Avosotra | : | (uosotra) mt. fit.: Entina mamosotra, mamazivazy, mananihany, manaraby.
Ahitsio |
Avotana | : | (avotra) mt ih. (avoty): Vonjena amin'ny fahavoazana, amin'ny mahaporitra: Nauotany tamin'ny fanandevozana ny firenena A-voty kely aho raha manambola ianao. 1 Enti-milaza zavatra efa namidy ka vidina vola indray fa tiana hiverina amin'ny tena: Navotako indray ilay tany namidiko tamin-dRabe. 1 Vidina, onerana: Havotanao lafo izany vavanao izany.
Ahitsio |
Avotra | : | ft.: Famonjena. • Fanafahana na fanalana ao anatin'ny loza. / Fividianan-javatra efa an'ny tena taloha ihany. 1 Fanongotana ny ketsa hafindra. - t.i.f.: Avotana, voavotra / manavotra, fanavotra, mpanavotra i anavotana, fanavotana / miavotra, fiavotra, mpiavotra / iavotana, fiavotana. - Avotra aina: fandosirana amin'ny loza, fahafatesana efa nandindona.
Ahitsio |
Avotrafo | : | a,: Karazan-tsatroka miaramila boribory lava patendro.
Ahitsio |
Avotretrika | : | (votretrika) mt. at. (avotretreho): Ampifanongoavina, afatratra tsy misy kitotony: Avotretreho ao fotsiny aloha ireo boky ireo fa maika,
Ahitsio |
Avotrovotro | : | (votrovotro) mt. at. (avotrouotroy): Atao tonga mandrotsirotsY, marokoroko,
Ahitsio |
Avotsotra | : | (votsotra) ?nt. fit (avotsory): Entina mamotsotra.
Ahitsio |
Avovona | : | (vovona) mt. at (avovbny): Ampifanongoavina, atao antontany: Aza auovona eto an-tokotany ny fako fa ario.
Ahitsio |
Avovona | : | ft.: Fiavosa mifanongoa miavoavo. - t.i.f:: Miavovona, fiavovona.
Ahitsio |
Avoy | : | (voy) mt. fit. (avoizo): Entina mivoy, ampiasaina hampandeha ny lakana amin' ny fanosehana any aoriana ny rano, izay mampandroso ny lakana kosa.
Ahitsio |
Avozezika | : | (vozezika) mt. at. (avozezeho): Avovona, ampifanongoavina befahatany.
Ahitsio |
Avozihitra | : | (vozihitra) mt. at. (avoz ih fro): Abontsina be, a-tao mizihitra be.
Ahitsio |
Avrily | : | (fr. avril), na Aprily (angl. april) a.: Volana fahefatra amin'ny taona araka ny kalandrie vahiny izay arahina saika hatraiza hatraiza ankehitriny; misy andro telopolo ny volana avrily. (Raha samy haka anarana avy amin' ny teny vahiny ihany, tsy aleo ve ilay mifanakaiky amin'ny mahazatra no raisina?).
Ahitsio |
Avy | : | p. mt.: Rehetra ary tairairay: Nomeko paiso dimy avy ny mpianatra; izany hoe ny mpianatra rehetra dia nomeko paiso dimy tsirairay; matetika no ialohan'ny teny hoe "samy" ny matoanteny: Samy nandray ariary zato avy izahay tala lahy.
Ahitsio |
Avy | : | p. mt.: Koa: Izany avy ka mahatezitra anao.
Ahitsio |
Avy | : | ft.: niavian'ny - t.i.f.: Manavy, fanaviana.
Ahitsio |
Avy | : | mt. p.: Manatona, mandroso ho eo amin'ny tena, tamy: Mitondrà elo fa sao avy ny orana. - t.i.f.: Miavy, fiavy, mpiavy 1 iaviana, fiavianal aviavy. ? F.-p.: Avy aina: matanjaka. / Auy ho azy: tonga tsy noterena fa noho ny sitra-pony ihany. / Tsy avy miaina: sempotra. f Auy tsy nasaina nasesiky ny razana: enti-milaza olona tonga tampoka ary sendrasendra eo am-piandohan'ny sakafo ka lazaina fa voatery mandray anjara amin'izany sakafo izany sa-tria toa ny razana mihitsy no naniraka azy.
Ahitsio |
Avy | : | any, Avy amy p. mt.: Teny enti-milaza fiaviana ka avy any no ampiasaina raha toerana no tondroina: Auy any Mahajanga izahay izoo, ary avy amy kosa raha zavatra no tondroina: Avy amin'ny voaloboka ny divay.
Ahitsio |
Aza | : | p. mt.: Enti-mandrara tsy hanao zavatra: Aza mikiakiaka mankarenin-tsofina eo ianareo, rankizy a. • Enti-mirary mba tsy ho voa, mitovy amin'ny hoe enga anie tsy...: Aza manody ny taranako sy ny taranakao izany! 1 Entimanohana zavatra mba tsy ho tonga, tsy hisy: Aza tsiny raha manapaka ny teninao aho. - F.-p.: Aza fady: teny fialan-tsiny raha hanao zavatra tsy mety nefs tsy maintsy a-tao, na raha avy manao zavatra tsy mety, vita tsy nahy: Aza fady fa hialoha anao a-ho, tompoko. Aza fady fa uoadonako ianao. / Aza loza: enga anie ka tsy hahitako loza. / Aza maty anie aho: teny fialan-tsiny ary fangataham-pamelana tamin'ny hadisoana natao, indrindra raha zavatra tsy niniana natao. ¶ M. h.: Matesa anie aho. / Aza any izany, aza anie izany, aza misy anie izany: enga anie ka tsy ho avy izany! Sanatria anie izany. / Aza tsiniko: mitovy amin'ny hoe "aza fady". / Aza manody: fomba firariana mba tsy hahavoa ny hafa izay mahazo ny tena.
Ahitsio |
Aza | : | p. mt.: Teny miaraka mandrakariva amin'ny hoe na dia izay mialoha azy ka enti-milaza fiaikena: Na dia mahantra aza izy, tsy mba mangalatra na oviana na oui-ana.
Ahitsio |