Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atsingina: (tsingina) mt. fit. (atsingino): Entina maningina, mandraikitra vifotsy amin'ny firaka. Ahitsio
Atsingoana: (tsingoana) mt, at. (atsingoany): Azera ka ny 10-hany no atao ambany: Natsingoanan'ny alika ny vilany. Ahitsio
Atsingoloka: (tsingoloka) mt. at. (atsingolàhy): Atsimbadika ka ny loha no atao ambany, atotongana: Aza atsingoloka ny fitoeran-dranomainty. Ahitsio
Atsinjaka: (tsinjaka) rat. at. (atsinjàho): Asaina mitsinjaka, mihinjakinjaka. Ahitsio
Atsinjara: (tsinjara) mt. at. (atsinjarao): Atao mitsitokotoko; tsy amidy ambongadiny: Atsinjarao ireo voanjo ireo. Ahitsio
Atsinjo: (tsinjo) mt. fit. (atsinjbvy): Entina mitsinjo. Ahitsio
Atsinkafona: (tsinkafona) mt. at. (atsinkafôny): Ahevaheva eny ambony rano: Aza dia atsinkafona re ny loto efa mandry any ambany rano any e! 1 Zavatra tsy nisy nahalaia na efa hadino ka atranga ho hitan'ny be sy ny maro: Natsinkafony teo tamin'ny kabary nataony ny kileman'ilay maty. Ahitsio
Atsinkasina: (tsinkasina) mt. at. (atsinkasino): Atsimbadimbadika, akodiadia. Ahitsio
Atsinomina: (atsimo) mt. ih. (atsinomy): Atao mianatsimo, atodika any atsimo: A-tsinomy it? latabatro Ahitsio
Atsintsindrana: (tsintsindrana) mt. at. (atsintsindràno): A-saina mihoatra na manivaka amin'ny namany. Ahitsio
Atsipalotra: (tsipalotra) mt, at. (atsipalàry): (maso) Asaina mijery vetivety, miserana: Natsipalotro teny aminy ny masoko ka menatra tara-mena izy. Ahitsio
Atsipelika: (tsipelika) mt. at.: Apelipelika, asavilivily. Ahitsio
Atsipeloka: (tsipeloka) mt. fit.: (teny an-tsafelfka) Enti-mamely ny sasany. Ahitsio
Atsipilivaka: a,: Lalaon'ny ankizy izay hiadiana ny hahatafidirana zavatra (kanety na vato) ao anaty lavaka. Ahitsio
Atsipindy: (tsipindy) mt. fit,: Entina manisy tsipindy, Ahitsio
Atsipy: (tsipy) mt. at. (atsipazo): Atoraka, alefa: Atsipazo iny baolina iny hotantazako. * Ohab.- Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby; atsipy ny teny any am-pon'ny manam-panahy: Enti-milaza fa ny olon-kendry dia mora mahazo ny teny atao aminy, na fananarana izany na torohevitra. Ahitsio
Atsirakaraka: na Atsirakorako (tsirakaraka, tsirakorako) mt. at. (atsirakarakao, atsirakorakoy): Atao misafotofoto, misaritaka. Ahitsio
Atsirara: (tsirara) mt. at (atsirarào): Alavo mitsilany, ny tongotra sy ny tanana mitsidradraka. Ahitsio
Atsiredareda: (tsiredareda) mt. at. (atsiredaredào): Atao antsirambina: Aza atsiredareda re ny asanao e! Ahitsio
Atsiririka: (tsiririka) mt. at. (atsiririho): Avala hitsiririka, afantsitsitra. Ahitsio