Litera Z

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Zinohy: (zohy) mt, ih. mizy tsofoka in: Voazohy, nozohina, zohina, arahina tsara: Raha zinohy tsara ny tantara, dia hita fa fitiauan-kampiray no nahatonga an'Andrianampoinimerina hanafika hatraiza hatraiza Ahitsio
Ziona: sy Zionjiona ft.: Fiviliana, fivembenana. - t.i.f.: Azionjiona, tafaziona, tafazionjiona j miziona, mizionjiona j izionjionana, fizionana, fizionjionana. Ahitsio
Zipo: (fr. jupe) a.: Akanjombehivavy mandrakotra ny valahana no ho midina ka hatreo ambony na ambany 1ohalika arakaraka ny lamaody. - t.i.f: Mizipo, fizipo, mpizipo 1 izipoana, fizipoana / mahazipo. - F.-p,: Zipo jobo lava: zipo kely vava fa be vatana ary lava. / Zipo tapaka: zipo fanao anatiny. Ahitsio
Ziriziry: a: Fijoroana miridiridy tsy mihetsika, •Fitokonana, di-doha, fitokozihitra. 1 t,tf.: Aziriziry, tafazirfziry/ miziriziry, fiziriziry, mpiziriziry / iziriziriana, fiziriziriana/ mahaziriziry. Ahitsio
Ziva: (fit.-p.) a: Mpifankatia ara-belirano toy ny mpihavana akaiky mihitsy, nefa mifanompa na mifanozona ho mari-pisakaizana. - t.i.f.: Miziva, fiziva, mpizlva. Ahitsio
Ziva: a: Kirihitr'ala. Ahitsio
Zo: a: Loza mihatra, zava-midona, fahoriana, vitan-dratsy. - t.i.f.: Zoina I manjd, fan-id, mpanjô I fizoina. Ahitsio
Zo: a.: Haja amam-boninahitra, laza soa. ~ h.i.: Fahefana ananan'nY olona iray amin'ny maha-izy azy; hasina: Zoko ny anajanao ny firazanako. / Mizaka ny zdm-pirenena malagasy aho. ? Tombon-tsoa manokana, fahasoavana:"Zato ianao Ambohipo, / Manan-jà / Tiako honenana aoko izany /'Zany tany", X - F.-p.: Manan-jà: manan-jara, ambinina, sambatra. Ahitsio
Zofina: (zotra) mt,ih, (zofy): Zairina atao vikavika, vikavikaina, gorampaina. Ahitsio
Zohina: (zohy) mt. ih. (zohio): Arahina: Loza fa zohin'Ikoto i rainy na aiza na aiza alehany. ~ Enjehina: Nozohin' ny mpiambina ilay mpangalatra ka azony. ? Hatonina, jokoina: Zohio moramora io Papelika io sao lasa. Ahitsio
Zohy: a.: Fanarahana avy eo aoriana. ~ Fandehanana manjokozoko ohatra ny antidahy. 1 Famelana handeha aloha. 1 t.if.: Zohina, voazohy, zinohy 1 manjohy, fanjohy, mpanjohy 1 aniohiana, fanjohiana 1 mifanjohy / mahazohy 1 zohizohy. Ahitsio
Zohy: a.: Lavaka na lozoka mandady fa tsy mitsatoka midina: Niery tany anaty zohy ireo mpandositra Ahitsio
Zoina: (zo) p.t.: Iharan-doza, iharam-pahavoazana, iharampahoriana: Nozoin-doza lava Ramatoa io no nahalasa adala azy. Ahitsio
Zojotra: a.: Zaitra mandeha tsotra hatrany tsy misy tatnpody;vikavika. 6 t.if.: Manjojotra. Ahitsio
Zoky: a. sady p. t.: Ny iray tampo teraka aloha: Niaraka izy mirahalahy ka ny zandriny no teo aloha ary ny zokiny tao aoriana. ? Be tanna kokoa: Zokin'ny rainay ny dadanareo. 1 Tsara indrindra, lehibe indrindra: Ity no zokin'asan'ny mpanoratra i Li. f.: Fahazokiana 1 fizokiana. - F.-p.: Zokin-damba: ilazana ny lambamena tsara sy lehibe indrindra amin'ireo ha-fa nentina namonosanà ny maty. / Zokin-karena: manankarena kokoa. / Zokiolona: ireo efa be taona ela nihetezana. I Zokin-taozauatra: sangan'asa, ny tsara indrindra tamin'ny asa natao. / Zoky be toa ray: ilazana ny lahimatoa na ny be tanna izay heverina ho solon-dray amandreny. * Ohab.: Ny manan-joky, afaka olan-teny; ny manan-jandry, afaka olan'entana: famaritana ny adidin'ny zoky sy ny zandry avy: anjaran' ny zoky ny mandray fitenenana raha misy teny atao, ary an'ny zandry ny mitondra entana raha misy entana entina. Ahitsio
Zoma: a.: Zohy, lava-bato. Ahitsio
Zomà: a.: Andro fahadimy amin'ny herinandro, manarakaraka ny Alakamisy ary mialoha ny Asabotsy. Teo =in' ny Ntaolo malagasy, dia andro mainty fandevenana toy ny Alatsinainy ny Zomà; na-tao fitenenana ny hoe: "Zomà manantena" ary koa ny hoe "Tsy mahandry andro Zomà" satria tsy momba ny soa, tsy momba ny ratsy. a F.-p.: Tsy mahandry andro zomà: enti-milaza ny olona maika loatra alohan'ny fotoana. Ahitsio
Zompona: na Jompo (Ski) a.: Karazan-trondro lehibe tsara hena, nefa tsy mba azo mainina loatra. (Manatody any an-dranomasina mandritra ny hefarana na hadimiana ny zompona rehefa tsinam-bolana) (Mugil macrole-Pis). Ahitsio
Zongozongo: a.: Dian'olon-drery. - t.i.f.: Mizongozongo, fizongozongo, mpizongozongo 1 izongozongoana, fizongozongoanal mahazongozongo. Ahitsio
Zorina: (zotra) mt. ih. (zory): Arahina mahitsy tsy mivilivily: Ity lalana mianatsimo ity zorina dia ho tonga any am-piangonana ianao. 1 Tohizina: Ny lalana zdrina fa aza be resaka eo! Ahitsio