Litera a

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Aforetaka: (foretaka), mt. at. (aforetaho): Afotetaka, azera hipetaka amin'ny... Ahitsio
Aforitra: (foritra), rat. at. (aforeto): Alefitra, aketrona: A-foreto ny tanan'akanjonao rehe fa hiasa. Ahitsio
Afosa: (fosa), mt. fit. (afosao): Entina mifosa, manaratsy. Ahitsio
Afositra: (fositra), mt. fit. (afosero): Entina mamositra, mandoaka hazo. Ahitsio
Afotafota: (fotafota), mt. at. (afotafotao): Afotetaka amin'ny... Ahitsio
Afotetaka: (fotetaka), mt. at. (afotetaho): Atao mifotetaka, misolitika; asolitika, atakovana. Ahitsio
Afotitra: (fotitra), mt. at. (afotero): Atao mifotitra na mivadika ka ny ambony lasa ambany: Nahoana no afotitrao ny sary? Ahitsio
Afotofoto: (fotofoto), mt. at. (afotofotoy): Asavoritaka, akorontana, atao mifanaritaka: Afotofotonao koa ny resaka ka tsy azo be ihany. Ahitsio
Afotsy: (fotsy), mt. fit. (afotsio): Entina mamotsy, manadio zavatra vita amin'ny metaly. Ahitsio
Afovato: a.: Karazana vato miteraka tselatselatr'afo raha vao ampifampikasohina. ¶ M.h.: vatoafo, vatofalia. Ahitsio
Afovatohazo: a.: Karazan-kazo mety hiteraka afo toy ny afovato ka indraindray azo a-solo azy mihitsy. Ahitsio
Afovoa: ppk.: Eo anelanelan' ny zavatra roa na maro: Mipetraha ianao eto afouoan' izy mianaka, 1 pmt,: Raha mijery ny rantsantanana isika, ny fanondroadala no hita eo afouoany, ? Eo amin'ny toerana mitovy elanelana amin'ny manodidina hatraiza hatraiza: Ny tanàna Ramainandro, hono, no eo afouoan'ny Nosy. ? pmt.: Nanao faribolana ny ankizy ary dia i Soa no natsangany teo afouoany, Ahitsio
Afoy: (foy), mt. at. (afoizo): Omena tanteraka, atao sorona: Nafoin'izany lehilahy izany ho an'ny tanindrazany ny ainy. ~ Tsy antenaina intsony: Nafoiko ny famantaranandroko very. Ahitsio
Afozafoza: (fozafoza), mt. fit. (afozafozao): Entina mamozafoza, mamiravira. Ahitsio
Afrikanina: (fr. africain) a.: Ny fitambaran'ny firenena 41 tompon-tany any Afrika izay anisan'ny fizaran-tany lehibe dimy eto amin'izao tontolo izao:Mizara foko maro be ny Afrikanina ~ p. t.: Mikasika an'i Afrika, momba an'i A-frika na avy any Afrika: Misy karazany anjatony maro ny teny afrikanina. Ahitsio
Agaboka: (gaboka), mt. at. (agabohy): Avongovongo, avosaina. Ahitsio
Agadra: (gadra), mt. fit. (agadrao): Entina mamatotra amin'ny gadra, ampiasaina hamatorana. Ahitsio
Agadragadra: (gadragadra), mt. at. (agadragadrao): (feo) A-tao mihararetra toa vaky na mitriatra: Aza agadragadra toy izany ny feonao. Ahitsio
Agadraka: (gadraka), mt. at. (agadraho): Atao mihararetra toa vaky na mitriatra (feo). Ahitsio
Agaika: (gaika), mt. fit. (agaiho): Entina mifehy, afehy, entina manery. Ahitsio