Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsivarivary: a.: Lalaon'ny ankizy, ka ny vovoka sy ny vato kely no mody ataony vary sy hena; kivarivary, Ahitsio
Tsivaza: p.i.: Sivy (amin'ilay fiteny fanaon'ny ankizy taloha nianatra nanisa hatramin'ny folo) (jar. Ingisa). Ahitsio
Tsivazivazy: o.: Mitovy amin' ny Kivazivazy. Ahitsio
Tsivembena: a.: Mitovy amin' ny Vembena. Ahitsio
Tsivetraka: a.: Toetran'ny zavatra mivelatra, miampatra tsara; fipetrahana mivelatra tsara amim-piadanana. i t. tf.: Atsivetraka, voatsivetraka, tafatsivetraka 1 manatsivetraka, fanatsivetraka, mpanatsivetraka 1 anataivetrahana, fanatsivetrahana l mitaivetraka, fitaivetraka, mpitsivetraka l itsivetrahana, fitsivetrahana 1 mahatsivetraka 1 tsivetrabetraka. Ahitsio
Tsivetrany: na Vetrany a.: Ny ila fen-kisoa izay atao koa hoe avaka. Ahitsio
Tsivezabezatra: Mitovy amin' ny Vezaveza. Ahitsio
Tsivikinindahy: a.: Tamboho kely ivaiva. Ahitsio
Tsivinitra: p. mt.: Tsy rototra, tsy maka sarotra. Ahitsio
Tsivohibohitra: a.: Sarin-tanàna ataon'ny ankizy milalao tsindriandriana; na fanorenana sy fandrafetana tanàna madinika misy tsena, trano, lalana... ataon'ny ankizilahy. Ahitsio
Tsivolo: a.: Karazan-kazo madinika (Sparmannia discolo r), Ahitsio
Tsivongo: a.: Karazam-bozaka fitaina. ? Anaran-ganagana (Sarcidornis melanotus). Ahitsio
Tsivorivory: a.: Mitovy amin' ny Vorivory. Ahitsio
Tsizarizary: p.t.: Tsy ary fomba, tsy tena vanona, tsy lavorary loatra: Trano tsizarizary kely izao no ipetrahany, - t.i.f.: Manatsizarizary,fanatsizarizary, mpanatsizarizary l anatsizarizariana, fanatsizarizariana 1 mahatsizarizary, Ahitsio
Tsjndoha: a.: Karazam-bay kely hita amin'ny hodi-doha noho ny loto. Ahitsio
Tsoahana: (tsoahy) mt. ih,: Ongotana: Tsoahy ity fantsika ity fa mety handratra. 1 Esorina, alana: Notsoahany ny kirarony alohan'ny hidirany ao an-trano. • lao.: Hioertfivenjy foana ny zanakao raha uao tsoahanao ato amin' ity sekolY ianarany ity. 1 Foanana: Notsoahan 'ny fanjakana sahady ilay didy naooakany tamin'iray volana lasa, ~ Ombotana, alana amin-kery: Notsoahany teto amiko ny zanako, 1 Ivadihana: Notsoahony indray ny teny nataony tao. Ahitsio
Tsoaka: ft.: Fanongotana, fanesorana hiala; fialana sy fandosirana. - t.i.f.: Tsoahana, voatsoaka, tafatsoaka l manatsoaka, fanatsoaka, mpanatsoaka 1 anatsoahana, fanatsoahana 1 mitsoaka, fitsoaka, mpitsoaka 1 mahatsoaka 1 tsoatsoaka. - Tsoak'ahitra: volon' ahitra tsoahana avy amin'ny fototra aniriany. / Tsoa-tokana: tsotra lava tsy misy famavany. / Tsoa-drambo: ilay nofo manaraka ny fotodrambon'ny omby. / Tsoape: fihazakazahana mafy, fanaovana tongotra an-katoka. Ahitsio
Tsobatsoba: p.t.: Be rano loatra, be rony loatra. i t.tf,: Mitsobatsoba, fitsobatsoba 1 mahatsobatsoba. Ahitsio
Tsobo: a.: Fitsarana taloha toy ny fampinomana ary mbola hita indraindray any anindran-tany mandraka ankehitriny: atsoboka ao anaty rano mangotraka ny tanan' ilay voampanga ka afaka izy raha toa ka tsy miempaka akory ny tanany, satria filazana izany fa tsy nanao ny hadisoana niampangana azy 1zy. Ahitsio
Tsobohana: na Tsobohina (tsoboka) mt. pdr, na rat. ih. (tsobohy): Enti-milaza rano asiana na andentehana zavatra ao anatiny: Notsobohan' ny ankizy vy ny rano ka nanjary moimbo vy ter?, ~ Itana robohina: Tsy azo tsobohina ity rano ity fa tena be voay mihitsy. Ahitsio