Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tomboka: Tombotomboka a.: Fiampangana olona amin-javatra tsy nataony, endrikendrika tsy marina: Tokony hofadina ny endrikendrika, ny tombotomboka befahatany fa manohitra ny fitiavanamana. i Tombohana, atomboka 1 manomboka, fanomboka, manombotomboka, mpanombotomboka I anombotombohana, fanombotombohana. • F.-p.: Tombo-kalatra: entimilaza ny endrikendrika amin'ny olona tsy nangalatra. / Tombo-teny: fiampangana sy endrikendrika tsy marina. J Tombo-trosa: filazana tsy marina ho manam-bola amin' olona. / Tombo-tsivorivory: fihambohamboana sy toroka hifetsena. Ahitsio
Tomboka: a.: Fametahana kase amin'ny taratasy, fametahana marika amin-javatra:Tombo-kase; tombo-kauatsa. - t.i.f.: Tombohina, atomboka, voatomboka, tinomboka 1 manomboka, fanomboka, mpanomboka 1 anombohana, fanombohana 1 mitomboka, fitomboka, mpitomboka 1 itombohana, fitombohana 1 mahatomboka. Ahitsio
Tomboka: (Ats) a.: Vary an-tanety ambolena amin'ny tavy ka jinjaina amin'ny fahavaratra. Ahitsio
Tomboka: a.: Bibikely mamorivory fotsy ao anatin'ny ranon'ando maraina izay heverin'ny olona ho mahatonga vay raha voakasika na voahitsaka: Voan'ny tomboka ny tongotr'Isambito. ? Karazana vay mpahazo ny omby. Ahitsio
Tombokavatsa: a.: Tomboka na marika maitso manga ataon'ny olona amin'ny tarehiny na ny sandriny voasokitra ao anaty hoditra. Ahitsio
Tombolà: (fr. tombola) a.: Karazana loteria (jereo lo teny io), saingy ny loka azo aminy dia zavatra lalandava. Ahitsio
Tomboloha: (Tsm) a,: Omby tsy mena tsy mainty (volonkalalao). Ahitsio
Tombombarotra: a.: Vola tadiavina ho azo ambonin'ny masonkarena rehefa mivarojavatra. Ahitsio
Tomefy: p.t.: Matevina, mikitroka: Tomefy ny orana. ? Rakotra, fenobambaray:TomefY olona ny kianja. Ahitsio
Tomika: p. t.: Bangs, tsy ampy, tsy efa, tsy ary fomba (fampissa indrindra miaraka amin'ny hoe: "tsy misy"): Tsy misy tomika: feno tanteraka, tsy misy banga. Ahitsio
Tominjaka: p.t.: Fatra-pihetsiketsika be nefa tsy mahavita inona firy. - t.i.f. : Mitominjaka j tominjaminjaka. Ahitsio
Tominjana: Trotraky ny asa, tsy mahahetsika firy no-ho ny havizanana. - t.i.f: Mitominjana. Ahitsio
Tomoerana: (toetra) mt. ih. (tomoero): Itoerana, ipetrahana, ijanonana. Ahitsio
Tomoetra: (toetra) mt. a.: Mitoetra, mipetraka, mijanona: Hitsinjouana ny ho auy ny vary tomoetra ao an-trano. - t.i.f.: Tomoerana, atomoetra, tafatomoetra / mitomoetra, fitomoetra, mpitomoetra / itomoerana, fitomoerana / mahatomoetra. Ahitsio
Tomohoka: p. t.: Fano morona; matavy be, botrefom-be (t.vr.: tomohotohoka). Ahitsio
Tomombana: p.t.: Vita tsara tanteraka, lavorary: Tomombana ny fanomananay ka dia hatomboka ny lanonana. - t.i.f.: Voatomombanajmanatomombana j anatomombanana, fanatomombanana. Ahitsio
Tomorina: (tomotra) mt ih. (tomory): Akekezina akaiky dia akaiky: Tomory ny sary raha tsy hitanao mazaua tsara. Ahitsio
Tomotra: ft.: Akaiky dia akaiky. i Tomorina, atomotra, voatomotra, tafatomotra j antomotra. Ahitsio
Tompo: a.: Olona manana fahefana amin'ny hafa ka afaka hampanao azy ny sitrapony sy mibaiko azy: Tompoko angaha ianao no ndeha handidy sy hibaiko ahy? • Enti-milaza ny olona izay manana ny zavatra iray tenenina: Tsy fantatra ny tompon'ity boky ity. • Entimilaza koa an'Andriamanitra na i Jesoa Kristy: Amin' ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika! ? Fitanana mafy ny hevitry ny tena ho mari-na. - t.i.f.: Tompoana, tompoina, voatompo, tinompo j manompo, fanompo, mpanompo ! anompoana, fanompoana j mifanompo j mitompo, fitompo, mpitompo j itompoana, fitompoana j mahatompo j tompotompo / manompotompo. - F.-p.: Tompoko, tompokolahy, tompokovavy: teny asolo ny anaran'ilay itenenana ho mari-panajana. /ltompokolahy na Ratompokolahy - Itompokovauy na Ratompokouauy: teny fanajana apetraka eo alohan'ny anaran'olona efa maty. / Tompo-marika: jar. marika. / Tompom-bady: ny vadin'ilay olona tenenina izay ma-nana fahefana aminy noho ny hafa. / Tompom-bodiuona: teny hafa iantsoana koa ny tompomenakely fahiny. / Tompom-paty; tompon' alahelo, tompo-manjd: entimilaza ny fianakaviana na ny havana akaiky amin'ilay maty. / Tompon Jato, tompon' arivo: enti-milaza ny mpifehy ny zato, ny arivo na•ny mpitondra faritany ankapobeny. / Tompon-dia: ny mpitari-dalana arahin'ny maro avy aonana. / Tompon-draharaha: ny tonian'ny asa na mpikarakara ny raharaha iray atao. I Tompon-kenatra: ny tompon'andraikitra tsy nahalavorary ny adidiny ka iharan'ny fahafaham-baraka. / Tompon-trano: ny mipetraka ary mizaka sy miandraikitra ny ao an-trano; mifanohitra amin'ny vahiny. / Tompon-tany: ny mipetraka sy monina amin'ny tany iray, mifanohitra amin'ny vahiny mpfavy avy ivelany. / Tompon-tantana: ny mpiandraikitra ny fizarana hanina rehefa misy tantana. * Ohab.: Tompony mangataka atiny: enti-milaza olona tsy manam-pahefana intsony na kely aza amin'ny zavatra efa namidiny - olona iharan' ny tsy rariny amin'ny fananany ka izy tompony indray no mihafihafy mangataka amin'ireo mpandroba na mpifetsifetsy. Ahitsio
Tompoana: (tompo) mt. ih. (tompoy): Enti-milaza hevitra izay tanana mafy aminkiry: Tompoany mafy izany heuitra izany ka tsy hita izay hatao. Ahitsio