Vorehina | : | (vorika) mt. ih. (voreho): Amosavfna, omena sakafo misy ody mahafaty na mankarary.
Ahitsio |
Vorenana | : | a.: Kiborin-kofehy. ~ p.t.: Fonetana, onkenana.
Ahitsio |
Vorery | : | p. t.: Maloto, be tsikoko, maharikoriko; afa-baraka. i t. L f.: Mamorery, famorery, mpamorery.
Ahitsio |
Voretaka | : | Mitovy amin'ny Boretaka.
Ahitsio |
Voretra | : | p.t.: Tsy mahavatra mikarakara na manadio ny tenany sy izay mikasika azy, ka maloto maharikoriko lalandava. - t.i.f.: Mivoretra, fivoretra / mamoretra / mahavoretra / voredretra I havoretra. ΒΆ M.h,: Kalaina, kisinina, vorery, tongovorery, tsy mahava-tena, benamboka, betsinamboka, vazina, misavoritaka, mikorontana, mikondendina, mikondendy, misafotofoto, misampotina, mikoretika, misavorovoro, mikorandendina, misaritaka, misafotaka, mitavona, misomotaka, safotetaka,
Ahitsio |
Vorika | : | a.: Mosavy mahafaty. - t.i.f.: Vorehina, avorika, voavorika 1 mamorika, famorika, mpamorika / amorehana, famorehana I mahavorika 1 voriborika.
Ahitsio |
Vorikena | : | a.: Ny faritra matavy amin'ny omby vositra.
Ahitsio |
Vorina | : | (vory) mt. ih. (vorio): Antsoina ho tonga miaraka amin'ny toerana iray: Novorina teo an-tokotanibe ny fokonolona taloha hihaino kabary. 1 Angonina: Mahatratra telo arivo ny vola novorina. - t.i.f, : Avorina, voavorina 1 mamorina, famorina, mpamorina 1 amorenana, famorenana I mivorina, fivorina 1 ivorenana, fivorenana I mahavorina 1 vorimborina 1 vorenana. - F.-p.: Vorim-pasika: antontam-pasika mivangongo; tobim-pasika miavoavo.
Ahitsio |
Vorinosy | : | a.: Karazam-bakana fotsy kilavalava.
Ahitsio |
Voritra | : | Jer. Vorotra.
Ahitsio |
Vorivorina | : | (vorivory) mt. ih. (vorivorio): Boriborfna, a-tao tonga vorivory: Vorivorio io hazo io.
Ahitsio |
Vorivoriny | : | sy Vorivorinkena a.: Anarana ilazana ireo kitapo faharoa sy fahatelo amin'ny vavonin'ny biby mandinika toy ny omby, manarakaraka ny roroha; rehefa avy tsakoin' ny biby fanindroany ny hanina, dia averiny avy any amin'ny rorohany ary mandalo mivantana any amin'ny vorivoriny.
Ahitsio |
Voroka | : | ft.: Fofona ratsy sady mantsina. 1 tif: Mavoroka / havoroka.
Ahitsio |
Voromahailala | : | a.: Vorona mpihinam-boan-iavamanirY ary fatra-pivelona miaraka, tsara hena ka ompian'ny olona. (Mahavita lalana lavitra ny Voromahailala ary afaka miverina amin'ny toerana nialany indray; avy amin'izany no nahatonga ny anarany (mahay lalana).
Ahitsio |
Voromahery | : | a.: Karazam-borona mpihaza sy mpihinankenam-biby velona; mety ho lehibe sy matanjaka ny voromahery any an-tany hafa ka mahazaka zanak'omby na zanak' ondry.
Ahitsio |
Voromanga | : | a: Teny entina ilazana olona tiana: Raha tsy tian'ny hafa aza, ravoromangako kosa!
Ahitsio |
Vorombato | : | a.: Anaran'akoholaby mahery miady fahizay, izay karazan'akoho vaventy ary somary mifaingoka ohatra ny an'ny boloky ny vavany.
Ahitsio |
Vorombazaha | : | a.: Jer. Ganagana.
Ahitsio |
Vorombe | : | a.: Jer. Gisa.
Ahitsio |
Vorombola | : | a.: Vorona iray fianakaviam-be amin'ny alto-ho sy ny voxontsiloza, misy volony marevaka, indrindra ny lahy, izay manan-drambo mahazo misandrahaka ka mivelatra toy ny kodiarana.
Ahitsio |