Voahangindrano | : | a.: Karazamboahangy namboarina fa tsy vita-Nanahary.
Ahitsio |
Voahangisampandralambo | : | a.: Ny tsara sy sarobjdy indrindra amin'ny karazam-boahangy.
Ahitsio |
Voahangitsimandrilalana | : | a.: Karazam-boahangy lehibe indrindra.
Ahitsio |
Voahangy | : | a,: Zavatra boribory kely mahafinaritra avy amin' ny biby any anaty ranomasina, ataon'ny vehivavy fihaingoana; vakana, moraporitra, voavola.
Ahitsio |
Voahazoa | : | Karazan-javamaniry ahazoana menaka.
Ahitsio |
Voahirana | : | a.: Zavamaniry any anaty rano izay mamony ny tatamo (Nymphoea stellata),
Ahitsio |
Voaibe | : | p.t.: Makadiribe, goaibe.
Ahitsio |
Voailahy | : | p.t.: Tsy matahotra, mahery fo.
Ahitsio |
Voaka | : | a.: Fialana avy ao anaty toerana iray mankany ivelany; fisehoana ety ivelany; fampisehoana asa natao. 1 Avoaka, voavoaka, tafavoaka I mamoaka, famoaka, mpamoaka I amoahana, famoahana I mifamoaka / mivoaka, fivoaka, mpivoaka / ivoahana, fivoahana I mahavoakalvoaboaka.
Ahitsio |
Voakitsonamboa | : | a.: Karazana voaloboka (Vitis microdiptera).
Ahitsio |
Voalavo | : | a: Biby lavalava vatana, tsoky loha, lava rambo, mpanimba zavatra (indrindra ny voly sy tahirin-tsakafo) ary mpanely ny areti-mifindra amin'ny parasy entiny. Misy karazany telo ny voalavo: ny voalavo mainty, ny voalavo fotsy ary ny voalavon-drano. • F.-p.: Mamono voalavo: jar. Vono. / Tsy maty voalavo an-kibo: tsy levona 1o1ompo. * Ohab,: Voalavolahy sasatry ny miaina: saka matory ka alam-bolombava: enti-milaza ireo olona sahisahy loatra ka tsy mitaapa izay mety hahafaty azy akory. / Voalavo manaiki-by ka ny tsy laitran'ny nify no vazivazfna: enti-milaza ireo manandranandram-poana ka ny tsy azo atao no naikanaikana.
Ahitsio |
Voalavofotsy | : | a.: Karazam-boalavo misy fofona, matsilo vava ary maneno tahaka ny fody, tsy tian'ny saka hohanina (voalavofody no iantsoan'ny Tanala ny voalavofotsy).
Ahitsio |
Voalefoka | : | a.: Ny vody tatamo.
Ahitsio |
Voalehilahy | : | p.t.: Voafora, efa vita hasoavana.
Ahitsio |
Voaloboka | : | a.: Zavamaniry mandadina izay mamoa voany mamy fanaovana divay.
Ahitsio |
Voalobokala | : | a.: Voaloboka dia.
Ahitsio |
Voalohany | : | p.t.: Loha laharana, ny aloha indrindra: Ny volana zanvie no volana voalohany amin'ny taona. ? Fiandohana: Tany am-boalohany.
Ahitsio |
Voamadilo | : | a.: Voan'ny hazo atao hoe Kily, na Madilo, maniry any amin'ny tapany ataimo sy andrefana; tahatahaka ny voantsaramaso ao anaty fonony lavalava misy voany maromaro ao anatiny ny voamadilo, izay sady mamimamy kely no maharikivy, tian'ny ankizy fatratra, haninY amin'nY sira sy sakay; ny voamadilo dia mana-na toetra mampivalana ka azo ampiasaina raha mitohana.
Ahitsio |
Voamahery | : | a.: Karazana hazo madinidinika (Grewia).
Ahitsio |
Voamaho | : | (Btm) a.: Voan-javamaniry madinika manitra, sady matavy rehefa endasina.
Ahitsio |