Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atokona: (tokono) mt. at. (atokony): Atao eo ambony toko mba handrahoina: Matetika ny mahantra no tsy mba manan-katokona akory. Ahitsio
Atolaka: (tolaka) mt, at. (atolahy): Ahodina: Hay! natolaky ny rivotra fotsiny ny varavarana fa tsy nisy namoha akory. 1 Avily: Mba hatolak' Andriomanitra unie izany loza izany! ~ Afindra, ailika: Aza atolaka aty amiko ny hadisoana nataonao, Ahitsio
Atolantsika: (tolantsika) mt. at. (atolantsiho): Atao mihantsika. Ahitsio
Atolatola: (tolatola) mt. at (atolatolao): Ahevingevina, adoladola. Ahitsio
Atolila: (tolila) mt, at (atolilào): Ampandringaina, atao lava sy fohy ny tongony ka mitongilana izy. Ahitsio
Atoloko: (toloko) mt at. (atolokoy): Asaina mitoloko, manjonitra mitaraina. Ahitsio
Atolona: (tolona) mt. fit. (atolômy): Entina mitolona. Ahitsio
Atolotra: (tolotra) mt, at. (atolory): Aroso omena amin'ny tanana: Atolory azy io boky io. 1 Omena am-pahafoizan tanteraka, ary enti-milaza zavatra tsy hita maso Indrindra: Atolotro anao ny fahefana, / Natolony azy ny fony, Ahitsio
Atombina: (tombina) rat, at. (atombeno): Apetraka (entimilaza biby na olona ihany): Atombeno eo amin'ny tsihy ny zanakao dia mandehana manao raharaha; fa tsy fiteny, ohatra, ny hoe: Atombeno eo ambony latabatra ny bokinao. 1 Apetraka ma-ka toerana tsara: Natombiny tsara teo amin'ny halana ny sininy dia iny izy nivikiviky nanao kinarinarina. 1 Atao mifototra tsara amin'ny: A-tombeno amin'ny fianarana ny sainao, fa aza avala hiriorio ats? sa ar). Ahitsio
Atomboka: (tomboka) mt. at. (atombohy): Atao ny fiandohàny: Atombohy ny asanao. Ahitsio
Atomboka: (tomboka) mt, fit. (atombohy): Entina miampanga tsy marina, manendrikendrika. Ahitsio
Atomboka: (tomboka) mt. fit, (atombohy): Entina mitrandraka tany; entina manapaka: Vao natombony ny tany ny angady dia fanina izy. Ahitsio
Atomboka: (tomboka) mt. fit. (atombohy): Entina manietaka kase, marika tsY mety afaka. Ahitsio
Atomoetra: (tomoetra) mt, at. (atomoero): Apetraka, ajanona, asaina mitoetra. Ahitsio
Atomotra: (tomotra) mt, at. (atomory): Ampanakekezina: Atomory ahy ny jiro hijereko tsara ity sary ity. Ahitsio
Atonàka: (tonàka) mt, at. (atonàhy): Avala hidonanapoana. 1 Asaina miandry ela: Natonàkany foana teto aho. Ahitsio
Atonaka: (tonaka) mt, fit. (atonafy): Entina manadofaka dona-tsetroka. ~ Entina ma-mono, mikapoka. Ahitsio
Atonantonana: (tonantonana) mt. at. (atonantonàno): A-saina mivezivezy na asaina tonga foana tsy misy antony: Loza fa natonantonany tany aminy aho, nefa tsy tao akory izy, Ahitsio
Atondraka: (tondraka) mt. at. (atondraho): Araraka eo ambony: Hatondraka ve ny ro sa samy maka ato anaty vital jobo? ~ (biby) Avala hanaram-po miraoka ahitra eny amin'ny volin'olona: Aza atondrak'ialahy et? ny ombin'ialahy, ry Lita a! Ahitsio
Atondritra: (tondritra) mt at. (atondrito): Atodika. ~ Atolaka (hadisoana). ~ Enti-milaza ny zaza ampivalanina, izay tanana atao eo anelakelaky ny lohalika roa ka aankina amin'ny tratra ny lohany ary ny tongony kosa somary aingaina kely mba hahamora ny fivalanany: Atondrito (na atondroty) io zaza io fa hivalana Ahitsio