Litera T

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tompoina: (tompo) mt. ih. (tompoy): Hajaina izaitsizy sy ekena: Aza tompoina ny vola fa hobaikoiny sy hasainy manao izao ratsy rehetra izao ianao. Ahitsio
Tompomenakely: a.: Andriana napetraky ny mpanjaka amin'ny menakely na tany tsy iadidiany mivantana. Ahitsio
Tompon-daka: a.: Teny entimilaza izay voalohany amin' ny karazan-daolao nifaninanan'ny maso nandritra ny taona: baolina, alahazakazaka, ady totohondry... Ahitsio
Tompondrano: a.: Karazam-bibilava malama hoditra mpitoetra amin'ny petsapetsa; mety hahatratra hatramin' ny refy ny halavany; tsy mba mpiakatra an-tanety ny tompondrano afa-tsy indraindray tadiavina, ka noheverina ho fambara loza ny fahitana azy amin'izay. Ahitsio
Tompontany: a.: Karazam-bibilava mitovitovy amin'ny tompondrano ihany saingy mena ny tapaky ny rambony; karazana efa mihavitsy izy ireo. Ahitsio
Tona: a.: Anaran-kafa ilazana ny amalom-bandana. ¶ M.h.: Driatra. Ahitsio
Tona: sy Dona a.: Bibilava lehibe mpandeha amin'ny alfna sy amin'ny toerana maizimaizina. ? Amalombandana. Ahitsio
Tonafana: (tonaka) mt. ih. (tonafy): Tsoforana dona-tsetroka: Notonafana ilay biby ka nivoaka ny lauany. Ahitsio
Tonaka: p.t.: Teny miaraka mandrakariva amin'ny "ilay" na "ikala", ka entina milaza olon-dratsy tsy vanona na tsy misy antony: Nofitahin' ilay tonaka iny indray aho lahy! Ahitsio
Tonaka: a: Fanatsoforana dona-tsetroka hampivoaka ny biby avy ao an-davany na izay itoerany; vono atao, fikapohana. i Tonafana, atonaka, voatonaka. Ahitsio
Tonàka: p.t.: Fatra-pipetra-potsiny tsy manao na inona na inona; mpidonana-poana. i t.i.f.: Atonàka j mitonàka, fitonàka, mpitonàka. Ahitsio
Tonàna: p.t.: Midonanaka, mipetrapetra-poana ary adaladala tsy ampiampy saina. Q M,h.: Manohon-tanana. Ahitsio
Tonanaka: p.t.: Jer. Donanaka. Ahitsio
Tonantonana: a.: Mitsikamokamo, mivarora-dava, midonana-poana. ? Fivezivezena foana tsy misy antony; fahatongavana amin'ny toerana iray tsy nisy zava-natao. - t.i.f.: Atonantonana, voatonantonana, tafatonantonana j manatonantonana, fanatonantonana j mitonantonana, fitonantonana j itonantonanana, fitonantonanana / mahatonantonana. Ahitsio
Tonazy: (fr. tonnage) a.: Ny lanjan'entana mety ho zakan' ny sambom-barotra iray. Ahitsio
Tondra: ft.: Famindrana toerana zavatra entina miaraka amin'ny tena. - t.i.f.: Mitondra, fitondra, mpitondra / itondrana, fitondrana j mahatondra. Ahitsio
Tondrahana: (tondraka) mt, ih. na mt. pdr. (tondrahy): Enti-milaza ny voly rarahana rano mba haniry tsara: Tondrahy ny voninkazontsika, anaka. ? h. i.: Enti-milaza izay rehetra rarahana rano na ranon-javatra: Notondrahany divay ny trondro dia nohaniny tamim-pankasitrahana erg. Ahitsio
Tondraka: p. t. : Enti-milaza ny rano mitombo na misondrotra be dia be ka mihoatra ny fefy na ny morondrano: Tondraka i Betsiboka. ? Misy be dia be: Tondraka ny paiso 0o an-tsena. • a) Fampidirana rano amin'ny tany fambolena na fandrarahana rano amin'ny voly mba hampaniry azy; b) famelana ny biby hanaram-po miraoka ahitra eny amin'ny volin'olona. - t.i.f.: Tondrahana, atondraka, voatondraka, tafatondraka / manondraka, fanondraka, mpanondraka f anondrahana, fanondrahana j mitondraka, fitondraka, mpitondraka I itondrahana, fitondrahana j mahatondraka f tondratondraka. Ahitsio
Tondrantondrana: p.t.: Mpitavozavoza, tsy mba kinga na mailaka. i tif: Mitondrantondrana, fitondrantondrana, mpitondrantondrana. Ahitsio
Tondrendrena: p. t. : Matoritory, tsikamokamo, toredretra. i t. if.: Mitondrendrena, fitondrendrena, mpitondrendrena. Ahitsio