Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atrandraka: (trandraka) mt. fit. (atrandràho): Entina mitrandraka, mihady tany. Ahitsio
Atranga: (tranga) mt at. (atrangao): Aseho lany. Ahitsio
Atranina: (atrana) mt, ih. (atrano): Atao miatrana, atao voaomana tsara: Atrano tsara ny basy. Ahitsio
Atraoka: (traoka) mt, fit. (atroohy): Entina manakenda na manenda. Ahitsio
Atratreva: (tratreva) mt. at. (atratreuao): Atrifantrifana ats? sy ar?. Ahitsio
Atrebika: (trebika) mt. fit. (atrebeho): Entina manatrebika, manindrona. Ahitsio
Atrebona: (trebona) mt, at. (atrebôny): Enti-milaza zavatra marani-doha atsatoka: A-trebona anatin'ny tany ny tsatoka. Ahitsio
Atrefotra: (trefotra) mt, at. (atrefory): Atsefotra. Ahitsio
Atrehina: (atrika) mt. ih. (atreho): Jerena eo anoloana: Natrehin'ny Iehiben'ny fampianarana ny f'izaran-doka tao amin'ny sekolinay. •Hita maso: Natrehinao ve ny nikapohany ny zandrinao? Ahitsio
Atresaka: (tresaka) mt, fit. (atresaho): Entina manatresaka, mamaky misalasaka. Ahitsio
Atriatry: p, t.: Tanora vantobantony lehibe tsy kely, salasala. Amin'ny hevitra an' ohatra, dia azo raisin hoe "Tsy ambony tsy ambany", nahatonga ilay fitenenana hoe "Atriatry ohatra ny traingon'alika" mitovy amin' ny hoe "Basin'ariary fito: tsy tian'ny mpanana arY tsY takatry ny malahelo". Ahitsio
Atrifana: (trifana) mt. at. (atrifano): Atao mirifatra. Ahitsio
Atrika: ft.: Enti-milaza fipetrahana eo anoloana. i Atrehina / manatrika, fanatrika, mpanatrika / anatrehana, fanatrehana / mahatrika, a F.-p.: Jery atrika: baikomiaramlla ilazana mba hijoro tsara; ny loha miandranandrana, ny ranjo mikambana, ny tongotra somary mivelatra kely ary ny tanana roa mitsotra manaraka ny vatana. Ahitsio
Atringitringy: (tringitringy) mt. at. (atringitringio): Atao milingilingy. Ahitsio
Atritratritra: (tritratritra) rat. at. (atritratritrào): Atao tonga mipelipelika. Ahitsio
Atroatra: (troatra) mt. at. (atroàry): Asaina na avala mitroatra, mitsangana tampoka amin'izay misy azy. Ahitsio
Atrobaka: (trobaka) mt, fit. (atrobàho): Entinamanatrobaka, manatsatoka lalina amin' ny zava-maranitra. Ahitsio
Atroka: (troka) mt. fit. (atrohy): Entina mitroka, misintona amin'ny molotra. Ahitsio
Atrongy: (trongy) rat. fit. (a trongiso): Entina mitrongy, mihady na mitrandraka ny tany amin'ny vava. Ahitsio
Atrosina: (trosina) mt, fit. (atrosino): Entina manatrosina, mamotraka ka ny loha no mikasika aloha amin'ny tany. Ahitsio