Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vandravandra: a.: Fifantohan' ny maso mafy eo am-pijerena misoritra hatezerana lehibe. i t.if.: Avandravandra, vosvandravandra, tafavandravandra 1 mamandravandra, famandravandra, mpamandravandra I amandravandrana, famandravandrana 1 mivandravandra, fivandravandra, mpivandravandra / ivandravandrana, fivandravandrana I mahavandravandra. Ahitsio
Vandriana: (vandry) mt. ih. (vandrio): Tilfna. Ahitsio
Vandrika: a.: Karazan-kazo mafy somary vony (Craspidospermum verticellatum). Ahitsio
Vandrina: Mitovy amin'ny Bandrina. Ahitsio
Vandry: ft.: Fitiliana, fiandrasana izay ho voan'ny velapandrika napetraka. i Vandriana, avandry, voavandry / mivandry, fivandry, mpivandry 1 ivandriana, fivandriana / vandrivandry. Ahitsio
Vandy: (fit.-p.) a,: Lainga. i t,if.: Mivandy, fivandy, mpivandy 1 mavandy. Ahitsio
Vanga: a.: Karazam-borona sady mifaingoka no mafy ny vavany (Vanga curvirostris). Ahitsio
Vanga: a,: Varotra (fivarotana sy fividianana). 1 t.f.f.: Mamanga, mivanga. - F.-p.: Mitam-banga, mpitam-banga: olona mivarotra ho an'ny hafa fa tsy ho an' ny tena. Ahitsio
Vanga: na Vangavangap.t.: Teny ilazana loko misy pentina mainty na mena, fa fotsy ny tokotaniny. Ahitsio
Vango: (Ski) a.: Karazan-trondron-dranomasina izay tsy saro-pantarina amin'ny kirany madinika betsaka izay mihintsana ho azy raha vao fihinina mafimafy ny trondro; matsiro nofo, saingy bebe taolana ny vango: halavany: 75 sm (midina any an-dranomasina ny vango rehefa hanatody eo amin'ny volana Zanvie ka hatramin'ny vola-na Marsa). Ahitsio
Vango: a.: Famelezana izaitsizy; fanesokesohana (sakafo) tsy misy fiatoana. - t.i.f.: Vangoana, avango, voavango, vinango / maman-go, famango, mpamango / amangoana, famangoana 1 mifamango / mahavango I vangovango 1 vangovângoina 1 mamangovango / vangony, vangovangony, ambangovangony. Ahitsio
Vangoana: (vango) mt. ih. (vangdy): Asiana, velezina, kapohina mafy: Novongoany ny zandriny ka nivanditra ny ronjony. ~ Akesokesoka, arapadrapaka. Ahitsio
Vangongo: a.: Fitangoronanjavatra miavoavo amin'ny toerana iray, tangongo, sangongo. i Vangongoana, vangongoina I vangongo, voavangongo, tafavangongo 1 manavangongo, fanavangongo, mpanavangongo 1 anavangongoana, fanavangongoana 1 mivangongo, fivangongo I ivangongoana, fivangongoana / mahavangongo. Ahitsio
Vangongoana: na Vangongoina (vangongo) mt. ih. (vangongoy): Entina milaza ny zavatra itangoronana: Novangongoan'ny vitsika ilay sombimofo. Ahitsio
Vangovango: (vango) a.: Fanaovan-javatra amin'ny ankapobenyfotmny. Ahitsio
Vangovangoina: (vangovango) mt, ih. (vangouangoy): Atao amin'ny ankapobeny fotsiny. Ahitsio
Vangy: a: Fandehanana mitsidika olona any aminy; fitsapana alehelo noho ny fahafatesan-kavana. - t.i.f.: Vangiana, avangy, voavangy / mamangy, famangy, mpamangy 1 amangiana, famangiana I mampamangy I mahavangy I vangivangy. Ahitsio
Vangy: a.: Nify maranitra sady somary lavalava kokoa noho ny sasany manelanelana ny vazana sy ny nify anoloana, eo an-kilany sy an-daniny avy. a t.if.: Vangivangy 1 mivangivangy, flvangivangy. - F,-p,: Manasa uangy: miteny be mamely, manao vava be, manati-kabary. ¶ M. h.: Ombalahinify.Vangiana (uangy) mt. ih. (vangio): Tsidihina, aleha any aminy ho fanehoana firaisampihavanana aminy na ho famalifaliana azy raha marary: Rahampitso i Dadatoa no hovangianay eny amin'ny hopitaiy. ~ Tsapaina alahelo, alana alahelo, haladina: Toa tsy novangianareo akory Rasoa tamin'ny izy maty ana-ka? Ahitsio
Vaniana: a. Ny kibo malemy, faritra ambany indrindra amin'ny kibo (ny faritra amin' ny ilany roan'ny vaniana dia atao hoe: "lohavaniana" ary ny ao an-damosina "valahana"). Ahitsio
Vanika: a.: Fampisehoana ny nify, na ho mari-pihomehezana tsy afa-manoatra izay na ho mari-katezerana; tsy fahakombonan'ny vava noho ny harerahana mafy. 1 t.if: Avanika 1 mivanika, fivanr7ra, mpivanika 1 ivanihana, fivanihana. Ahitsio