Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vahoho: a.: Fiasana fihazonana mafy ny zavatra tefena na arafitra mba tsy hihetsiketsika. Ahitsio
Vahona: a.: Karazan-javamaniry mangidy izaitsizy ampiasain'ny olona ho fampivalanana (ny vonin'ny vahona atao hoe sahondra). Ahitsio
Vahonolona: a.: Karazam-bahona maniry amin'ny tany be vato sokay; misondrotra avo noho ny karazam-bahona tsotra ny faniriny ka ny raviny amin'ny tapany ambany dia miala toy ny an'ny ravinala ka raha tazanin-davitra — indrindra amin'ny alina — dia mova tsy toy ny olona izao. Ahitsio
Vahorana: na Vahorina (vahotra) mt. th, (vahory): Azon' ny tahotra; ampitahorina. Ahitsio
Vahotra: p. t.: Mionkina ny hozatra ka tsy mahahetsika, na noho ny hatsiaka na noho ny hatairana: Amin'izao fahalasanan'ny havana tampoka izao, vahotra ny lela. - t.i.f.: Vahorana, vahorina, voavahotra 1 mamahotra, famahotra, mpamahotra I amahorana, famahorana 1 mivahotra, fivahotra, mpivahotra j ivahorana, fivahorana 1 mahavahotra I vahobahotra 1 havahotra. Ahitsio
Vahovaho: p. t.: Mangovingovitra; miambakambaka, adala vava. - t.i.f.: Mivahovaho, fivahovaho, mpivahovaho 1 ivahovahoana, fivahovahoana / mahavahovaho. Ahitsio
Vahy: a. : Zavamaniry mandady amin'ny hazo: Misy dimy amby roapolo karazana ny vahy eto Madagasikara. * Ladim-bahy: ny tahon'ny vahy. / Vahiny: tsorian-javatra hita mazava tsara, hita amin'ireo teny toy ny hoe: "uahindanitra", "vahindroroha" der. ireo teny ireo). / Vahin-kandrina: ilay hoza-dra hita manasaka eo amin'ny handrin'ny olona sasany. * Ohab.: Tsy mifikitra amimbahy maina fa mifikitra amim-bahy lena: miantehitra na miankina amin'ny olona azo antoka. Ahitsio
Vaika: na Vaiky p. mt.: Saika na saiky. Ahitsio
Vaika: a.: ilay vy kely entina hampiatrana ny fem-basy. 1 t.i.f.: Vaikaina, avaika, voavaika 1 mamaika, famaika, mpamaika 1 amaikana, famaikana 1 mivaika, fivaika 1 ivaikana, fivaikana / mahavaika. Ahitsio
Vaikaina: (vaika) mt. ih (vatkào): Atranina. Ahitsio
Vaikavaika: a: Vozavoza, fidrahodraho, fitaraiky, i Mivaikavaika, fivaikavaika, mpivaikavaika I ivaikavaikana, fivaikavaikana 1 mitsivaikavaika. Ahitsio
Vaindoha: a.: Mpitarika, fototra, tonie: Izy mihitsy no te-na vaindohan-draharaha tamin'io. Ahitsio
Vainga: Vaingavainga na Vaingana a.: Vongan-javatra vaventy; didin-javatra makadiry: Lasan'ny saka ilay vaingan-kena teo ambony lovia. / Miempo ny vaingan-dranomandry raha vao tratran'ny hafanana. i t.if.: Vaingana, avainga, voavainga 1 mamaingavainga, famaingavainga, mpamaingavainga 1 amaingavaingana, famaingavaingana 1 fivaingavainga 1 mivaingana, fivaingana, 1 ivaingavaingana, fivaingavaingana. Ahitsio
Vaingaina: (vainga) mt. ih. (vain-gon): Didiana, akana didiny iray. Ahitsio
Vaingana: (vainga) mt. ih. (vaingao): Didiana: Vaingào kelY ity hena ity. Ahitsio
Vaingo: p. t.: Miolana, miolaka. ? F.-p.: Miala vaingo: manao fe manao, manao mba ho hitan'ny olona fotsiny fa efa nanan, miala safay. Ahitsio
Vaitra: a.: Haitraitra, di-doha. i t.if.: Mivaitra, fivaitra, mpivaitra f vaibaitra. Ahitsio
Vaivay: p. t.: Mena midorehitra, mena mangatrakatraka, i t. if.: Mamaivay, mivaivaY, fivaivay 1 mavaivay. Ahitsio
Vajihy: (Btm) a.: Handrina. Ahitsio
Vaka: p.t.: Tsy mahatapa-kevitra amin'izay hatao, sahirantsaina, sanganehana, sakodiavatra: Vaka ity ny saiko: sady ta handeha aho no te hijanona. 1 Vakavaka i vakavakaina 1 mivakavaka, fivakavaka, mpivakavaka 1 ivakavakana, fivakavakana I mahavakavaka. Ahitsio