Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vazo: a.: Kalom-pitiavana ahatsiarovana olon-tiana; kalon' olo-manina. i t,if.: Vazoina J mivazo, fivazo, mpivazo / ivazoana, fivazoana / mahavazo / vazovazo. Ahitsio
Vazoina: (vazo) mt. ih. (vazoy): Hiraina, kaloina: Nouazoin' nyAvana ny hanin-kavana. • Anaovana vazo na kalompitiavana: Imiangaly no nouazo i n' And riana mpo inimerina. Ahitsio
Vazomboana: a.: Aretin'andoha manelonelo sy dontodonton'ny hamamoana ny omalin' iny. - F,-p.: Miala uazomboana: misotro toaka kely indray mba hanala ny fahadontodontoana sy fahalemilemena tamin'ny fahamamoana ny omalin'iny. Ahitsio
Vazy: (fr, vase) a.: Fitoeramboninkazo, tavim-bonkrkazo. Ahitsio
Ve: Kianteny kely enti-manontany, ka tsy manomboka fehezanteny no ampiasana azy fa eo aorian'ny teny fototry ny fanontaniana: Handeha ue ianao amin'ny Alakamisy? — Amin'ny Alakamisy ve ianao no handeha? Indraindray, azo amplasaina miaraka amin'ny moa ny ve ka atao manarakaraka azy: Moa ve hijanona ianaof Ahitsio
Vehana: a.: Halavan-drefy ha-tao amin'ny tendron'ny fanondro ka hatramin'ny tendron'ny ankibe (vodivoampelatanana miverina indroa, na voatondro Polo, na zehy latsaka tondro). * F,-p,: Tsy miala vehana: tsy manaiky ny hihemotra na kely aza. Ahitsio
Vehivavy: a.: Ny olombelona vavy natao hiteraka, izany hoe manana ny toe-batana mifanohitra amin'ny an'ny lehilahy: Tsy misy tsy natera-behivavy. * F.-p.: Vehivaviny: enti-milaza ny vazo na sakaiza ratsy na tokantranomason'ny lehilahy iray. Ahitsio
Vela: a.: Fanalanonana; fainetrahana, famoizana; fanomezan-dalana, famindram-po amin'ny hadisoana vita. i t.Lf.: Avala, ambela, voavela, tafavela / mamela, famela,mpamela / amelàna, famelàna / mifamela / mivela, fivela, mpivela / ivelàna, fivelàna / mahavela / velavela. Ahitsio
Vela: a.: Trosa alan'izay resy amin'ny lalao fanorona. 1 I-lazana koa ny vato telo sisa amin'ny fanoron-dimy, na ny vato dimy amin'ny fanoron-tsivy. * Matim-bela: enti-milaza ny resy amin'ny fanorona. / Mihinam-bila na homam-bela: enti-mllaza izay resy manao valin'ady ka avy hatrany dia haniny ny vela. / Tsy afa-bela: ilazana faharesena tanteraka na fahavoazana mitohitohy. / Velamaivoho: fomba iray filalaovampanorona: esorin'ilay naharesy ny laharana iray amin' ny vatony. / Tsontsam-paika ka matim-bela: enti-milaza fahavoazana na fahafaham-baraka satria nanao hadisoana. Ahitsio
Velarana: (velatra) rat. pdr. (ve-Iaro): Enti-mllaza ny olona izay anaovana ny asa voalaza ao anatin'io matoanteny io: Velarana tsihy ny uahiny, Ahitsio
Velarina: (velatra) mt,ih. (vela-ro): Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan'ny olona! ? Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin'ny takila fahatelo amby roapolo, • Aseho hatao milamina sy milahatra tsars mba hanaltra ny mason'ny olona: Nouelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra. • Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy. • Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala. Ahitsio
Velatanana: a.: Dihim-behivavy ka ny felatanana no avadibadika. Ahitsio
Velatra: a.: Fandaharana; fampisehoana hiharihary; fandaharana sy fandaminana ny zavatra hamidy ho hitan'ny olona rehetra. 1 t.Lf.: Velarina, velarana, voavelatra, tafavelatra 1 mamelatra, famelatra, mpamelatra / amelàrana, famelàrana I mivelatra, fivelatra / ivelàrana, fivelàrana / mahavelatra / velabelatra. Ahitsio
Velatry: (Ats) a.: Vavaka atao amin'Andriananahary sy ny Razana. Ahitsio
Velezina: (vely) mt. ih. (velezo): Kapohina mafy: Noveleziny tamin'ny kibay ilay kely ka saika torana. • Kapohina mba hihintsanan'ny voambary : Eo amin'ny famoloana no uelezina ny vary. • Ampanenoina: Velezo amin'izay àry ny lakolosy. / Any ambanivohitra dia ny amponga no velezina raha hamory ny fokonolona. * Fiten.: Velezo ny vy dieny mafana: hararaoty ny fotoana tsara hanaovan-javatra. Ahitsio
Velively: p. mt.: Teny tsy fampiasa raha tay miaraka amin' ny "tsy", ka entina manamafy ny fandavana: Tsy fantatro velively izany olona izany. Ahitsio
Veloma: p.t. (velona amin'ny fomba mandidy): Teny ifanaovana raha mifandao ka firarlana mba sarny mbola ho velona soa aman-tsara. - F.-p,: Veloma mandra-pihaona: veloma ifanaovana rehefa hisaraka handeha ka manantena mbola hihaona tsy ho eia / Veloma mifoha: teny ifanaovana rehefa hisaraka fa samy handeha hatory, mitovy amin'ny hoe: "tafandria mandry". * Fiten.: Veloma madinidinika, marina fantimpantenana: tomba fanaovam-beloman'ny mpifankatia miangolangola fiteny. Ahitsio
Velomina: (velona) mt. ih. (oelomy): Avala ho velona, noesorina tamin'ny fahafatesana ka naverina amin'ny fahavelomana indray: Efa nohelohin'ny fitsarana ho faty io olo-meloka io fa novelomin' ny Filohan'ny Nosy. 1 Karakaraina, ahina, omena sakafo: Tsy zakany velomina intsony, hono, ny zanany. 1 Ampanenoina, velezina: Velomy amin'izay ny lakolosy fa efa amin'ny valo maraina izao. ? Tsofina mba hirehitra: Novelominy indray ny a-fo nony Lasa ny fahaualo. • h,o.: Velomy isan'andro ny finoanao. Ahitsio
Velona: p. t.: Misy aina, tsy maty: Velona daholo ny zanakazo namboleko —Mbola uelona any ihany va re izay Rabe e! • Mandeha tsara, afaka mandeha: Efa uelono ve ilay fiarakodianao? • Maneno, midoboka, mirefodrefotra: Velona ny lakolosy — Velona ny amponga — Velona ny tehaka raha vao nitsangana fotsiny izy. • Mirehitra (amin'ny hevitra ara-bakiteny sy an'ohatra): Efa velona ny afo raha hahandro uary ianao — Velona indray ny hatezerany nandre izany teny izany. i Mihiratra, voasoritra, manan-kery: Mbola velona tsara izany fiteny izany — Mbola uelona mandraka ankehitriny ny "Kitay telo andalana". e Manomboka: Na-ka akalana iray avy izahay telo lahy dia velona tamin' izay ny resaka. • t.-p.: Teny atao firarian-tsoa raha misy olona mievina: Velona e! ? p. r nt.: Izaitsizy, aoka izany, fatratra: Maimbo velona io hena io izany! - t.i.f.: Veloma, velomina, voavelona, vinelona / mamelona, famelona, mpamelona / amelomana, famelomana / mivelona, fivelona, mpivelona / ivelomana, fivelomana / mampivelona, mpampivelona / mahavelona / velombelona. - F.-p.: Manao mamy fo uelona: tia tena izaitsizy. / Mihirim-belona: kahihitra fatratra. / Mikimpy velona: miaxitra izaitsizy. / Rano vela-na: rano mikoriana. / Velom-bao: enti-milaza ny vehivavy vao avy niteraka, tera-bao. / Velom-bolo: mitsiatsia tsara, falifaly, miramirana. J Velona akora: miantsoantso, mihorakoraka, / Velona ambod: enti-milaza ny olona tsy maty ny am-boa natao solony tamin'ny fampinomana ka naman'ny naharesy ihany. / Velona antoka: enti-milaza ny zavatra amidy amin'ny vidy nahazoana azy lhany. / Velon-dindo: mana-mpandimby mendrika; masonkarena. / Velondratsy: valons saingy ory fadiranovana. / Velona eritreritra: lasa fisainana, tonga ma-nana ahiahy. / Velon-)aza: nahazo zaza. I Velon-taho: ilazana ireo vodin-javamaniry alaina nefa tsy voaongotra ny tahony. I Tsy velon-komana: mahia kaozatra. J Velo-mihafy: kamboty mlahy tena. / Velo-misalahy: faly amin'ny anjara azo raha mfsy fizaran-javatra natao. Ahitsio
Velovelo: ft.: Sarlsary hita an' eritreritra; fahontsana man-gins. - t.i.f.: Mamelovelo. Ahitsio