Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Variaminanana: a.: Vary misy teti-kena sy karazan'anana samihafa (anatsonga, anamamy, voatabiha, tongolo...) handroina miaraka. Intelo miantoana no fahandro ny variaminanana: ny teti-kena aloha, dia ny anana, ary izaY vao ny fotsimbary rehefa mangotraka ireo. Ahitsio
Variana: p. t.: Vary hevitra: Very ny firavako sarobidy ka variana aho. 1 Lasa eritreritra: Variana aho mijery ireto tanora betsaka, tsy maintsy hitadiauana asa rahampitso, 1 Mifantoka amin'ny zavatra tokana ny sain ka manadino izay tokony hatao, sondriana, revo: Varian-dalao izy ka tsy nahatsiaro sakafo akory. - t.i.f.: Mahavariana, fahavariana, fahavarianana / varivariana. Ahitsio
Varibotry: a.: Dihim-behivavy iray karazana amin'ny tsipisandry ihany fa miletaka mihabotry somary manjoko ny mpandihy. Ahitsio
Varidimiventy: a.: Anaram-bola izay latsaka kely noho ny varifitoventy. * Ohab.: Varidimiventy namidy vozon-kena: kely ihany fa misauily any an-katony na Varidimiventy namidy trafonkena: kely ihany fa lasana ambony: ilazana zavatra kely jerena toa tsy inona, nefa nahazoana na nahavitana zava-dehibe. Ahitsio
Varifitoventy: a.: Anaram-bola mitovy amin'ny variraiventy impito, izany hoe mitovy lanja amin'ny voambary fito, ka ny sandany dia dimy santima amin'ny vola ankehitriny (0,05f). Ahitsio
Varijo: p. t.: Enti-milaza ny omby fotsy handrina. Ahitsio
Varika: a.: Karazana gidro kely, ny rambony misoratra mitapatapaka. Ahitsio
Varikitia: a.: Anaran-kazo madlnika (Clorodendron emirnense). Ahitsio
Varimbazaha: a.: Karazam-bary famboly indrindra any amin'ny tany mangatslaka (E-oropa, Amerika avaratra...), ahazoana ny lafarina, izay anaovan ny mofo atao hoe mofo dipaina. Ahitsio
Varina: a.: Fidinana, fianjerana, fitsingidinana, fanonganana, fionganana. i Avarina, voavarina, tafavarina / mamarina, famarina, mpamarina / amarina-na, famarinana / mivarina, fivarina, mpivarina / ivarinana, fivarinana / mahavarina, varimbarina. Ahitsio
Varina: (vatra) mt, ih. (varo): Zarina: Varo hikarakara tena ireo zaza ireo. Ahitsio
Varinesy: (angl. uarnish) a.: Zavatra ahosotra ny hazo mba hampalambolambo ary hampamirapiratra azy. Ahitsio
Varingarina: a.: Iraizotongotra izay manana fototra faribolana. Ahitsio
Variona: a.: Rivotra avy andrefan'ny amorontsiraka atsinanana; ny avy any atsimo kosa atao hoe anintafara. Ahitsio
Variraiventy: a: Anaran'ny vakim-bola kely indrindra. mitovy lanja amin'ny voambary anankiray; ny sandany dia iray ampaharoapolo amby fitonjaton'ny ariary. Ahitsio
Varirotra: p.t.: Enti-milaza ny tarehy na molotra mifendrotra na mifandrirotra noho ny zava-mahazo. - t.i.f.: Mivarirotra, fivarirotra / mahavarirotra / varirodrirotra. Ahitsio
Varivarina: (varivary) mt. th. (varivario): Asianavarivary. Ahitsio
Varivary: a: Tsy tena mamo, falifaty noho ny hantamoana, mienjina, jaonjaona. 1 Atriatry, salasalany, tsy kely tsy lehibe (filaza indrindra amin'ny hazandrano). Ahitsio
Varivary: p.t.: Vakin-kazo lava marotsaka fantsihana amin' ny lohatrano ka ipetrahan' ny tafo: Volotsangana no fanao uarivarin'ny tafo. 1 t, : Varivarina, mamarivary, famarivary, mpamarivary / mahavarivary. * Fiten.: Ianao no vovonana iadian'ny lohany, varivary andrian'ny tafo: enti-milaza olona ipetrahan'adidy amana andraikitra lehibe. Ahitsio
Varizohina: (varizoka) mt. ih. (uarizohy): Enti-milaza zavatra resahina lavareny, tsisy farany. Ahitsio