Vavony | : | a: Kitapo mahalany eo amin'ny 1,5 1 (ho an'ny olombelona), izay mihetsiketsika mandritra ny ora vitsivitsy aorian'ny sakafo ka manakobana sy manapotipotika ny sakafo; tsy izany ihany fa mbola manova ny toetrany simika koa izy amin'ny alalan'ny fiharombavony izay ao anaty rindrim-bavony.
Ahitsio |
Vavorona | : | a.: Ireo lavak'orona roa hita amin'ny olombelona sy ny biby sasantsasany toy ny omby, soavaly, alika, sa-ka sns..., mba hidiran'ny rivotra iainana ary koa hivoahan'ny rivotra izay vao avy niainana.
Ahitsio |
Vavy | : | a: Olona na biby ma-nana toe-batana natao hiteraka. - t.i.f.: Vaviana, vavina, va-vans / mavavy, famavy, mpamavy.
Ahitsio |
Vay | : | a.: Fiangona-nana ao anaty nofo. * Ohab,: Manao vain-drahalahy tsy mba maharary: tsy miraharaha afa-tsy izay mahazo ny tena ihany, fa ny an'ny sasany heverina ho tsinontsinona.
Ahitsio |
Vazaha | : | a.: Ireo olona fotsY hoditra, mena sofina avy any Eoraopa: Tamin'ny tao-na 1.500, hono, no nahiton' ny Vazaha voalohany an'i Madagasikara 1 h.i: Rehefa mety ho vahiny avy any ampitan-dranomasina na avy an-tany hafa. - t.i.f.: Vazahaina / mahavazaha / vazahazaha.
Ahitsio |
Vazahaina | : | (uazaha) p.t.: Atao araka ny fomban'ny Vazaha.
Ahitsio |
Vazahazaha | : | p.t.: Manana fomba manahatahaka ny an'ny Vazaha.
Ahitsio |
Vazakakio | : | na Kakio a: Karazam-boloky madinika toy ny sarivazo, saingy mainty.
Ahitsio |
Vazana | : | a: Ireo nify vaventy fara laharana indrindra ary fanaikerana ny zavatra mafy: Maniry fara vazana 1 Zoro na lafiny efatra ambony amin'ny trano: Vazantrano. 1 h.i.: Lafiny efatra amin'ny tany: Eran'ny vazan-tany. i t.Lf.: Vazànana, avazana, voavazana / mamazana, famazana, mpamazana ) amazànana, famazànana 1 mifamazana 1 mahavazana 1 vazambazana. - F,-p.: Vazan'aina: ilany kely amin'ny aina, sombimpahatsiahivana. / Tsy hitan' ny Uazan'aina akory: entimilaza zavatra hanina bitika kely ka zara raha tsaroan' ny aina.
Ahitsio |
Vazanana | : | (uazana) mt. ih. (vazàno): Kekerina mafy: Nouazanan'ny alika ny feny ka naratra ary lasa haingana any amin'ny Dokotera izy. ~ Terena mba hanoka-bava sy nify: Tsy maintsy vazanana i Koto rehefa ampisotroina fanafody.
Ahitsio |
Vazavaza | : | a.: Antsoantso mafy; hirahira mafy tsy misy laniny ary tsy hita izay mahatsara azy. - t.i.f.: Vazavazaina, voavazavaza/ mivazavaza, fivazavaza, mpivazavaza / ivazavazàna, fivazavazàna / mahavazavaza.
Ahitsio |
Vazavazaina | : | (vazavaza) mt. ih. (uazavazao): Antsolna kiakiahana mafy.
Ahitsio |
Vazimba | : | a.: Olona fohy sady kely, nonina tamin'ny tanin' ny Marina fahizay ary nivavahan'ny olona sasany sy nohajainy ny fasany taty aoriana. • h.L: Olona na zavatra kely loha sady fisaka: Fantsika loham-bazimba. t,if.: Vazimbaina.
Ahitsio |
Vazimbaina | : | (vazimba) mt. ih. (uazimbao): Tsiratsiraina, zimbazimbaina, atao tsinontsinona.
Ahitsio |
Vazina | : | p. t.: Fano vovoka, ma-loto, komavoka, be fotaka: Vazina aoka izany Ikoto niarina avy tao anaty fotaka. • Vasoka, vasobasoka, matromatroka toa maloto. • Tsy misy hajany, revo amin' ny zavatra iray ka tsy mahatandro ny voninahiny, - t.i.f.: Manavazina / mivazina, fivazina, mpivazina / ivazinana, fivazinana ! mahavazina / vazimbazina.
Ahitsio |
Vazivazina | : | (vazivazy) mt. ih. (uazivazio): Anaovana vazivazy, vosobosotra: Novazivaziko teo izy dia tezitra. • Esoina, harabina: Tandremoi tsy azonao uazivazina aho.
Ahitsio |
Vazivazy | : | a.: Zavatra atao mba hihomehezana, hanaovana sangisangy; vosobosotra: Ra-koto iny koa mba be vazivazy erg. • Fanesoana, fanarabiana: Tsy lefitro intsony ny vazivazin'ise, ry Koto, ka otsaharo hatramin'ny masonandro androany. / t.if.: Vazivazina, avazivazy, voavazivazy / mamazivazy, famazivazy, mpamazivazy / amazivaziana, famazivaziana / mivazivazy, fivazivazy, mpivazivazy / ivazivaziana, fivazivaziana / mahavazivazy. ¶ M.h.: Kivazivazy, somon ga, vosobosotra, sangisangy, kihanihany, kilalao, tsihanihany, safary, ala hamohamo, hatsikana, haikaika. — Voso-dratsy, sangisangy zary tenany, sangy mihoatra ny loha, fanory. — Mpanao kiuazivazy, kivalavala, hatsikana, katsikana, akisakisabe, hotsohotso, mpananihany, mpiaingiaingy, ariralahy, ariravavy, kapotsaka, mpiangano.
Ahitsio |
Vazizo | : | a.: Resaka tsy misy laniny na fiafarany ka mankaleo. • Fitampesonana na tomany lavareny ka mahasosotra ny mihaino azy. 1 tif: Mivazizo, fivazizo, mpivazizo / ivazizoana, fivazizoana / mahavazizo.
Ahitsio |
Vazizotra | : | a.: Jar. Vazizo.
Ahitsio |
Vazo | : | a.: Vehivavy sakaizan' ny lehilahy iray ivelan'ny tokantranony. — Indraindray anefa, na ny lehilahy sakaizam-behivavy koa aza dia a-tao hoe vazo araka ilay fitenenana hoe: "Tsy manam-bazo afa-tsy Rainisambainy".
Ahitsio |