Litera V

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Volavolaina: (volavola) mt. ih. (volavolao): Atao boribory ohatra ny volavola: Nouolauolainy ny feta dia nataony sarin'omby. ~ Eritreretina, alaina ambony alaina ambany, avadibadika: Efa novolauolainao tsara ve izany fikasanao izany? Ahitsio
Vole: (fr. volley) a.: Lalao fanatanjahan-tena misy mpilalao enina an-daniny sy ankilany, ka ny ifanlnanan'izy roa tonta dia ny fanipazana baolina tsy mitehi-tany eo ambonin'ny tady iray mivelatra. Ahitsio
Volena: (voly) mt. ih. ((oleo): Enti-milaza ny tany asiana voly: Voleo tsaramaso ity tany ity, ary itsy kosa voleo katsaka. (Tsara hotsahivina fa ny "ambolena" dia entimilaza ny zavamaniry, ny masomboly mihitsy, fa ny "volena" kosa enti-milaza ny tany na toerana asiana azy: Amboleo atsy avara-trano ity taho-mangahazo ity — Voleo mangahazo atsy avaratrano). Ahitsio
Volimbolina: a.: Enti-milaza zavatra miolanolana na miolikolika; tambolina. - t.i.f.: Avolimbolina, voavolimbolina 1 mamolimbolina, famolimbolina, mpamolimbolina / amolimbolenana, f am olimbolenana 1 mivolimbolina, fivolimbolina, mpivolimbolina 1 mahavolimbolina. Ahitsio
Volkano: (fr. volcan) a.: Tendrombohitra mivoaka riakan' afo mahamay avy any ankibon'ny tany; afotroa. Ahitsio
Volo: a.: Zavatra lava madinika kely ohatra ny kofehy tantra maniry amin'ny faritra sasantsasany amin'ny tenan'ny olombelona na ny biby ary na dia ny zavamaniry ara: Be volon-tratra io lehilahy io. / Be uolo mahafinaritra ny amboan'i Bary. / Ataon'ny olona fanafody ny volon-katsaka. ~ h,i.: Volon-doha: Efa lava ny volon' ise ka andeha mba hampanetezo. - t.i.f.: Volosana, avolo, voavolo 1 mamolo, famolo, mpamolo l amolosana, famolosana 1 mahavolo l volovolo 1 voloina. - F,-p,: May volon'orona na may volon-tratra: sahirana mafy ka dodona aoka izany er?. / Manala volon'orona: enti-milaza zavatra mandrara-pofona tsara dia tsars. / Manao soa volouoloina: manao soa arahin-datsa. / Manao volo: mamboatra volo, izany hoe mambango na mandrandrana azy. / Vo10 hoho: 1) a.: zavatra bitika kely tsinontsinona — 2) p, t.: tia tena, kahidy. / Volo homan-tena: ilazana singambolo lehibe maningana. / Volo mandady: volo manify manaraka ny fihirifana sy manodidina ny handrina. / Volo maniry: volo mandady amin'ny hatoka. / Volombody malaza: ireo volo lava mivolantsinana amin'ny volom-bodin'ny akoholahy, / Volombodin-trano: ny sisin' ny tafontrano anatiny. / Volom-bato: karazan-javamaniry bitika kely mandrakotra ny vato. / Volo ngita: volondoha sady fohy no mikainkona. / Volon-kazo: ireo toa volovolon-javamaniry amin' ny hazo, savorinala. / Volontany: fomba amam-panao amin'ny tany iray. / Volontany samy hafa: enti-milaza fa samy mamans ny fomba amam-panaony avy ny tany rehetra, / Volo oly: volondoha miolikolika na mivalombalona. / Volo rano: vo-Io manify sady malemy ohatra ny lasoà. / Volo tsotra: volon-doha mitsangana man-dry mahitsy. / Tany lava uolo: tany tsy mbola voavoly. / Ady volom-balala: ady atao amin'ny zavatra tsy dia inona akory. / Mihinana am-bolony: mampiasa zavatra tsy mbola vita akory. * Ohab,: Manao volo ngita mifandray tendro: entina milaza olona miray tetika hanao ratsy. Ahitsio
Volo: a.: Lokon-javatra na biby: Toy inona no volon' ilay ombinareo very izay? / Ity lamba tanora volo ity entinao fa tena manendrika anao mihitsy, 1 Endrika, tarehy: Tsy volon'olona handeha akory ianao izany! - t.i.f : Mivolo. Ahitsio
Volo: a.: Karazan-javamaniry fahita amin'ny tany mafana, manana toetra manokana: ny tahony tsoa-tokana tsisy rantsany, mavo malamalama, poaka aty, nefa misy tonony, mety ho voafihin'ny rantsantanana roa ny habeny, ary ny raviny etiety kely maranitra. — Maro karazana ny volo: ny voloandotra, ny voloandritra, ny volodia, ny volodiosy, ny volosanga, ny volosy, ny volotara, ny bararata, ny volotsangana, ny volovaliha, ary ny volovato (jer, ireo teny ireo). —( ? F.-p,: Ambanivolo: entimilaza ny ambanivohitra amin'ny tany amorontsiraka. Ahitsio
Voloa: (Ats) a: Vary nandrahoina tao anaty volo. Ahitsio
Voloandotra: a.: Karazana volo. Ahitsio
Voloandritra: a.: Karazana vola. Ahitsio
Volobe: a.: Ny fantsona andehanan'ny bala amin'ny basy. 1 Ny fantsona miolikolika amin'ny lalambika. Ahitsio
Volodia: a: Karazana volo. Volodiosy a.: Karazana volo. Ahitsio
Voloina: (volo) p.t.: Misy volo, be volo: Voioina ny ranjon-dRakoto ka tsy sahy mialapataloa izy. Ahitsio
Volokelimpamantaranandro: a.: Vimiaina kiritika kely amin'ny milin'ny famantaranandro. Ahitsio
Vololona: a.: Tsimoka mitrebona voalohany; ravina malemy izay miseho eny amin' ny tendron'ny hazo. - t.i.f.: Mamololona. Ahitsio
Volombatolalaka: p.t.: Volondavenona tanora. Ahitsio
Volombava: a.: Volo maniry eo ambonin'ny molotra ambony: Rehefa miresaka Rangahy io, jereo tsara fa aolanolany ny volombavany, 1 h.i.: Ny volo manixy eo ambanY saoka, izay atao hoe "Volon-tsômaka" amin'ny tena anarany: Ingahibe be volombava. Ahitsio
Volombitsika: a, na p.t.: Teny ilazana ny lako mavo mena. Ahitsio
Volomboahangy: a. na p.t.: Loko mena mavo. Ahitsio