Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tabilao: (fr. tableau) a.: Fampisehoana indray mijery. Ahitsio
Taboaka: a.: Loaka atao arnin' ny valamparia mba handehanan'ny rano any an-tanimbary. Ahitsio
Taboika: na Tabo?-drano a.: Fivoahan'ny rano avy any anaty tany; boiboika. * t.i.f. : Mitaboika, fitaboika, mpitaboika. Ahitsio
Tabonaka: a.: Anaran'ny karazan-toho lehibe indrindra. Ahitsio
Tabonaka: a.: Fibontsinana makadiry, malemilemy miroradroraka. * t.i.f. : Atabonaka, voatabonaka / mitabonaka, fitabonaka, mpitabonaka / itabonahana, fitabonahana / mahatabonaka / tabonabonaka. Ahitsio
Taboretaka: ft.: Fipetrahana miboletaka, malemy toa reraka. * t.i.f. : Ataboretaka / manataboretaka, fanataboretaka, mpanataboretaka / anataboretahana, fanataboretahana / mitaboretaka, fitaboretaka, mpitaboretaka / itaboretahana, fitaboretahana / mahataboretaka. Ahitsio
Taboroahana: (taboroaka) mt. ih. (taboroahy): Loahana tanteraka; tanterahina; gorobahana. Ahitsio
Taboroaka: a.: Loaka tanteraka, gorobaka. - t.i.f.: Taboroahana, ataboroaka, voataboroaka / manataboroaka, fanataboroaka, mpanataboroaka / anataboroahana, fanataboroahana / mitaboroaka, fitaboroaka, mpitaboroaka / itaboroahana, fitaboroahana / mahataboro aka. Ahitsio
Taborobaka: p.t.: Loaka, voaloaka, voagorobaka. - t.i.f.: Manataborobaka, fanataborobaka, mpanataborobaka / anataborobahana, fanataborobahana / mitaborobaka, fitaborobaka, mpitaborobaka / itaborobahana, fitaborobahana / mahataborobaka. Ahitsio
Taborotsaka: Jar. Borotsaka. Ahitsio
Tabory: a.:Ny boribory eo ambanin'ny filabiana, atao koa hoe vihina. Ahitsio
Tabotetaka: p. t.: Fipetrahana mibahana; fipetrahana, ka ny fitombenana mivelatra sy mitsotra amin'ny iva sy ambany. * Atabotetaka / manatabotetaka, fanatabotetaka, mpanatabotetaka / anatabotetahana, fanatabotetahana / mibotetaka, fibotetaka, mpibotetaka / ibotetahana, fibotetahana. Ahitsio
Tadiavina: (tady) mt. ih. (tadiauo): Atao izay hahitana azy: Notadiavin'ny polisy efa ho roa uolana io mpangalatra io. ΒΆ M.h.: Zahana, karohina. ? Tiana, irina: Lazao inona no tadiauinao, anaka, fa homeko anao. ? Kasaina: Tadiauin-drainy hatao kilasimandry Isamb?lo. Ahitsio
Tadidina: (tadidy) mt. ih. (tadidio): Enti-milaza zavatra izay atao ny hahatsiarovana azy; tsarovana; tsahivina: Tadidio kely izay rehetra nataonao omaly hariva. Ahitsio
Tadidindrazana: (Btl) a.: Lovantsofina. Ahitsio
Tadidy: a.: Fahatsiarovana, arika: Vary tadidy. ? mt. ih, (tadidio): Tsaroana, tsy hadino: Tsy tadidiko intsony ny trano nipetrahanay teto taloha. - t.i.f.: Tadidina, voatadidy / mitadidy, fitadidy, mpitadidy / itadidiana, fitadidiana / mahatadidy. Ahitsio
Tadimpintana: (Btl) a.: Randram-bolo betsileo miendrika tadim-pintana. Ahitsio
Tadina: (tady) mt, ih. (tadio): Atao tady: Hotadina no ambolena ireto rongony ireto fa tsy hofohina. ? Fatorana, rohizana: Nptadina mafy llay mpangalatra. Ahitsio
Tadiny: a.: Ny lava-tsofina. - F.-p.: Manentsin-tadiny: manampin-tsofina, tsy mety mihaino na mody tsy mandre izay lazaina aminy. Ahitsio
Tadio: a.: Rivotra mitambolimbolina sy haingam-pandeha, mitondra vovoka na ravinkazo: Toy ny tadio ny fandehan'io zazalahy io. - F.-p.: Tadio miaraka amin' ny afo: loza miampy loza ha-fa indray. Ahitsio