Litera Z

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Zoro: a: Fikaonan'ny tsipika roa mifanapaka: Zona sokera, zoro dombo, zoro mura-nitra. • Faritra kitso eo amin'ny fihaonan'ny rindrina roa: Zoron-trano. ? Rira-na, ny mivohitra amin'ny fihaonan'ny lafy roa mifanapaka: Telo zoro ny zozoro. / Zoron-databatra. ? Kiho: Zoron-dalana. ~ Ireo lafy avaratra-atsinanana; atsimo-atsinanana; atsimo-andrefana; avaratra-andrefana amin' ny tany atao hoe: vazan-tany: Zoron-tany efatra. ~ Ny hazo atao amin'ny zorontrano efatra amin'ny trano kotona nahatonga ny fitenenana hoe "sakeli-mihoa-joro". - F.-p.: An-joro: ny eo atsimo atsinanana atsimom-patana tamin'ny tranon'ny Ntaolo fahiny. / Mahery anjoro: ilazana ny akoho ma-mono ny namany ao am-pisoko, nefa nony any ivelany kanosa mandositra ny akoho hafa. 1 h.i.: Olona mfldtakita sy ratsy fitondra ny ao an-trano, nefa tsy mahasehaka firy amin'ny any ivelany. / Misary zoro: ilazana ny akoho mankeo an-joro fa te-hanatody. / Zoro firarazana: ilazana ny zoron-trano avaratra-atsinanana izay natao firarazana (rary) na fivavahana. / Zorombarauarambe: ny zoron-trano atsimo-andrefana. / Zorom-barauarankely: ny zoron-trano andrefana-avaratra. / Zoron'akoho: ny zorontrano atsimo-atsinanana izay nitoeran'ny akoho amamborona nompiana (jer. an-joro). * Ohab.: Tsy hadalan'ny akoho no itoerany eo an-joro, fa toeram-boazara: entimilaza ny fanekena ny anjaran'ny tena, na ratsy io na tsara. Ahitsio
Zoto: a.: Faharisihana, fanaovana asa na zavatra an-taitrapo ary amim-paharisihana. 1 t.i.f.: Mazoto 1 mahazoto 1 mampahazoto 1 hazotoana, fahazotoana 1 zotozoto. * Ohab.: Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina: enti-milaza fa fanatanterahana adidy no atao fa tsy fitiavana hanao an'itsy na hanao an'iroa akory. / Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto: tsy misy zava-tsarotra tsy vita rehefa misy ny faharisihaha sy ny herimpo. Ahitsio
Zotra: a: Fandeha mahitsy tsy mivilivily, mandroso sy mitohy hatrany. ~ Enti-milaza antokom-piara mpitatitra olona anankiray ma-nana lalana voasoritra falehany: Ny zotra faha-22. / Ny lamasinina zotra Antananarivo-Toamasina, - t.i.f.: Zorina, azotra, tafazotra 1 mizotra, fizotra, mpizotra 1 izorana, fizorana 1 mahazotra 1 zojotra 1 zorina, na zojorina, zofina na zojofina, azojotra, voazojotra 1 manjozotra, fanjozotra, mpanjozotra 1 anjozorana, fanjozorana 1 mahazojotra 1 mitanjozotra, mitozojotra. * F,-p,: Zo-balala: fomba fanjairana atao mifanalavitra ny tevi-panjaitra ary mifamaly ambadika sy ambadika ka mizotra mahitsy hatrany. / Zo-molotra: zaitra vilina bakatraka fanao amin' ny fanjairana ny vava lasaka na gony. / Mizo-daiana: mizotra mahitsy manaraka ny lalana. Ahitsio
Zovina: (zovy) mt. ih. (zovio): Ampahafantarina, atoro: Tsy zovina aminao io mpihira malaza io. Ahitsio
Zovy: a.: Teny enti-manontany hoe "olona iza?": Zovy no tsy maholala ny atao hoe tanindrazana? ? Antso ataon' ny mpiambina amin'ny alina raha vao misy mikaratsadratsaka any ho any: Zovy? * F,-p,: Manao zouy: entimilaza ny mpiambina miantso "Zovy". / Ahoan-jovy: mampaninona an'iza moa. / An-jovy: an'iza. / Na zouy na zovy: na iza na iza. Ahitsio
Zozoro: a: Zavamaniry any anaty rano, telo rirana, fanaovana tsihy na, sobika ny hodiny. i Li. f.: Manjozorobe. Ahitsio