Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tomaratara: sy Tomarataratra p.t.: Mandefa taratra malefaka tsy mba mamono maso, tahaka ny fitaratra tarafin'ny masoandro efa mirefarefa na vao miposaka. Ahitsio
Tomarataratra: p.t.: Jer. Tomaratara. Ahitsio
Tomaratra: p.t.: Mamirapiratra azon'ny hazavana. Ahitsio
Tomarotaroka: mt: Mandefa taroka vaventy sy betsaka, mandrobona sy vaventy ravi-na: "Itony aviavy tomarotaroka / Maha-te hipetraka hialokatoka". (Ny Avana) Ahitsio
Tombaitra: p.t.: Iharam-pahavoazana lehibe noho ny antony madinika tsy nampoizina. - t.i.f, : Mitombaitra. Ahitsio
Tombaka: a.: Ireo vakivakimbola fahizay silaky ny farantsa na ariary ka nampiasaina ho toy ny vola madinika. • p.t.: Vaky, loaka: Ela vao ho tombaka io hazo io amin' iny fitaovana iny. Ahitsio
Tombamboroka: a.: Ireo bainga avadika miaraka amin'ny ahitra eo amboniny rehefa miasa tany vao; ataon'ny olona zezika ny tombamboroka. Ahitsio
Tombana: a.: Ny bainga avadiky ny angady amin'ny fiasana ny tany. - F.-p.: Mamaky tombana: mamakivaky ny baingasy ny dongondongona. J Tombamboroka: ny bainga mivadika miaraka amin'ny ahitra naniry eo amboniny, ka lasa zezika rehefa lo ao anaty tany ny ahitra. I Tomban-tsy ambolena: bainga avadika nefa tsy volena na inona na inona. • h.o,: Zavatra tombanana ambony dia ambony mba tsy haharaikitra azy. Ahitsio
Tombana: a.: Faminavinana izay tokony ho vidin'ny zavatra iray: Araka n? hevitrao, ohatrinona no tomban' ity trano ity? - t.i.f.: Tombanana, voatombana, tknombana l manombana, fanombana, mpanombana 1 anombanana, fanombanana 1 mitombana, fitombana 1 mahatombana. - F.-p.: Tomba-maso: vina-vina atao araka ny fijere-maso fotsiny. J Tomban-dahy: vehivavy henjankenjam-pihetsika, manao toetoe-dehilahy amin'ny ataony.JMitombandahy: enti-milaza vehivavy na lehilahy feno herimpo hanatontosa sy hanatanteraka ny adidy aman'andraikitra raisiny. Ahitsio
Tombanana: (tombana) mt. ih. (tombano): Asondrom-bidy bebe mba hahazoana tombony ihany na dia efa andatsahana aza eo amin'ny ady varotra: Notombanany enim- polo io seza io, fa azoko di- my amby efapolo ihany, Ahitsio
Tombenana: (tombina) mt. pdr. (tombeno): Ametrahana. Ahitsio
Tombina: a.: Fipetrahana maka toerana tsara. • Fahatsarampototra eo amin'izay itoerana. 1 t.if.: Tombenana, atombina, voatombina, tafatombina J manombina, fanombina, mpanombina 1 anombenana, fanombenana 1 mitombina, fitombina, mpitombina I itombenana, fitombenana I miantombina, iantombenana I matombina 1 mahatombina. - F.-p.: Tsy mahatombin-tsiraka: tsy mahapetraka amin' izay misy azy famifindrafindra toerana lava - (ny siraka dia mitovy amin'ny sirana ihany: ny faritra eo ambony ranjo amin'ny biby; amin' ny olona, ilazana tsotra ny ranjo). Ahitsio
Tombo: a.: Ny mihoatra na ny ambin'ny zavatra iray amin'ny hafa: Roa santimetatra no tombon'ny fanondroadala amin'ny fanondro. - t.i.f.: Manombo na miombo, fanombo na fiombo f anomboana, fanomboana 1 mitombo, fitombo, mpitombo 1 itomboana, fitomboana I mampitombo 1 tombotombo. ? F.-p.: Tombom-barotra: ny vola azo ambonin'ny masonkarena. / Tombon-dahy: fanomezana ambony ampanga amin'izay iaraha-mizara. J Tombon-tsoa: soa azo manokana. J Manao tomba sy ha-la: manao fitondrana miangatra. / Manan-tombo: mihoatra kokoa. / Manao tombo ho an-tena: mampihoatra kokoa ny azon'ny tena noho ny an'ny hafa. Ahitsio
Tomboay: (Tsm) a. :Zanak'omby maoty efa misy zandriny. Ahitsio
Tomboazily: (t. tr.) p.t.: Botrefona, dongadonga. Ahitsio
Tombohana: (tornboka) mt. ih. (tombohy): Ampangaina tsy marina, endrikendrehina: Nandalo teo anoloan'ny tranony fotsiny aho dia notombohany ho nangalatra. Ahitsio
Tombohina: (tomboka) mt. ih. (tombohy): Trandrahina amin'ny angady: Raha tianao hisy vodiny lehibe ny mangahazo, tombohy tsara ny tany. • Tsatohana ny lelan' angady: Notombohiko ilay bibilava ka tapaka roa terys. Ahitsio
Tombohina: (tomboka) mt. ih. (tombohy): Petahana kase (fitomboka); petahana ma- rika amin'ny vy mahamay: Tombohy kely ity taratasy ity. / Efa notombohina ve ireto ombinareo ireto? Ahitsio
Tomboka: a.: Fandentehana angady amin'ny tany; fanapahana (biby na ahitra) main' ny angady; famelezana aminjava-maranitra. - t.i.f.: Tombohina, voatomboka, tinomboka / mitomboka, fitomboka, mpitomboka / itombohana, fitombohana / mahatomboka. - F.-p.: Tombo-doha: famakivakiana ny bainga amin' ny tany voasa, alohan'ny fihosena. J Tombo-drano: fandemana ny bainga amin'ny fampidiran-drano; enti-milaza koa famerimberenana matetika amin'ny zavatra atao.J Tombok'ahitra: tany misy ahitra hamefena voly. J Tombok'orona: ady, famelezana mikendry ny loba toy ny adin'akoho. / Tombo-montsina: ilazana ny olona m¢ay tetika ka manao izay tsy handrenesana ny tenin'ilay mifamaly aminy fa vao miteny dia tsenainy. J Tombopefy: fifamelezana tsy mifampitsitsy amin-java-maranitra; fihinanana mandrapadrapaka er?. / Tombo-tanana: fifamelezana mifanakaiky ataon'ny mpiady samy mitana zava-maranitra. J Tombo-tany: baingan-tany lehibe atao fefy na rindrina. / Tombo-tsira: haninkanina asiana sira manta isaky ny hihinana azy. / Tombo-tsodina: ny loaka mifanao ambaratonga amin'ny sodina; ilazana koa ny fizarana zavatra amin'olona maro arakaraka ny voninahiny. J Trano tomboka: trano vita amin' ny rantsan-kazo nofetaina sy nolalorina fotaka. Ahitsio
Tomboka: a.: Fiandohan'asa, fanaovan-javatra voalohany, fisantarana amin'izay atao. - t.i.f.: Atomboka, voatomboka, tinomboka 1 manomboka, fanomboka, mpanomboka 1 anombohana, fanombohana 1 mitomboka, fitomboka, mpitomboka 1 itombohana, fitombohana 1 miantomboka, fiantomboka, mpiantomboka 1 iantombohana, fiantombohana 1 mahatomboka. Ahitsio