Voanantay | : | a.: Karazan'anamamy maniry eny arnin'ny zezika. ~ h. o.: Enti-milaza ny zaza maroroka loatra.
Ahitsio |
Voanantoka | : | a.: Karazam-boangory mitovy habe amin' ny voanosy.
Ahitsio |
Voanantsindrana | : | a.: Karazankazo kely madinika mamimamy ny voany.
Ahitsio |
Voandamory | : | a.: Voatabiha maniry ho azy ary madinika kely.
Ahitsio |
Voandamoty | : | a.: Karazana paisom-bazaha teratany.
Ahitsio |
Voandelaka | : | a.: Anaran-kazo lehibe madinidini-dravina, ny voany mavo mitambatambatra ho sampaho.
Ahitsio |
Voandramiary | : | a.: Karazan-javamaniry fahita eny arnin' ny harambato na anaty honahona, misy voniny fotsy, mitovitovy bika amin'ny lisy.
Ahitsio |
Voanemba | : | a : Karazan-javamaniry madini-boa fanao fangaron-daoka matsiro,
Ahitsio |
Voanembanalika | : | na Voanembanamboa a.: Karazan-kazo madinidinika ny voany sy ny raviny, fanao famalanana na fisotro mampahatsemboka der. Talrokonangatra),
Ahitsio |
Voangaly | : | a.: Karazam-boangory mitovitovy amin'ny voanantoka, ny elany misy mitsoriadriaka fotsy (Cétonia).
Ahitsio |
Voangilombazaha | : | a: Anarana hafa ilazana ny voatabiha.
Ahitsio |
Voangoribe | : | a: Karazam-boangory be fihinana.
Ahitsio |
Voangorifotsivody | : | a.: Karazam-boangory kely fihinana, mifaritra fotsy ny vodiny.
Ahitsio |
Voangorimbaratra | : | a. :Karazamboangory kely mivelona any anaty ahitra.
Ahitsio |
Voangorimpasika | : | a.: Karazamboangory kely mivelona any anaty fasika amoron-drano.
Ahitsio |
Voangorinakoho | : | a: Karazamboangory.
Ahitsio |
Voangorindroho | : | a.: Karazamboangory.
Ahitsio |
Voangorintapia | : | a.: Karazamboangory.
Ahitsio |
Voangory | : | a.: Bibikely ohatra ny ankibe, ny vavany mafy natao hanorotoro ny fakankazo, ny elany roa mifanarona amin'ny andaniny avy ka ilay ivelany mafy toy ny kaninkaninkena.
Ahitsio |
Voaniho | : | a.: Karazan-kazo iray fianakaviana amin'ny rofia, ravinala, antendry, ans..., izay sady avo be no lehibe, ny voany mifono ao anaty akora be kirany (fanao borosin-trano), ny nofomboany azo akana menaka (diloilo kaokao) ary ny ao anatiny misy rano manan-tsiro manokana manala hetaheta.
Ahitsio |