Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Afendrotra: (fendrotra), mt. at. (afendroty): Aketrona. Ahitsio
Afenina: (afina), mt. ih. (afeno): Atao tsy hitan'ny olona: Nafenin'ny namany ny satrok'Isambilo ka nitomany ny anao lahy. ~ Tanna ho tsiambaratelo: Mbola nafenina aloha ny niambohoan'ny mpanjaka sao mikorontana ny uahoaka. • Alevina (filaza amin'ny mpanjaka): Rehefa auy nafenina ny Masina, dia niandry izay ho dimbiny ny ambanilanitra. Ahitsio
Afeno: (feno), rnt. fit. (afenoy): Entina mameno, ainenoana: Ny rano amin'it? jaogy it? afeno ny sinibe. Ahitsio
Aferina: (afitra), mt. ih. (afero): Ajanona, aato, ahantona. Ahitsio
Afero: a.: Paosy kely lavalava eo ambanin'ny aty kely foana (amin'ny ila havanana), izay iangonana rano maitsomaitso mangidy antsoina rahateo hoe ranonafero, izay miforona ao amin'ny aty ka midina ao amin'ny vava tsinay rehefa miditra ao ny sakafo ~ Ilay rano maitsomaitso mangidy mihitsy. 1 Zavatra mangidy dia mangidy. ? F,-p.: Tsy uaky atatra, tsy vaky afero: olona tsy mahalala menatra na kely ara; olona lany henatra. s, Ohab.: Raha voatohina ny aty, marary ny afero: raha misy havana na sakaiza voateny na asian'ny sasany, ny tena avy no mahatsiaro mararirarY. Ahitsio
Aferontanivaventy: a.: Zavamaniry fanalana fofona ny fivalanandrano (Phellolophicum madagascariensis). Ahitsio
Aferontany: a. Karazan-javamaniry ohatra ny ahitra, mangidy aoka izany ny tsirony, fanao ody kohaka (Mollugo nudicauiis). Ahitsio
Afeta: (feta), mt. fit. (afetao): Entina manentsina. Ahitsio
Afetaka: (fetaka), mt, at. (afetaho): Atao mipetaka, miraikitra. Ahitsio
Afetra: (fetra), mt, fit. (afero): Entina mametra. Ahitsio
Afetrika: (fetrika), mt, fit. (afetreho): Amelezana (totohondry): Ny totohondriko hava-nana no nafetriko azy ha nitsirara ter,? ny anao. Ahitsio
Afetsaka: (fetsaka), mt. at. (afetsaho): Azera, ahotsaka: Nafetsaky ny orana lahy ny rindrin'ilay tranon-dRabe! mt. fit.: Ikapohana: Rotsakazo kely no nafetsako ny adala dia torana izy. Ahitsio
Afezaka: (fezaka), mt. at. (afezaho): Atao mifezaka. Ahitsio
Afia: (fia), mt. fit. (afiazo): Ageja, entina mangeja, mamia. Ahitsio
Afiafy: na Mantsimpofona a: Zavamaniry ratsy fofona azo ampiasaina ho ody tandomerina sy aretin-koditra mandrotsirotsy raha ahosotra, ary ny tahony fampandosirana ny moka rehefa dorana (Celtis discodoxylon). Ahitsio
Afihina: (fihina), nit, fit. (afihino): Entina mamihina, mangeja, manery. Ahitsio
Afihitra: (fihitra), mt. fit. (afihiro): Entina mamihitra na mamikitra: Ny tananao hava-nana afihitra amin'ny hazo. Ahitsio
Afina: a.: Fanaovana zavatra amin'ny toerana tsY hitan'ny olona, fitanana zavatra tsy ho fantatr'olona: Ataouy tsara afina ireo firavaka sarobidy ireo fa sao misy mangalatra - t.i.f.: afenina, voafina/ manafina, fanafina mpanafina/ anafenana, fanafenana / miafina, fiafina, mpiafina / iafenana, fiafenana ( mahafina / afinafina ! afinafenina. Ahitsio
Afindra: (findra), mt. at. (afindrao): Ovana toerana: Nafindranareo any ambony rihana angaha ilay latabatra teto? Ahitsio
Afingafinga: (fingafinga), mt. fit. (afingafingao): Entina manao amparapaingo, mamingana. Ahitsio