Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Atsitajtaika: (tsitaitaika) mt. at. (atsitaitaiho): Atao mitsitaitaika, alatsaka tsy misesy fa mielanelana, atete: Atsitaitaika amin'ny maso io fanafody io. Ahitsio
Atsitika: (tsitika) mt. at. (atsitiho): Henjanina. ? Araikitra. Ahitsio
Atsitra: (tsitra) mt. at. (atsiro): Ampandrina mivalampatra: Natsitra teo ambony tsihy ny faty. Ahitsio
Atsitsika: (tsitsika) mt. fit. (atsitsiho): Entina mitsitsika, mitanisa firariana na fanozonana. Ahitsio
Atsitsy: (tsitsy) mt. at. (atsitsio): Apetraka hotsitsina, holalaina, Ahitsio
Atsivalana: (tsivalana) mt. at (atsivalàno): Atao mitsivalana, izany hoe: tsy atsangana manaraka ny lavany fa ampandrina manaraka ny sakany: Atsivalàno ny dabilio fa malalaka ny efitra. Ahitsio
Atsivetraka: (tsivetraka) mt. at. (atsivetràho): Velarina: Atsivetràho tsara eo ambany lavarangana it? tsihy it? hipetrahantsika, Ahitsio
Atsoboka: (tsoboka) mt, at. (atsobohy): Ampidirina ao anaty rano: Atsobok'Ibalita ao anaty sinibe ny tanany maloto. Ahitsio
Atsofa: (tsofa) mt, fit, (atsofao): Entina manatsofa. Ahitsio
Atsofoka: (tsofoka) mt. at. (atsofdhy): Ampidirina: Atsofohy ao anatin'ny hidim-baravarana ny fanalahidy sao very. ~ Alentika: Atsofohy ao amin'ny lohanao hoe ity satroka it? hojerena raha sahaza anao. ~ Aiditra: Natsofoky ny olona tao an-trano Rakoto mba tsy ho azon' ny mpanenjika azy. Ahitsio
Atsofotra: (tsofotra) mt. at. (atsofdry): Asitrika, alentika: Atsofotra ao anaty rano mangatsiaka ny vy mahamay rehe fa aofana, Ahitsio
Atsoka: (tsoka) mt. fit. (atsofy): Entinamitsoka. Ahitsio
Atsolo: (tsolo) mt. fit, (atsoldy): (ny afo) Entina mandrehitra: Iny afo aminao iny atsolo ireto anenta-mololo ireto. Ahitsio
Atsolotsolo: (tsolotsoio) mt. at. (atsolotsoloy): Atanina, atao akaikin'ny afo: Atsolotsoloy eo amin'ny afo iny akanjonao lena iny mba ho maina haingana Ahitsio
Atsolotsolotra: (tsolotsolotra) mt. at. (atsolotsolôry): Aroso kely dia ahemotra miverimberina. Ahitsio
Atsongo: (tsongo) mt. fit. (atsongày): Entina mitsongo. Ahitsio
Atsontsona: (tsontsona) mt. fit, (atsontsdny): Entina manafosafo, manambitamby biby: Ny tanany malefadefaka iny no natsontsony an'ilay aiika ka nampatory azy, Ahitsio
Atsontsorika: (tsontsorika) mt. at. (atsontsoriho): Araviravy, aondrika ho ambany: A-za atsontsorika ny lohanao. Ahitsio
Atsopiaka: (tsopiaka) mt. at: (maso) Atao tonga jemby, badena. Ahitsio
Atsopitsopy: (tsopitsopy) mt, at. (atsopitsopio): (hazavana) Atao malefaka, mitsilopilopy: Atsopitsopio kely ny jiro fa marary ny masoko. Ahitsio