Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Voanjo: a.: Karazan-javamaniry mamoa voa fakana menaka iray atao hoe mena-boanjo. (Rehefa hiova ho voany ny voniny, dia milentika any anaty tany ny tahom-boanjo, ka rehefa vokatra ny voanjo dia hadina ireo tahony ireo ary akifik,a mba hampihintsana ny voany; izany no nahatonga ny fitenenana hoe: "Ara atao toy ny tahomboanjo: ny nahitana indray no akifikifika") — Misy karazany roa ny voanjo: ny voanjobory ary ny voanjombazaha na kapika. Ahitsio
Voanjoana: (voanjo) mt. ih. (voanjo y) :Ametrahana voanjo. Ahitsio
Voanjopika: na Kapika a.: A-naran-kafa ilazana ny voanjombazaha (Btl: Vanjokatra). Ahitsio
Voankandrina: a.: Karazan-kazo fihinam-boa (Garcinia Ge-nordi). Ahitsio
Voankanina: a: Aretina azo tamin'ny hanina nisy mosavy. ? Tsy fahalevonan-kanina. Ahitsio
Voankarabo: a.: Karazam-bahy. Ahitsio
Voankavandra: a.: Karazan-kazo madinika mitovy amin' ny havandra ny haben'ny voany (Longani). Ahitsio
Voankazo: a.: Organa amin'ny zavamaniry izay avy amin' ny voninkazo ary misY ny voa hamelona taranaka azY indraY. Ahitsio
Voanketsihetsy: a.: Karazan-javamaniry mifanahaka amin' ny voatango. Ahitsio
Voanongo: a.: Anaran-kafa ilazana ny tanantanampotsy. Ahitsio
Voanosy: a.: Karazam-bibikely fianakaviamben'ny voangory mivelona eny ambony hazo sasantsasany. Ahitsio
Voantailahy: a.: Tsy fitoviana; fisaratsarahan-tsaina, fisaraham-bazana. - t.i.f.: Mivoantailahy, fivoantailahy. Ahitsio
Voantaimboalavo: a.: Karazankazo madinika. Ahitsio
Voantaindalitra: a.: Karazankazo. Ahitsio
Voantakasina: a.: Karazan-kazo madinika (Dracoena). Ahitsio
Voantamenaka: a.: Jar. Tamenaka. Ahitsio
Voantandroka: a.: Bibikely mipetraka amin'ny mandomando sy ny maizimaizina, saingy mihorona faingana izy rehefa raisin'ny tanna. Ahitsio
Voantay: a.: Karazam-boangory kely, manga mainty ny sorany ary manao ny tranony any anaty tain'omby. Ahitsio
Voanteny: (t. tr.) a.: Fahaizamandaha-teny — ankehitriny, ampiasaina hilazana ny amboaran'ny teny tsirairay fampiasa, atao koa hoe voambolana. Ahitsio
Voantolongo: a.: Voasarimakiranamarikivy izaitsizy. Ahitsio