiditra no mahazo ny loka. Ahitsio
Tsipindina: (tsipindy) mt. ih. (tsipindio): Asiana tsipindy: Notsipindiny ny takolak'ilay zazalahy kely. Ahitsio
Tsipindy: a.: Famelezana amin' ny rantsan-tanana, izay aforitra dia alefa tampoka hipaika amin'ilay asiana. - t.i.f.: Tsipindina, atsipindy, voatsipindy J manatsipindy, fanatsipindy, mpanatsipindy J anatsipindiana, fanatsipindiana. Ahitsio
Tsipiria: a.: Jer. Tsipiriany. Ahitsio
Tsipiriany: a.: Tsoriany na didin-tsavony lavalava. ? Ny andinindinin-javatra na fizarazarany madinika: Tantarao amin'ny an-tsipiriany daholo ny zava-niseho tao antseko linareo. Ahitsio
Tsipiritikala: a.: Anaram-boronkely any an'ala. Ahitsio
Tsipirity: (Br.) a.: Toaka. Ahitsio
Tsipisandry: a.: Dihim-behivavy maro mifanao aloha sy aoriana, manao sikin-tratra, ka ny tongony miara-mandroso dia miara-miverina, ny sandriny kosa amin'izany akariny ka ataonY miara-mitsipy dia miara-milefitra ary ny rantsantanany, izay efa milantsika, miara-mipiaka sy miara-milefitra. Ahitsio
Tsipoapoaka: a.: Zavatra vita amin'ny vanja nofonosina izay mipoaka nony arehitra ny lahiny: Apoapoakan'ny ankizy madinika ny tsipoapoaka rehefa amin'ny andro fetim-pirenena. ? Zaitran'akanjo nasiana mibontsimbontsina mba ho haingony. ~ Anaran-kazo izay mipoapoaka ny voniny rehefa hitsahina. Ahitsio