Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Toletsy: a.: Jer. Letsy. Ahitsio
Tolila: p. t.: Mandringa, tsy marina fipetraka fa lava sy fohy ny tongony ka mitongilana. - t.i.f.: Atolila, voatolila / manatolila, fanatolila, mpanatolila / anatolilana, fanatolilana / mitolila, fitolila, mpitolila / itolilana, fitolilana / mahatolila. Ahitsio
Tolitsika: p, t.: Mikolepaka, tsy ampy ila ka mandringa tsy marin-toerana ny vatany. - t.i.f.: Mitolitsika, fitolitsi• ka. Ahitsio
Toloho: a.: Karazam-borona dia, izay maneno lavareny. Ahitsio
Toloko: a.: Tarama, feo mitaraindraina miaraka amin'ny sento am-po na fitserana: "Sentosento mamelovelo, / Ranomaso, totoko tsy tana: / Izy ireny no sarin'auelo, / Mitampody ka sarotra tala-na". (J.J.R.) - t.i.f.: Tolokoina, atoloko, voatoloko / mitoloko, fitoloko, mpitoloko 1 itolokoana, fitolokoana I mahatoloko. Ahitsio
Tolokoina: (totoko) nit ih. (totokoy): Tarainina. Ahitsio
Toloky: a.: Kimokimoka, hehy tazontazonina. - t.i.f.: Mitoloky, fitoloky, mpitoloky. Ahitsio
Tolomina: (tolona) mt. ih. (tolomy): Bedaina: NotolomindRakoto ilay mpangalatra tratrany. • Hodidinina amin' ny sandry: Notolomiko ny mitan-kazo nohanihiko. Ahitsio
Tolona: a,: Fifampibedana hifandavo; fifandraisana hanao izay hampianjera ny andaniny: Anisan'ny kilatao henjankenjana ny tolona. • h. o.: Ady atao mba hahazoana zava-tsoa iray: Mitohy ny tolona momba ny fàhafahana. I tif: Tolomina, atolona, voatolona, tafatolona 1 mitolona, fitolona, mpitolona 1 itolomana, fitolomana 1 mahatolona 1 tolontolona. Ahitsio
Tolongo: a: Karazam-boasary makirana lehibe. Ahitsio
Tolorana: (tototra) mt. pdr. (tolory): Rosoana zavatra omena amin'ny tanana: Totory voninkazo izy. Ahitsio
Tolotra: a.: Fanomezana orne-na ny mpaka sy ny mpanatitra mpanambady. 1 Fanomezam-panànana (na vitsivitsy aminy fotsiny) ataon'ny ray aman-dreny aloha ben'ny hahafatesany: Nataon-drainy tolotra ho an'i Faralahy ilay tanimbary er? ambony andrefana. 1 Fandrosoana zavatra olona ho mari-panajana na fitiavana: Rehefa vita ny tolotra fehezam-boninkazo, dia nitsangana ny manampahefana hikabary. - t.i.f.: Tolorana, atolotra, voatolotra, tonolotra 1 manolotra, fanolotra, mpanolotra 1 anolorana, fanolorana 1 mitolotra, fitolotra, mpitolotra 1 itolorana, fitolorana 1 mahatolotra 1 tolotolotra. Ahitsio
Tolotra: a, : Bararata atao amin' ny fanondro na ny ankikely hanantsodiana ny kofehy rehefa mamoly landy, na hangoronana ny efa vita. Ahitsio
Tomaboha: a.: Vakim-pitaratra madio. ? Vongam-pitaratra kely miloko isan-karazany, misy boribory, misy lavalava, ary ataon'ny ankizivavy solon'olona rehefa milalao manao kindriandriana izy ka ny boribory misolo ny vehivavy, ary ny lavalava mi-solo ny lehilahy. Ahitsio
Tomady: p.t.: Matanjaka, vory nofo, nofosana: Touotahy tomady. - t.i.f.: Hatomady. Ahitsio
Tomamotamo: p. t : Vonivony tanora mahafinaritra, tahaka ny volon'ny tamotamo. 1 tif: Mitomamotamo, fitomamotamo. Ahitsio
Tomandavana: p.t.: Lava be mifampitohitohy, avo mitohy vovoka: "Ir? tendrombohitra tomandavana / Soa malomaloka, mauamauana;/Topazo maso fa raha tazanina / Manerinerina, mahamanina". (Ny Avana) - t.i.f.: Mitomandavana, fitomandavana. Ahitsio
Tomandeboka: (t. tr,) p.t: Miezinezina. Ahitsio
Tomango: (Tsm) a.: Omby mainty misy fotsy eo amin' ny trafony. Ahitsio
Tomany: (t - om - any) a.: Ranomaso miaraka amin-tsento noho nyalahelo:Atsaharo ny tomany. ? mt.: Mandatsa-dranomaso miaraka amintsento noho ny alahelo: "Mi; clona ny oran'Ankaratra, / Vaky tsipelana ny any Anjafy / Tomany tomany Razanaboromanga". (Hain-tenin' ny Ntaolo) - t.i.f.: Mitomany, fitomany, mpitomany 1 itomaniana, fitomaniana 1 mahatomany. Ahitsio